KolontsainaSongadim-baovao

« KABESON’NY MPANJAKA TOERA » : Hanampy amin’ny fampodiana azy an-tanindrazana ny Minisitry ny Kolontsaina frantsay

Nihaona tamin-dRamatoa Roselyne Bachelot, Minisitry ny Kolontsaina frantsay, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina malagasy, omaly, tolakandro. Lohahevitra iray lehibe nodinihana ny fanatanterahana ny fampodiana ny « Kabeson’ny Mpanjaka Sakalava TOERA », araka ny fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblika malagasy, Atoa Andry Rajoelina.

Efa miroso dia miroso ny fanadihadiana ara-teknika sy ara-tsiantifika (identification ADN) amin’ireo karandoha tehirizina ao amin’ny « Musée National d’Histoire Naturelles » na ny « Musée de l’Homme mba ahalalana izay tena Kabeson’ny Mpanjaka Toera, araka ny fanazavana azo taorian’ny fihaonan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, sy ny Minisitry ny Kolontsaina frantsay Roselyne Bachelot, omaly tolak’andro. Naneho ny fahavononany hanampy amin’ny dingana rehetra mbola hatao ao anatin’izay fampodiana ny Kabeso izay ny Minisitry ny Kolontsaina frantsay, ary hijery ny pitsopitsony araka ny lalàna ny roa tonta ahafahana manatanteraka izany faran’izay haingana.

Tao anatin’io fihaonana io koa no nanambaran-dRamatoa minisitra Lalatiana Andriatongarivo ny fangatahan’ny firenena malagasy hampody ireo vakoka ara-kolontsain’i Madagasikara izay mbola tazomin’ny firenena frantsay. Tapaka tao anatin’ny diniky ny roa tonta ny handefasana mpikaroka malagasy hamantatra ireo vakoka malagasy ireo, indrindra ireo tehirizina any amin’ny Mozea frantsay. Izany dia mba ahafahana miroso amin’ny fanisana mazava azy ireo na « inventaire » mialohan’ny hampodiana azy rehetra aty Madagasikara.

Fampiofanana ao amin’ny ANAC

Ankoatra izay dia voaresaka nandritra ny fihaonan’ny roa tonta koa ny lafiny fiarahamiasa eo amin’ny sehatry ny sarimihetsika, ny boky sy ny vaky boky, ary ny vakoka amin’ny ankapobeny.Noresahan’ny minisitra malagasy ny fisian’ny tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika dia ny fananganana ny « Académie Nationale des Arts et de la Culture » na ny ANAC, ka nangatahany fiarahamiasa eo amin’ny fampiofanana ireo tanora izay handranto fahaizana eo anivon’ny ANAC. Anisan’izany ny fandefasana mpampiofana matihanina avy any Frantsa ho aty Madagasikara eo anivon’ny ANAC. Nanaiky izany avy hatrany ny minisitra frantsay ka nanao sosokevitra ny hametrahana ny fifanaraham-piaramiasa ara-kolontsaina eo amin’ny Frantsa sy Madagasikara mba hanatanterahana izany vinam-piarahamiasa eo amin’ny lafiny maro ara-kolontsaina izany. Naneho ny fahafaham-pony tamin’ny fihaonana ny roa tonta ary hiroso avy hatrany amin’ny fanatanterahana izay voadinika.

Fermer