PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

VOLAMENA 23,5KG TRATRA TAO SEYCHELLES: Nangina ny raharaha, ahina ho tafaporitsaka any Dubai ny tena atidoha

Mandra-pahoviana no hanjakan’ny tsimatimanota sy ny kolikoly ary ny tsy fanarahan-dalàna ny eto Madagasikara? Raha toa ka efa miezaka manao ny asany ireo ambaratongam-pahefana sasany, toa mampametra-panontaniana kosa ny finiavana hampanjaka ny tsy fahamarinana any amin’ny sehatra sasany. Hatreto, raha ny raharaha volamena 23,5kg tratra tany Seychelles tamin’ny Oktobra teo no asian-teny, dia hita fa tena nangina tanteraka ary tsy nisy tohiny intsony ny raharaha. Vita ve ny fanadihadiana? Firy no nigadra? Iza avy, dia nalefa aiza avy? Ny loharanom-baovao marim-pototra no nahalalana fa efa tafaporitsaka nitsoaka any Dubai ny voalaza fa tena tompon’ireo volamena ireo.

Very an-javony tanteraka, ary tsy nisy tohiny intsony ny fanadihadiana mahakasika an’ilay volamena milanja 23,5 kg naondrana an-tsokosoko niainga avy tao Nosy Be, ny 12 oktobra 2021, ary tany amin’ny Nosy Seychelles vao tratra noho ny fiaraha-miasa tamin’ny Fitondram-panjakana any an-toerana. Araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Ladoany, dia irony sambo Catamaran irony no voalaza fa nitondra an’io volamena io ary teny ampovoan-dranomasina miala kely ny Seranan-tsambon’i Nosy Be no nampidirina an’io harena an-kibon’ny tany io. Izany hoe, nentina tamin’ny sambo hafa. Rehefa saron’ny manampahefana tany Seychelles io volamena 23,5 kg io, dia nisy olona iray hafa tsy niondrana tao amin’ny Seranan-tsambon’i Nosy Be tonga tany an-toerana. Nampodiana teto Madagasikara natao famotorana io olona io, dia tsy nisy tohiny intsony ny raharaha.

Nitsoaka any Dubaï ?

Nisy ny fanadihadiana lalina natao momba ity Trafikana volamena sarona tany Seychelles ity. Voalaza fa misy teratany Indo-pakistanais antsoina hoe M. Raza voatonontonona ho atidoha amin’ity raharaha volamena sarona tany Seychelles ity. Ankoatra izay,  volamena amina kilao maromaro hatrany amin’ ny 80 kg any no naondrana tamin’io fotoana io, saingy efa nanjavona nialohan’ny fisavana nataon’ny Fanjakana tany Seychelles ny entana sasany. Raha ny fanadihadiana natao ihany,  efa tafaporitsaka any ivelan’i Madagasikara izy io. Voalaza fa niondrana tatsy amin’ny Nosy Maorisy izy io aloha, ary efa any Dubaï izy, amin’izao fotoana izao. Ny rahalahiny antsoina hoe : M. H kosa no voatonontonona fa mikirakira sy mitantana ny fananan’izy io eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao.

Famotsiam-bola….

Mbola tsy fantatra mazava, araka izany, hoe aiza ho aiza ankehitriny ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity ? Raha ny loharanom-baovao azo hatrany,  efa misy tambajotrana teratany karana mihitsy eto amintsika miara-misehatra amin’ity fanondranana an-tsokosoko ny volamena avy eto Madagasikara ity. Efa misy paikady hamotsian’izy ireo ny vola azony amin’izany, raha ny angom-baovao. Tafiditra ao anatin’izany ny fananganana trano goavana sy ny fanaovana asa fandraharahana eo amin’ny sehatry ny fanaka sy ny taotrano.

Raha tato anatin’ny iray volana mahery izay, nisesisesy ireo trangana  fanondranana sy fiondranana an-tsokosoko ataon’ireo mpanao ratsy. Tsy vitsy amin’izy ireo no tratra. Misy koa ireo mbola andalam-panaovana fanadihadiana. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe : Aiza ho aiza ny fiambenana ny sisintanintsika? Manao ny asany ve ny tomponandraikitra amin’izany? Sa sanatria manaiky tsolotra sy kolikoly ka tratran’ny masobe tsy mahita amin’ireo olona minia mamoaka an-tsokosoko ny harem-pirenena? Mitohy ny fanadihadiana…

Ny Fanoratana

Fermer