PolitikaSongadim-baovaoToekarena
ANDRY RAJOELINA TAO AMIN’NY COP26: “Izao isika no mila mihetsika, fa tsy rahampitso na hiandry 2030!»
Hentitra ny Filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina nandritra ny fandraisam-pitenenany teo anoloan’ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana nanatrika ny andro faharoan’ny COP 26 izay tanterahina any Glasgow amin’izao fotoana izao. Nanainga ny tokony hihetsehan’ny firenen-drehetra ny tenany. Vahaolana amin’ny Hamehana izao no ilaina, hoy izy, satria efa tena mihatra ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro.
« Izao isika no mila mihetsika, tsy rahampitso na hiandry 2030!» hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny COP 26 manoloana ireo mpitondra fanjakana maneran-tany omaly 2 novambra tany Glasgow. Nandritra izany no nitondrany avo ny feon’ireo vahoaka Malagasy miisa 1.300.000 izay latsaka anaty tsy fanjarian-tsakafo lalina noho ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro izay nitarika ny tsy fisian’ny rotsak’orana sy ny haintany any Atsimon’ny Nosy. Nanao antso avo ireo mpitondra fanjakana rehetra ny Filoha hanetsika ilay famatsiam-bola mitentina 100 miliara dolara izay nifanarahana tamin’ny “Accord de Paris” mba hahafahan’i Afrika mametraka ny politika hirosoana amin’ny fampiasana angovo madio. Anisan’izany ny fampiasana ny bioéthanol na biogaz ho solon’ny arina fandrehitra, ny fametrahana ireo ivon-toerana mamokatra angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro, sns. Hentitra ihany koa ny tenany amin’ny fampitsaharana ny fandripahana ny ala aty Afrika noho ny famadihana ireo hazo ho arina fandrehitra.
Ho an’i Madagasikara manokana, ny Fitondram-panjakana dia efa manao fanentanana hatrany ny vahoaka hampiasa bioethanol na biogaz ao an-tokantrano. Eo ihany koa ny fanamby napetraka mba hanamaitso indray ny Nosy amin’ny fampitomboana ireo faritr’ala voaaro ary indrindra ny fanentanana amin’ny fambolen-kazo izay hanentanana ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka.
Tsara marihina fa nanatrika ity fotoana ity ireo filoham-panjakana an’ireo firenen-dehibe toa an’ny Filoha Amerikana Joe Biden, n y Chancelière an’i Allemagne Angela Merkel, ny Praiminisitry i Inde Narendra Mondi, ny Praiminisitry i Canada Justin Trudeau.
« Accord de Paris »
Tsiahivina fa ity COP26 ity dia heverina ho fihaonana an-tampony natokana hanehoana ny finiavana handroso sy ny fanatanterahana ireo drafitra amin’ny ankapobeny. Ary tanjon’ ny fivoriana ny fihatsaran’ny toetrandro maneran-tany, miainga avy amin’ireo ezaka ataon’ny firenena tsirairay, izay efa voarakitra tao anatin’ny « Accord de Paris » farany. Kendrena manokana araka izany ny hahitana vokatra amina sehatra dimy mazava: ny eo amin’ny fahaizana miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro, ny tetibola natokana ho an’ny toetrandro, ny singa voajanahary sy ny natiora, ny angovo ary ny fitaterana. Vinavinaina ho 197 ny isan’ireo firenena handray anjara amin’izany COP26 izany ao amin’ny Scottish Event Campus ao Glasgow.


