Songadim-baovao

Distrikan’i Mandritsara : Maty voatifitra ilay dahalo raindahiny nokarohina fatratra

Dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe Leberihely no maty lavon’ny zandary tao amin’ny Ambodimangahely, Kaominina ambanivohitra Tsaratanàna, distrikan'i Mandritsara. Saika hitifitra ilay dahalo raindahiny, tamin’ny basy poleta vita gasy teny an-tanany, no voatifitry ny mpitandro filaminana, nandritra ny fitsoahana nataony...

    Ilay dahalo raindahiny lavon’ny zandary.

Nahazo fampandrenesana avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny Kaomandy ny  vondron-tobim-paritra ny Zandarimariam-pirenena Mandritsara, ny alarobia lasa teo,  fa niverina ao Ambodimangahely,  Kaominina ambanivohitra Tsaratanàna, distrikan’i Mandritsara i Leberihely izay nilefa ka nokarohina mafy. Taorian’ny asa fanafihana mitam-basy nifanesisesy narahina vono olona, izay naha voatonona ny anarany tamin’ny volana aprily 2021 lasa teo, no efa nokarohina fatratra izy. Tokony tamin’ny 10 ora alina,  nalefa nidina tany an-toerana ny Zandary miisa enina izay notarihin’ny lehiben’ny EPJ Mandritsara, mba hiroso amin’ny fisamborana,  raha toa ka nanao tan-tsoroka azy ireo ny Kapiteny kaomandy ny Vondron-tobim-paritra Mandritsara, niaraka tamin’ny Zandary miisa efatra hafa, izay tsy niara-dalana. Vokany, afakomaly alakamisy, tokony tamin’ny 1 ora sy sasany maraina, dia tonga tany an-toerana ireo Zandary ireo. Raha vao naheno ny dian-tongotr’izy ireo teo ivelan’ny fefy sy ny vovon’alika ilay olon-dratsy dia nirifatra nandositra nivoaka ny trano sady namaky ny fefy.  Niezaka nanenjika ireo Zandary ka tery teo amin’ny lalankely anelakela-trano sy valan’omby tao an-tanàna izy. Ka raha voatsilo « torche » iny ity jiolahy, saika hamaly tamin’ny tifitra ilay dahalo raindahiny,  satria  nisy basy poleta vita gasy teny an-tanany. Nanoloana izany, tsy maintsy niaro tena ary  nampiasa basy avy hatrany ny Zandary ka voan’ny bala teo amin’ny tratrany. Vokany,  maty noho ny ratra nahazo azy izy.

Hafainganina ny tatitra…

Mivarotr’aina ny mpitandro filaminana hampandry fahaleman ny vahoaka.

Nandritra ny fitsirihana natao moa, nahitana balana basim-borona « Calibre 16″ iray latsaka teo amin’ny tany, niaraka tamin’ilay poleta vita gasy, izay saika nahavoazany ny Zandary tojo azy.  Dahalo raindahiny antsoina hoe Berinaly fantatry ny rehetra hoe : Leberihely,  50 taona eo ho eo. Tsy manana anton’asa sy toeram-ponenana mazava no sady tsy manana kara-panondrom-pirenena, araka ny tenin’ny ray aman-dreniny. Nidina avy hatrany tany an-toerana  koa ny Dokotera rehefa nahazo fiantsoana, mba hanao ny fizahana ny razana. Efa nanaovana tatitra ny zava-nisy avokoa ny manampahefana rehetra ao Mandritsara, hatrany amin’ny Renivohitra ny Faritra Sofia. Bala iray « lot 98-61 – 7,62mm », izay an’ny tobim-paritra  Mandritsara no niasa tamin’izany. Hafainganina ny tatitra sy ny mifandraika amin’izany manontolo. Nankasitrahan’ny vahoaka izao fandraisana andraikitra manadio ny faritra maloto izao, satria misy tamin’ireo nalaina am-bavany no mihorohoro andro aman’alina, kanefa olona eo an-toerana ihany, vokatry ny hafitsok’io dahalo io. Efa maro ny asa ratsy vitan’ity dahalo raindahiny ity. Misokatra ny fanadihadiana ka ny EPJ Mandritsara no misahana izany.

Fermer