Songadim-baovaoToekarena
TAOM-PIOTAZANA 2021: Letisia 16.000 taonina no kasaina haondrana
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly tamin’ny 04ora tolakandro ny taom-piotazana sy fanondranana letisia eto Madagasikara, ho an’ity taona 2021 ity. Efa nipetraka ny rindran-damina rehetra amin’ny fiatrehana izany, toy ny fametrahana ny birao tokana handraharahana ny letisia amin’ity taom-piotazana ity.
Napetraka ary efa misokatra nanomboka ny 10 novambra 2021 lasa teo ny birao tokana handraharahana ny letisia ho an’ity fotoam-piotazana 2021 ity. Hita ao amin’ny ivon-toeran’ny Faritra Atsinanana izany. Isan’ny toerana notsidihan’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy nandritra ny fandalovany tany Atsinanana ity birao tokana handraharahana ity, afak’omaly. Araka ny fanazavana, natokana hanamorana ny fikarakarana ireo dingana ara-panjakana rehetra mikasika ny fitaterana sy fanangonana ireo vokatra letisia ny ivon-toerana. Raha ny antontanisa dia manodidina ny 1500 ireo mpanangom-bokatra ho amin’ity taona ity ary miisa 500 eo ho eo ny fiara hitatitra ny vokatra. Nitombo ny taham-pamokarana raha oharina tamin’ny taona lasa, hoy ny manam-pahefana any an-toerana. Vinavinaina ho 16.000 taonina kosa ny letisia haondrana amin’ity taona ity. Tsikaritra araka izany fa hizotra am-pilaminana ny fotoam-piotazana izay mamaly ny fepetra iraisam-pirenena.
Nisaotra manokana ireo mpiara-miombona antoka sy mpisehatra rehetra ao anatin’ny rojom-piharian’ny letisia ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana satria nahomby ny asa na dia ao anaty fahasahiranana ara-pahasalamana aza ny firenena.
Vokatra mamelona olona maro
Nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, nilaza ny Governoran’ny Faritra Atsinanana, fa ny vokatra Letisia no mampidi-bola betsaka indrindra amin’olona maro indrindra, raha ao amin’ny Faritra Atsinanana manokana. Manginy fotsiny, hoy izy, ny vola miditra amin’ireo Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana (Région, Communes) sy Sampan-draharaham-panjakana maro. Eo ihany koa ny an’ny mpanondrana, mpitatitra, seranan-tsambo…
Tsara marihina fa ny Governora Rafidison Richard, notronin’ny Préfet Razafiarison Jean Jugus, no mitarika ny fisokafan’ity taom-piotazana ity tamin’ny fomba ofisialy tao Analamalotra, miaraka amin’ireo tompon’andraikitra maro mpisehatra anivon’ity asa fandraharahana ity. “Tsy adinon’Andriamatoa Governora ny nitsodrano ireo mpiantsehatra rehetra ary nanentana amin’ny fanajana ny fahadiovana sy ny tokony hitandreman’ireo mpamily mba ho taom-piotazana lavitry ny loza ity taom-piotazana ity”, hoy ny fampitam-baovao.
Tamberimbidy ho an’ny Faritra sy ny Kaominina
Raha ho an’ny ao amin’ny Faritra Analanjirofo manokana, vinavinaina ho 1 500 taonina ny vokatra letisia mety hivoaka ao ao an-toerana mandritra ity taom-piotazana taona 2021 ity. Nanatintrantitra ny tsy tokony hisian’ny fanararaotana ny Governoran’Analanjirofo, ny Dr Marcellin Randriamanantena. Na izany aza, tsy maintsy misy hatrany ny tamberimbidy aloan’ny mpisehatra amin’ny letisia, any amin’ny Faritra sy ny Kaominina. 40 ariary isaky ny kilaon’ny Letisia no fitambaran’izany tamberimbidy mankany amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana izany, ka ny 20 ariary dia ho an’ny Kaominina, ary ny 20 ariary hafa kosa ho an’ny Faritra.




