PolitikaSongadim-baovao
FANANGONAM-BAOVAO: Nisesisesy ny trangana herisetra atao amin’ny mpanao gazety
Nisy ny fanambarana nataon’ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety mikirakira ny resaka tontolo iainana, sy ny Holafitry ny Mpanao Gazety omaly. Iraisan’ny fanambarana nataon’izy ireo ny fanamelohana ny herisetra sy ny fanohitohinana mianjady amin’ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany, izay niseho lany tato ho ato.
Nisy ny tranga nahazo ny mpikambana ao amin’ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny resaka tontolo iainana (AJE) sy ny namany maromaro ny alakamisy 7 oktobra 2021 lasa teo, rehefa namita iraka tany Belo sur Tsiribihina sy Morondava, Faritra Menabe izy ireo. Rehefa nahita ny doro tanety izy ireo teny an-dalana, tao amin’ny ala arovana Kirindy anaty Faritra arovana Menabe Atimena, dia nidina ny fiara nitondra azy ireo, nanao ny asany , nanangom-baovao sy naka sary, araka ny fanazavana. Nandritra izany no nisy olona iray, heverina ho tomponandraiki-panjakana, nanatona ny mpanao gazety mpaka sary, ary naka ny fitaovana teny aminy. Nahazo teny mahery sy fandrahonana samihafa ireo mpanao gazety, ary tena nihorohoro tanteraka, araka ny tatitra. “Tsy niverina ny fitaovana carte-n’ny fakan-tsary raha tsy nisy ny fifampiraharahana nataon’ny Sif”, araka ny fampitam-baovao.
Fanitsakitsahana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety
Manoloana ity tranga ity, nisy ny fanambarana nataon’ny Holafitry ny Mpanao Gazety omaly. “Izahay ato amin’ny Biraon’ny Holafitry ny Mpanao Gazety (OJM) dia manameloka ireo fanitsakitsahana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ireo, izay midika ho tsy fanajana ny zo fototry ny olombelona, olom-pirenena hisitraka vaovao marolafy sy feno ary koa, fandikan-dalàna. Manainga ireo tomponadraikitry ny rafi-pitondrana isan-tsokajiny izahay mba hampahatsiahy ireo olona eo ambany fifehezany sy ireo ao anatin’ny rafitra tantaniny ny maha zava-dehibe ireo zo, sy fahalalahana notanisaina ireo. Mangataka azy ireo ihany koa handray ny fepetra hentitra tandrify azy ireo, manoloana ireo trangana fanararaotam-pahefana sy tsy fanarahan-dalàna, ary koa fikasihan-tanana sy fandratana olona tahaka ny tao Antsohihy sy Menabe atimena”, hoy ny fanambarana. Ny OJM izay nilaza fa vonona handray fepetra izay faritan’ny lalàna manoloana ny tranga tahaka ireny. Anatin’izany ny fitondrana ny raharaha eo anoloan’ny fitsarana, raha ilaina.
Efa nandray ny andraikiny ny Minisitera mpiahy
Tsara marihina fa vantany vao niseho iny tranga iny ny 7 oktobra 2021 teo, dia efa nandray ny andraikiny ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Araka ny voalazan’ny Tale Jeneralin’ny Serasera, Fetra Rakotondrasoava, izay tafaresaka taminay omaly, dia efa nisy ny taratasy nalefan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny, tany amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, nampahafantatra sy nanameloka ny zava-niseho. Taorian’izay dia nandefasan’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy foibe taratasy fampahatsiahivina ny Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy any an-toerana, izay isan’ny voatonontonona tao anatin’ity raharaha ity. Ary tamin’izany indrindra ihany koa dia efa nisy ny fialantsiny nataon’ity farany, tany amin’ireo mpanao gazety lasibatra ireo.




