PolitikaSongadim-baovao

FAHAVITAN-TENA AMIN’NY ANDRAIKITRA RAISINA Tombony ho an’ireo Govenora sy Ben’ny tanàna ny fampivondronana tao Antsirabe

Ho fanatsarana ny fomba fiasa eo amin’ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, sy ireo olom-boatendry isan-tsokajiny misahana asam-panjakana, toy ny Governora, dia nisy ny fampivondronana nataon’ny Fitondram-panjakana tao an-dRenivohitr’i Vakinankaratra, nandritra ny roa andro nifarana omaly…

Ankoatra ny fanatsarana fomba fiasa, dia ny fametrahana amin’ny toerany ary ho fanomezan-danja ireo tompon’andraikitry ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana no anton’ny fampivondronana natao ny 08 sy 09 novambra tao Antsirabe, io. Tsapan’ny Fitondram-panjakana foibe ny olana mianjady amin’ny fandrindran’asam-panjakana, ka ho fisorohana izany no anton’io fampivondronana io. Samy nandray anjara tamin’izany avokoa ny Ben’ny tanàna maro, ny Governoran’ny faritra, ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny samihafa. Nambaran’ny Praiministra lehiben’ny Governemanta nandritra ny fanokafana ny fotoana afak’omaly, fa ny Govenora sy ny Ben’ny tanàna no kitro hifaharan’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana eny ifotony, ary mendrika fanohanana. « Fantatry ny Filoham-pirenena ny olana sedrain’ireo Ben’ny tanàna, satria efa nandalo Ben’ny tanàna ny tenako ka tokony tsy hanana fanahiana », hoy ny Praiminisitra. Fantatra, fa « ny fampahombiazana ireo tompon’andraikitry ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, amin’ny maha mpiantsehatra azy ireo amin’ny fisandratan’i Madagasikara » no lohahevitra nodinihina nandritra ireo roa andro ireo. Nanotrona sy nandray anjara tamin’ny fikaonan-doha sy atrikasa natao tao Antsirabe io ny Governoran’ny Faritra Bongolava, Jeneraly Ramiaramanana Joseph. Nifanindran-dàlana tamin’io fampivondronana io ny fifanaovan-tsonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny Ministeran’ny atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ary ny CNAPS. Zava-dehibe tao anatin’izany ny fanafoanana ireo tetibola tsy nohefain’ny kaominina hatramin’ny taona 1960 ka hatramin’ny taona 2016, tsy maintsy hefaina kosa nanomboka ny taona 2017. Tompomarika tamin’ny fampivondronana io ny Ministeran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny mpiara-miombon’antoka vatsian’ny Banky iraisam-pirenena PAPSP-PRODIGI, ary tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana ny velirano faha-12 napetraky ny Filoham-pirenena izao, dia ny fahavitan-tena sy fandraisan’andraikitry ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana eny ifotony. Mpikamban’ny Governemanta miisa efatra kosa, no tonga nanotrona ny Praiminisitra tamin’ny fanokafana io fampivondronana io, izay nahitana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, sady Minisitra miahy ny faritra Vakinankaratra, Rakotondrazafy Lalatiana Andriatongarivo.

Fermer