PolitikaSongadim-baovao

FANODINKODINANA 596 TAPITRISA ARIARY TAO SOFIA: Naiditra am-ponja vonjimaika ny delegem-paritry ny fanarahamaso ara-bola teo aloha

Firaisana tsikombakomba tamina raharaha fanodinkodinam-bola mitentina hatramin’ny 596 tapitrisa ariary no naha voarohirohy ny Delegem-paritry ny fanarahamaso ara-bola tao amin’ny Faritra Sofia teo aloha, ka niakarany fampanoavana ny 03 Novambra 2021 lasa teo. Taorian’ny fanadihadian’ny samihafa dia nampidirina am-ponja vonjimaika ity mpiasam-panjakana ambony ity, miandry ny fitsarana azy.

Ny alarobia 03 Novambra 2021 lasa teo no niakatra fampanoavana tao amin’ny “Pôle Anti-Corruption” (PAC) na ny Fitsarana Iadiana amin’ny Kolikoly ao Mahajanga ny delegem-paritry ny fanarahamaso ara-bolan’ny Faritra Sofia teo aloha. Raharaha izay efa naha tafiditra ny Lehiben’ny Faritra Sofia teo aloha, no mbola naha voasaringotra ity tomponandraiki-panjakana ambony ity ihany koa.  Araka ny loharanom-baovao akaiky ny famotorana, dia firaisana tsikombakomba tamin’ny fanodinkodinana volam-panjakana maherin’ny 596 tapitrisa ariary no vesatra hanenjehana an’ity tomponandraikitra teo aloha ity.  Raha ny fanampim-panazavana hatrany dia nahitana lesoka goavana ny fanarahamaso ny vidin-javatra na ny “Prix” mipetraka anatin’ireo fifanarahana samihafa teo anivon’ny Faritra. Tahaka izany ihany koa ny tsy fahatomombanan’ny fanarahamason’ireo asa vita, kanefa namoaham-bola.  Ireo rehetra ireo no vesatra nanenjehana azy, ka nahatonga ny Fitsarana nanapa-kevitra ny hampiditra azy am-ponja vonjimaika.

Raha tsiahivina, ny 21 Jona 2021 teo no niakatra fampanoavana voalohany ity raharaha ity, ka olona miisa sivy izay voarohirohy tamin’ny raharaha no naiditra am-ponja vonjimaika, tafiditra ao anatin’izany ny Lehiben’ny Faritra Sofia teo aloha, izay heverina ho tompon’antoka voalohany tamin’izao raharaha izao. Mitohy hatrany, araka izany, ny fanadihadiana rehetra mahakasika ity raharaha eo anivon’ny PAC.

Finiavana hiady amin’ny Kolikoly

Andalana tanteraka ny fahatanterahan’ny Velirano fahatelo nataon’ny Filoha Andry Rajoelina, mahakasika ny ady amin’ny kolikoly, ankehitriny. Azo ambara ho nahitam-bokany ny fitsirihana ireo trangana kolikoly sy fanodinkodinam-bola maro izay hita tato anatin’ny roa taona mahery izay. Araka ny tatitra momba ny « Indice de la Perception de Corruption 2020 », nahazo isa iray Madagasikara raha mitaha amin’ny taona 2019. Raha tsiahivina, 24 amin’ny isa 100 no azon’I Madagasikara tamin’io taona 2019 io. Ho an’ny taona 2020 kosa anefa, tafiakatra 25 amin’ny 100 ny isa. Azo ambara ho kely ny fitomboan’ny naoty azo saingy ny zava-dehibe dia ny firosoan’ny ady amin’ny kolikoly eto amintsika, izay anisany fanamby goavana nataon’ny Filoham-pirenena. Nanamafy ireo mpisehatra eo amin’ny fanarahamaso ny kolikoly eto amintsika fa ny ezaka nataon’ny Fanjakana tamin’ny lafin-javatra sasantsasany teto amin ‘ny firenena no anisany nampiakatra io toerana misy an’i Madagasikara io.

Fermer