Non classéSongadim-baovaoToekarena

LALAM-PIRENENA FAHAROA: Hisokatra ho an’ny taksibrosy sy ny fiara tsotra

Ankoatra ny fiverenan’ny fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra, isany nambaran’ny Filoha koa fa hanomboka hiverina tsikelikely ny zotra mampitohy amin’ny any amin’ny faritany. Isany hisantatra izany manomboka ny sabotsy izao ny mampitohy an’Antananarivo sy ny Faritra Atsinanana. Nitondra fanampim-panazavana bebe kokoa mahakasika izany ny Minisitry ny Fitaterana, Randriamandranto Joel, omaly…

Isan’ireo fepetra voalohany noraisin’ny Fitondram-panjakana ny fanajanonana avy hatrany ny fitateram-bahoaka raha vantany vao niditra teto amintsika ny valanaretina. Ankehitriny, efa mihena be ny tahan’ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina, ary efa nohalefahana amin’ny ankapobeny ireo fepetra noraisina rehetra. Araka izany, nanamafy ny voalazan’ny Filoham-pirenena ny minisitry ny Fitaterana, Fizahantany ary ny famantarana ny toetrandro, Randriamandranto Joel, omaly. Nilaza ny tenany fa hanomboka amin’ny Sabotsy izao ny fisokafan’ny “taxi-brousse” mampitohy an’Antananarivo sy ny Faritra Atsinanana, na rezionaly na nasionaly. Izany hoe, isany zotra hisokatra amin’ny sabotsy izao ny mihazo an’i Toamasina I sy II, Vatomandry, Mahanoro, ary Brickaville. Ary koa, afaka miasa ireo taxi-brousse manao zotra rezionaly mihazo an’i Manjakandriana sy Moramanga.

Fepetra tsy maintsy harahina

Na izany aza, misy ny fepetra tsy maintsy harahina, hoy ny minisitra tompon’andraikitra, izay efa nifampidinihana tamin’ireo mpitatitra rahateo. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy maintsy hampiasana “manifold”, ary fenoina antsakany sy andavany, eny am-piaingana. Ary tsy maintsy haseho amin’ny tompon’andraikitra any amin’ny toerana hahatongavana ny “manifold”, mba hanamarinana ireo mpandeha. Etsy ankilany, tsy maintsy mampiasa “gel désinfectant”, mialohan’ny hiditra sy hivoaka ny fiara ny mpandeha rehetra. Tsy maintsy fendrahana ranom-panafody koa ny fiara mialohan’ny hiasana. Manao arotava ny rehetra ao anaty fiara. Ny mpamily kosa tsy maintsy manao arotava sy visière miaraka, hoy hatrany ny fanazavana. Ny saran-dalana kosa dia tsy misy fiovana.“Koa satria efa sokafantsika ihany ny taxi-brousse dia ny fiara tsotra koa izany efa afaka mandeha amin’ny lalam-pirenena faharoa, amin’ny fanajana feno ny fepetra ara-pahasalamana rehetra”, hoy ny minisitra nanazava. Izany hoe, ho an’ny fiara madinika dia tsy tokony hihoatra ny olona efatra ny ao anaty fiara, ary tsy maintsy manao arotava sy ireo fepetra fisorohana rehetra. Tsy maintsy mandeha amin’ny atoandro kosa ny rehetra satria mbola mipetraka ny fepetra tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina.

Taksibe hiverina hiasa : Hiantohan’ny Unicef ny “Gel désinfectant”

Araka ny nambaran’ny Filoha, afaka manatanteraka ny zotra nahazoany “Licence” ireo fiara fitateram-bahoaka eto andrenivohitra manomboka ny alarobia izao. Tsy maintsy hajaina anefa ny fepetra rehetra, hoy ny minisitra omaly. Fepetra izay efa niarahana nidinika tamin’ny mpitatitra rahateo. Anisan’izany ny fampiasana “Gel désinfectant”. Ho an’ny taksibe manokana, ny Unicef no hiantoka ny “Gel désinfectant” mandritra ny 10 andro voalohany hiasan’izy ireo, araka ny fanazavana. Notsiahivin’ny minisitra Randriamandranto Joel fa isany fepetra tsy maintsy hatao ny fanaovana arotava, amin’ny fotoana hiverenan’ny taksibe. “Tsy maintsy manao visière ny mpamily sy ny resevera, tsy maintsy manao gant ny resevera. Tsy maintsy manaja ny fahadiovana izy ireo, ary tsy maintsy manao gilet”, hoy ny fanazavana. Ny fiara dia tsy maintsy fendrahana ranom-panafody isanandro. Tokony hanome saran-dalana tsy misy fameriny koa ny mpanjifa mba hisorohana ny fikirakirana vola be loatra. Etsy ankilany, hanamafy ny fampanarahan-dalàna ny mpitandro filaminana, miaraka amin’ny ATT, hoy izy.

Fermer