PolitikaSongadim-baovao

FILOHAN’NY HCDDED: “Misy ny demokrasia matoa mbola afaka miteny ny « Miara-Manonja »”

Misy ny demokrasia eto Madagasikara na dia mbola tsy tonga lafatra aza, hoy ny avy eo anivon’ny Filankevitra Ambony Miaro ny Demokrasia sy ny Tany tan-dalàna (HCDDED), omaly, tamin’ny alalan’ny Filohany, Navony Pierre Le Noble. Ny mbola fahalalahan’ny fahafahana miteny eto Madagasikara no manaporofo izany, tafiditra ao anatin’izany ny avy amin’ny fanoherana izay mitohy tsy tapaka manao ny fandaharana “Miara-Manonja” isan’andro.

Mihatra, ary miaina ao anaty Demokrasia isika eto Madagasikara ankehitriny. Manaporofo izany, hoy ny Filohan’ny Filankevitra Ambony Miaro ny Demokrasia sy ny Tany tan-dalàna (HCDDED), Navony Pierre Le Noble, ny fisian’ireo gazety marolafy izay mbola afaka miteny sy maneho hevitra. Eo koa ihany koa ny mbola fahafahan’ny mpanohitra miresaka sy manao ny fandaharana Miara-Manonja isan’andro amin’ny radio. Ireny rehetra ireny dia manamarina fa misy ny Demokrasia sy ny fahalalahana miteny eto Madagasikara.

Na izany aza anefa, mbola hita ho tsy tonga lafatra ny fampiharana izany Demokrasia izany, raha ho antsika eto Madagasikara manokana.  Izany indrindra no ilàna ny HCDDED, hoy ny Filohany, mba hanaramaso ny fampiharana izany sy ny tany tan-dalàna. Ankoatra ny mety sakantsakana samihafa ataon’ny manam-pahefana izay mety hitondra fanohintohinana ny Demokrasia, dia anisan’ny tranga mateti-piseho eto Madagasikara, indrindra tato anatin’ny fotoana maromaro, ny fihoaram-pefy amin’ny fanehoan-kevitra. Indraindray mivilana ny fanehoan-kevitra, hoy ny fanazavana, izay manaporofo ny mbola tsy fahaizana miaina ilay tena Demokrasia marina. “Tsy mahazo manopa na misy aza ny Demokrasia”, hoy hatrany ity tomponandraikitra ity.

Mbola nitondran’ny Filohan’ny HCDDED fanazavana ihany koa ny mahakasika ny fandraisan’ny Fanjakana ireo fepetra ara-pahasalamana maro samihafa nandritra ny vanim-potoan’ny Covid-19 izay voalaza fa nahavoatohintohina ny Demokrasia sy ny fahalalahana miteny. Notsindriany fa tsy maintsy noraisina ireny vokatry ny aretina. Na izany aza anefa, misy ireo zo fototra amin’ny maha olombelona izay tsy maintsy hajaina.

Tsara ho fantatra fa omaly no navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny Gazety boky “Demokrasia” izay avoakan’ny HCDDED isaky ny telo volana. Laharana faha 11 ity nivoaka omaly ity.

Ny Fanoratana.

Fermer