PolitikaSongadim-baovao

RAVALOMANANA, RAJAONARIMAMPIANINA, R.RATSIRAKA, … : Nampiraisin’ny fankahalana ny Fitondrana Rajoelina

Taona vitsy sisa dia tonga ny 2023. Efa manomboka tsy mahatombon-tsiraka ireo sokajina ho mpanao politika efa havanana amin’ny fitadiavan-tseza sy fahefana. Kely tokoa mantsy ny vintana ho an’izy ireo, raha izany fifidianana amin’ny taona 2023 izany no asian-teny, noho ny fihazakazahan’ny fampandrosoana tanterahin’ny Fitondrana ankehitriny, izay tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina. Ny fikotrehina fanakorontanana sisa, na mivantana izany na ankolaka, no hany herin’izy ireo hahafahana maka fahefana.

Mihemotra hatrany hono i Madagasikara ka ahoana no hahafahana miala amin’izany? Io no foto-kevi-dehibe nitondran’ireo vondron’ny mpanohitra ny adihevitra tetsy Anosy, ny faran’ny herinandro teo, raha nitsikera ny Fitondrana Rajoelina izy ireo. Isan’ireo lohandohan’ny mpisorona tamin’izany ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, ny Solombavambahoaka Roland Ratsiraka, ary ireo mpanao politika sy mpitarika antoko politika manohitra ny Fitondrana mijoro ankehitriny. Rehefa henoina ny fanehoan-kevitra nandeha rehetra nandritra ny fihaonana teo amin’izy ireo, dia tsy hita izay tena foto-kevitra mazava hijoroana fa toa hevitra mifototra amin’ny fankahalalana ny Fitondrana Rajoelina no nisesisesy.

Isan’ny nivoitra nandritra ity fihaonana nataon’izy ireo ity ny amin’ny hoe mariky ny tsy fahaiza-mitantana ny niarahan’ny Fitondrana malagasy niasa tamin’ny Rothschild & Co. Raha tsiahivina anefa ny fanazavana nentin’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo mahakasika an’io, dia mazava fa ny “Rothschild & Co” dia “cabinet de conseil”. Izany hoe, mpanolontsaina, manome torohevitra fa tsy mpanapa-kevitra. Tsy ankinina amin’ny “Rothschild & Co” ny fanapahan-kevitra mahakasika ny fitantanana ny firenena malagasy, na dia eo aza ny fiarahamiasa aminy. Torohevitra no andrasana aminy, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta. “Cabinet” efa manana traikefa eo amin’ny fitadiavana mpampiasa vola vahiny ny “Rothschild & Co” any amin’ny Governemanta sy  Firenena maherin’ny telopolo maneran-tany. “Tsy isika Malagasy irery no miditra amin’izany, fa efa fanaon’ny Governemanta sy firenena andalam-pandrosoana tahaka antsika ny maka azy ireo”, hoy hatrany ny fanazavana.

“Tsy nisy tao anatin’ny 60 taona…”

Tetsy ankilany, raha ho an’ingahy Roland Ratsiraka manokana, isan’ny tsy zakany ny mihaino ny Filoha Andry Rajoelina milaza matetika fa tsy nisy nanao tao anatin’ny 60 taona ny zavatra ataony. Tsy misy mahadiso an’izany tokoa nefa raha ny zava-bitan’ny Fitondrana ankehitriny no jerena, raha tsy hilaza afatsy ireo CSB sy EPP Manarapenitra maro manerana ny Nosy izay efa mijoro ankehitriny isika. Eo koa ny fanaovana ho maoderina ny kianja Barea sy ny fitaovam-pitaterana eto an-drenivohitra, ny fampiasana teknolojia vaovao tamin’ny fanaovana ny karinem-pokontany sy ny sisa. Ireo fotsiny dia efa manamarina ny tenin’ny Filoha fa tsy nisy nanao tao anatin’ny 60 taona. Ny fitenenana izany anefa tsy midika hoe tsy nanao na inona na inona ireo mpitondra teo aloha,  fa tsy vitsy kosa ireo zavatra tena nisongadina sy zava-baovao nentin’izao fitondrana mijoro ankehitriny izao.

“Ravao ny Ceni” ?

Voizina nandritra ny fihaonana ihany koa ny hoe “Ravao ny Ceni” mijoro ankehitriny. Iniana averimberina foana hoe olon’ny Fitondrana daholo no mandrafitra ny Ceni ankehitriny, ka tsy azo antoka ny tsy fitanilanan’ireo mpikambana. Ny tsara tsindriana anefa dia tsy ny Filoha na ny Fitondrana ankehitriny mihitsy no nametraka ny lalàna mamaritra ireo olona mandrafitra ny ceni. Lalàna efa teo no narahina. Raha nanova ny lalàna mifehy ny Ceni ny Filoha Andry Rajoelina dia izay no tsy nety. Ny lalàna no narahina, dia niankina tamin’izay ihany koa ny fanendrena rehetra nandeha.

Miketrika tombontsoa iombonana?

Amin’ny ankapobeny dia tsotra no azo andikana ireny fiarahana tetsy Anosy teo ireny. “Miketrika ny hionganan’ny Fitondrana Rajoelina mialohan’ny 2023 satria azo antoka fa kely ny vintana handresen’izy ireo amin’izany fifidianana izany”. Hita fa mihazakazaka ny fampandrosoana amin’izao fotoana izao, ka tiana ho finganina. Ny tombontsoa iombonan’ireo mpanao politika mpanohitra ireo dia ny firodanan’ny Fitondrana ankehitriny. Aorian’izay ireo samy mitady fahefana daholo fa tsy misy mikatsaka izay hahasoa ny vahoaka.

Ho an’ingahy Roland Ratsiraka izay voalohany mitabataba ankehitriny, efa isan’ireo nitondra teto amin’ny firenena izy, fa mba inona no nataony? Tsiahivina fa efa Minisitry ny fizahantany ny tenany, efa minisitry  ny asa vaventy ihany koa, ary efa ben’ny tanàna. Tsy hita soritra mazava anefa ny tena asa vitany. Ankehitriny, izy indray no mitabataba manenjika ny Fitondrana Rajoelina, izay manana vokatra azo raisina tsara. Ny mahagaga ny rehetra aza dia ny voalaza fa fifamelana teo aminy sy ny Filoha teo aloha Ravalomanana, ny sabotsy teo. Nambaran’ny Filoha Ravalomanana fa tsy ny tenany no nanome baiko nanagadra an’ingahy Roland Ratsiraka tamin’ny fitondrany. Raha tsiahivina anefa dia ny tenany izao mihitsy no nanao kabary nanome baiko ny hisamborana an’I Roland Ratsiraka, ary notadiavina izay toerana nisy azy. Efa miparitaka ny horonantsary mirakitra izany teniny izany. Izany no manamarina ny hoe ny fankahalana ny Fitondrana Rajoelina no nampiray azy ireo, fa olona samy mikatsaka ny tombontsoa manokany avokoa izy ireo.

Ny Fanoratana.

Fermer