Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

HANDBALL TOMPON-DAKAN’I MADAGASIKARA Im-balo nisesy nibata ny amboara ny ekipan’ny THBC

Voatazon’ny ekipan’ny Tanà HandBall Club (THBC) sokajy vehivavy, hatrany, ny anaram-boninahitra amin’ny maha tompon-dakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja Handball, azy. Anisany nanamarika io fandresena fanim-balony io ny nandrombahany indray ny amboara tompon-dakan’i Madagasikara tamin’ny lalao fifaninanana notanterahina tao an-dRenivohitry ny faritra Boeny, ny 29 oktobra ka hatramin’ny 07 novambra lasa teo.

Tsiambaratelon’ny fahombiazan’ny ekipan’ny THBC sokajy vehivavy ity hatramin’izay ny fanajana fitsipika anaty hifampifehezan’izy ireo, raha ny fantatra. Nandritra io lalao nandraisany anjara tao Mahajanga io, dia voalazan’ny Kapiteny, Ravelonjaka harimanantsoa Aina, fa samy nahatana ny fifehezan-tena avokoa ireo mpilalao. Ankoatra io fahafezan-tena io, fantatra nandritra izany fa nanana tombondahiny teo amin’ny ara-batana sy ara-teknika ihany koa, ny ekipan’ny THBC, ka nahazoan’izy ireo izao fandresena izao indray. Eo koa ny firaisan-kinan’ny samy mpilalao sy ny mpitarika, ary koa ny  fahamatoran’ny mpanazatra tamin’ireo fifaninanana rehetra teto an-toerana sy tany ivelany. Nambaran’ny mpanazatra, fa anatin’ny ekipa nasionaly avokoa ny ankamaroan’ireo ekipa, antony hananan’izy ireo traikefa. Raha tsiahivina, nivoaka ho tompon-dakan’i Madagasikara fanim-balony teo amin’ny salan’isa 25 noho 20 manoloana ny ekipan’ny MYSAH HBC ny THBC, izay samy avy eto Antananarivo, nandritra ny lalao famaranana. Ankoatra io fibatany amboara eran’ny Nosy nisesy io, efa in-telo nibata ny amboaran’ny Ranomasimbe Indiana koa, ny ekipa. Ny Governoran’ny faritra Bongolava, Jeneraly Ramiaramanana Joseph, no Filoha mpanorina ity ekipan’ny THBC ity, ary mbola mijanona ho filohany hatramin’izao. Nambarany tamin’izany, fa eo koa ny fifanampian’ny samy mpilalao anatin’ny ezaka rehetra notanterahina. « Tsy manana ny ampy akory izahay, fa miezaka hatrany hanatratra ny tanjon’ny fandresena. Na izany, aza, noho ireo lalana maro mbola hodiavina dia mahatsiaro manana Raiamandreny izahay, manana ny Filohan’ny Repoblika, izay efa nanampy anay hatramin’izay », nanampy fanazavana ny Governora.

Hanomana ny lalao hatao atsy La Réunion…

Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny Filohan’ny THBC

Taorian’iny fahazoana tompon-dakan’i Madagasikara farany teo iny, fantatra fa an-dalam-panomanana sahady ny lalao hiadiana izay ho tompon-dakan’ny Ranomasimbe Indiana izay hotanterahina ao La Réunion, ny volan jona 2022 ny ekipan’ny THBC, eo amin’ny ara-batana sy ara-teknika. Nambaran’ny Governora sady filohan’ny THBC, fa tsy dia hitan’ny olona loatra ny taranja Handball eto Madagasikara. Na izany aza, miezaka hatrany ireto anaty ekipa ny hanasongadina sy hitondra ny anaram-boninahitr’i Madagasikara amin’io taranja io. Efa hananika ny fetran-taona tsy ho afaka milalao intsony ny ankamaroan’ireo mpilalao ao amin’ny THBC, ary amin’izao fotoana dia efa mijery sahady izay handimby azy ireo ny tompon’andraikitra, manomboka ny 19 novambra ho avy izao.

Fermer