Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
VAKY FONJA FARAFANGANA : Gadra 38 azo sambo-belona, 20 lavo, 31 mbola karohina
Nitrangana vaky fonja indray tao amin’ny Disitrikan’i Farafangana omaly, izay nampisahotaka ny vahoaka tany an-toerana. Nisy avy hatrany ny fifampitifirana teo amin’ireo gadra nitsoaka sy ny mpiandry fonja, niaraka tamin’ny mpitandro filaminana, ka nahalavoana gadra 20, 38 kosa no azo sambo-belona, ary 31 mbola karohina…

Omaly, tokony ho tamin’ny mitataovovonana, no niseho ny vaky fonja nataon’ny andiana gadra miisa 88. Nizara vondrona roa izy ireo. Ka nisy ireo avy any amin’ny lafiny atsinanan’ny fonja, ary nisy ireo avy any andrefana. Rehefa nigadona ny tamin’ny 12 ora, nanomboka nitoraka vato ireo mpiandry fonja ireo gadra avy ao amin’ny lafiny andrefana. Niaraka tamin’izay, niroso tamin’ny fitadiavana lalana avy amin’ny faritry ny toeram-pivoahana koa ireo voafonja avy tao atsinanana. Tsy nijanona tamin’izay, fa nataon’ireo gadra izay nahazoana ireo fitaovam-piadiana teny am-pelatanan’ireo mpiandry fonja, indrindra ny basy, izay nataon’izy ireo an-keriny. Tsy niandry ela, fotoana fohy taorian’izay dia nahare ny zava-nitranga ny avy eo anivon’ny « Organe mixte de Conception » na ny OMC. Ary nanomboka ny fikarohana.
Valo azo sambo-belona
Omaly ihany dia nanome baiko ny Talen’ny fandraharahana ny fonja ao amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana, sy ny lehiben’ny fonja ao an-toerana ny Minisitry ny Fitsarana mba handray ny fepetra rehetra azo atao mba hifehezana ny zava-misy any an-toerana. Araka ny antontanisa voaray omaly, 37 tamin’ireo gadra niisa 88 nitsoaka, no azo sambo-belona, na dia naratra mafy aza ny 8 tamin’izy ireo. Ireto farany izay efa nalefa teny amin’ny hopitaly avy hatrany. Niisa 20 kosa ireo lavo taorian’ny fifampitifirana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Nisy koa ireo mbola karohina hatramin’ny omaly, izay niisa 31. Tsara ny manamarika fa efa tafaverina avokoa ireo fitaovam-piadian’ny mpiandry fonja nalain’ireo gadra an-keriny. Efa miara-misalahy ankehitriny ny mpitandro filaminana rehetra, ahitana ny avy eo anivon’ny Zandary sy ny Polisy, miaraka amin’ny mpandraharahan’ny fonja, amin’ny fanohizana ny fikarohana. Ny minisitry ny Fitsarana izay nampitandrina ny fandraharahana ny fonja rehetra manerana ny Nosy, mba tsy hanao antsirambina ny fiambenana, fa hanamafy izany hatrany.




