Songadim-baovaoToekarena

FISOKAFAN’NY SISIN-TANY : Sidina roa avy any Eoropa nitondra mpandeha miisa 640, nigadona tetsy Ivato omaly

Ny sidina voalohany nataon’ny Kaompania Madagascar Airlines sy ny sidina nataon’ny Air France no nisantatra ny fisokafan’ny sisintanin’i Madagasikara ho an’ny Firenena Eoropeanina omaly 07 Novambra 2021, araka ny efa tapaky ny Filankevitry ny Minisitra momba ny daty hisokafan’ny sisintany. Miisa 640 ny fitambaran’ireo mpandeha tamin’ireo sidina roa ireo, ary voahaja tanteraka ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19.

Araka ny tapaka nandritra ny Filakevitry ny Minisitra ny datin’ny 13 Oktobra 2021 lasa teo, dia ny 06 Novambra no voafaritra fa hisokafan’ny Sisintanin’I Madagasikara ho an’I Eoropa, raha toa kosa ka efa ny 23 Oktobra 2021 teo ny fisokafana ho an’ireo Nosy aty amin’ny Ranomasimbe Indianina. Omaly, araka izany, no nigadona ireo sidina roa voalohany nisantatra izany fisokafan’ny sidina avy any Eoropa izany. Tamin’ny 12ora alina sy 40 minitra no voalaza fa nigadona teny Ivato ny sidin’ny Kaompania Air France, izay nitondra mpandeha miisa 400. Tamin’ny 08ora sy 30 minitra kosa no nigadona ny sidina Madagascar Airlines, izay nitondra mpandeha 240. Tsara marihina fa iny omaly iny ihany koa no sidina voalohany nataon’ny Kaompania Madagascar Airlines taorian’ny fanaovana samihafa natao teo anivon’ny Kaompania sy ny fikatonan’ny sisintany nandritra ny fotoana naharitra.

Nohajaina ireo fepetra

Nandritra ny fahatongavan’ny sidina roa omaly dia nojeren’ny tomponandraiki-panjakana tamin’ny alalan’ireo Minisitra roa voakasika ny fanarahana ny fepetra rehetra amin’ny fandraisana ireo mpandeha avy any ivelany. Tsy miova, araka izany, ny fepetra ara-pahasalamana sy ny lamina rehefa efa napetraka ho fifehezana ny fisokafan’ny sisintany. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovan’ny mpandeha rehetra fitiliana PCR avy hatrany amin’ny fotoana hahatongavany eo amin’ny seranam-piaramanidina. Aorian’izay dia mitoka-monina any amina trano fandraisam-bahiny avy hatrany mandrapahazo ny valin’ny fitiliana. Noho izany, tsy mivoaka ny trano fandraisam-bahiny ireo mpandeha ireo, raha tsy mivaly ka voamarina fa tsy voan’ny Covid-19 izy ireo. Tsy tokony hihoatra ny 48ora izany, araka ny fanazavana hatrany.

Fihaonana amin’ny mpandraharaha any ivelany

Nohamafisin’ny Minisitry ny Fizahantany, Joel Randriamandranto omaly, fa efa napetraka daholo ny paikady, hahazoana mampihena na misoroka ny fidiran’ny valanaretina eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany, hoy izy, ny fisokafana tsikelikely hahafahana manamafy ny fanarahamaso. Ho an’ny tontolon’ny fizahantany, dia efa manomboka manetsika ireo mpandraharaha rehetra any ivelany ny Minisitera tomponandraikitra amin’izao fotoana, araka ny nambarany. Notsindriany fa hisy amin’ity volana ity ny fihaonana amin’ny mpandraharaha rehetra any ivelany amin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra, hamaliana ny fanontaniana sy ny ahiahin’izy ireo rehetra. Ankoatra izay, ny mpandraharaha malagasy dia ampihaonana amin’ireo mpandraharaha avy any ivelany ihany koa. Tanjona ny hamerenana ny fifandraisana ara-barotra misy eo amin’ny roa tonta. Fotoana ihany koa iny omaly iny nanambaran’ny Minisitra tomponandraikitra fa hamoaka vokatra ara-pizahantany vaovao ho an’ny faran’ny taona ny Minisitera. Izany rehetra izany no natao dia mba hampiroboroboana hatrany ny fizahantany.

Fermer