Songadim-baovaoSosialyToekarena

TETIKASA TELEPHERIQUE : Efa mandeha ny fitsirihana ny toetoetry ny tany amin’ireo toerana hametrahana ireo gara sy pylônes

Miroso amin’ny dingana lalindalina kokoa ny fanatanterahana ny tetikasa transport par câble eto Antananarivo ka nanomboka omaly 10 novambra 2021 dia manatanteraka ny fitsirihana ambany tany na travaux de sondage ny orinasa Colas amin’ireo toerana rehetra hametrahana ny gara sy ny andry lehibe (pylône).

Ho an’ireo zotra roa hapetraka dia miisa 12 ny gara ary 78 ireo andry lehibe ka toerana miisa 15 amin’izy ireo eo anelanelan’ny Soarano, Ambohijatovo sy Anosy no hanatanterahana ny fitsirihana aloha amin’ity taona ity. Tohizana manomboka amin’ny tapaky ny volana janoary 2022 ny sisa amin’ireo toerana hafa.

Maharitra 2 na 3 andro eo ny fanatanterahana ny fitsirihana ho an’ny toerana tsirairay ka hidina hatrany amin’ny 20m na 25 metatra ambanin’ny tany hahatrarana ny vato any ambany izany (substratum rocheux). Izany no atao dia mba hahafahana mamaritra ny fototra hapetraka aoriana ary indrindra hisorohana ny loza rehetra mety hitranga amin’ny lafiny ara-jeolojika, araka ny fanazavana avy amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana. Efa misy, rahateo, ny fandaminana apetraky ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ho an’ireo toerana fivezivezen’ny rehetra mandritry ny fotoana hanatanterahana izany.

Omaly nandritra ny Filankevitry ny Minisitra no nankatoavina ny didim-panjakana manambara ho tombontsoan’ny daholobe ny fanatanterahana ny asa fametrahana « câbles téléphériques » eto Antananarivo. « Mba hiarovana ny zon’ny tompon’ny tany voakasiky ny asa dia nisy ny fanadihadiana ara-pitantanana (enquête commodo sy in commodo) takiana amin’io tetikasa io. Noho izany, araka ny valin’ireo fanadihadiana natao, ity didim-panjakana ity dia manambara ho tombotsoan’ny daholobe ny fanatanterahana ireo asa fanamboarana sy fanajariana ireo fotodrafitrasa momba ny fitaterana amin’ny alalan’ny « câbles téléphériques » eto Antananarivo », hoy ny tatitra omaly.

Fermer