PolitikaSongadim-baovaoToekarena

FAHATARAN’NY FANDOAVANA KARAMA SY FITAKIANA MISESISESY: Tsy olana ara-bola fa fanadiovana ny famoaham-bolam-panjakana

Mazava ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, omaly, mahakasika ny fahataran’ny fandoavana ireo karama sy tambin-karama, ary vola rehetra tokony haloan’ny Fanjakana kanefa tsy voaloa ankehitriny. Raha ny fanazavany dia tsy olana ara-bola no mahatonga izany, fa hetsika fanadiovana lehibe atao eo anivon’ny Fitantanam-bolam-panjakana, indrindra amin’ireo vola mivoaka.

Manam-bola ny Fitondram-panjakana, hoy ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Tsy olana ara-bola velively, araka izany, no mahatonga ny fahataran’ny fandoavana ny karama ny mpiasam-panjakana sy ny volan’ireo orinasa mpanamboatra lalana ao amin’ny Fonds Routier, raha ny nambarany. Notsindriany fa tsy maintsy hirosoana ny fanadiovana lehibe mba hialana amin’ny fandaniana ny volam-panjakana amin’ny tsy tokony ho izy, ka izany no antony nahatara ny famoaham-bolam-panjakana.

Ho an’ireo mpandraharahan’ny oniversite (PAT) manokana, efa vita ireo dingana rehetra amin’ny fandoavana ireo « indemnités de technicités » ary ho raisin’izy ireo tsy ho ela izany. Raha tsiahivina dia efa nitondra fanazavana mahakasika ireo mpandraharahan’ny oniveriste ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa andro vitsy lasa izay. Nivoitra tao anatin’izany ny tsy fifanojoan’ny lisitra avoakan’ny eny anivon’ny Oniversite, sy ny any amin’ny rafitra tokony hamoaka ny vola. Ny trangan-javatra tahaka izany no nanery ny tsy maintsy hanaovana fanadihadiana ho an’ireo izay tena tokony hisitraka ny karama sy ny tombontsoa marina.

Orinasa mpanamboatra lalana

Mahakasika ireo orinasa mpanamboatra lalana tsy nandray vola ao amin’ny Fonds Routiers kosa dia hita tamin’ny fanadihadiana lalina natao, fa misy amin’ireo orinasa izay manao fitakiana ankehitriny ireo, no mitaky vola tamin’ny asa izay tsy nataony akory amin’ny Fanjakana. Nilaza, noho izany, ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola fa efa vita tanteraka io fanadihadiana io ankehitriny, ka ireo orinasa izay tena niasa tamin’ny fikojakojana ny lalana ihany no handoavan’ny fanjakana vola. Misy ihany koa ireo orinasa izay manana asa tsy mbola vita hatramin’ny farany, ka tsy maintsy miandry ny fahavitan’ny asa izay vao afaka misitraka ny anjara volany. Ho an’ireo efa nahavita ny asany rehetra kosa dia hisitraka tsy ho ela ny anjara volany.

“Organismes Rattachés” ahitana fanodikondinam-bola…

Tetsy ankilany, nivoitra nandritra ny valandresaka niarahana tamin’ny mpanao gazety omaly fa araka ny fitsirihana natao, dia isan’ireo antony mahatonga ny fanodikodinana ny volam-panjakana ireo “organismes rattachés” na ireo rafitra miankina amin’ny Fanjakana eny anivon’ireo andrim-panjakana sy ireo minisitera maro samihafa eto amin’ny Firenena. Tsy azo ekena ny toe-javatra toy izany ka tsy maintsy napetraka ny lamina mba hisian’ny fitantanana tsaratsara kokoa ny fandaniam-bolam-panjakana. Ary indrindra hialana amin’ny fanodikodinana.

Mbola 38% ny fandaniam-bolam-panjakana

Tsara ho fantatra fa mbola ny 38% monja hatreto ny tahan’ny fandaniam-bolam-panjakana tamin’ity taona 2021 ity. Izany hoe, tsy mbola misasaka akory ny vola voafaritra ho ampiasaina ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2021. Araka ny fanazavan’ny Minisitra tomponandraikitra dia ny fahaelan’ny “Procédure” na ny fanarahana ireo pitsopitsony araka ny lalàna no mahatonga ireo minisitera rehetra taraiky vao tonga amin’ny famoaham-bola ao anatin’ny tetikasa iray. Amin’izao akaiky ny faran’ny taona izao dia efa saika nahavita io “procedure” io avokoa ny Minisitera rehetra, ka azo antoka ny hihazakazahan’ny famoaham-bolam-panjakana ato anatin’ny roa volana farany. Noho izany, raha toa ka ny faran’ny volana Novambra no voafaritra hatramin’izay fa hifaranan’ny famoaham-bolam-panjakana, dia hahemotra any amin’ny tapaky ny volana Desambra izany amin’ity taona 2021 ity.

Fermer