Non classé
COVID-19: 50 ny tranga vaovao, 13 355 ny totalin’ireo sitrana
Na eo aza ireo tranga vaovao hatramin’izay nisian’ny fitiliana teto amintsika, fantatra fa ny 13 355 tamin’ireo 14 327 dia efa sitrana avokoa. Tranga vaovao miisa 50 no hitan’ny PCR sy ny GenExpert, raha ny antontanisa nivoaka omaly, ary tsy nisy ny lavon’ny valanaretina…
Raha ny antontanisa farany navoakan’ny teo anivon’ny CCO, omaly, fantatra fa nitombo 50 ny isan’ireo olona voatily nitondra ny tsimokaretina coronavirus, eto amintsika. Mahatratra 14 327 izy ireo amin’izao fotoana, hatramin’ny nisian’ny fitiliana ny 19 marsa 2020. Nisy koa ireo olona sitrana miisa 23, ka mahatratra 13 355 ny totalin’izy ireo amin’izao fotoana. Ireo mbola manaraka fitsaboana indray miisa 794, rehefa nihena 27 nialan’ireo sitrana sy nodimandry. Ho an’ny marary mafy dia nitombo fito, ka lasa 87 izy ireo amin’izao fotoana. Tsy nisy ireo nindaosin’ny fahafatesana noho ity valanaretina ity, tamin’io antontanisa farany io, ary mitotaly 178 izy ireo ankehitriny. Raha ny fitiliana fakana singa efa vitantsika hatramin’izay, dia mahatratra 55 018, ary ny avy amin’ny GenExpert indray kosa dia 5 143.
Tranga vaovao, sitrana sy nodimandry isam-paritra
Ny faritra Analamanga dia nahitana tranga vaovao miisa 22 tamin’ireo 50 hitan’ny fitiliana natao farany. Nisy ny sitrana vaovao miisa valo. Ny vakinankaratra nisy tranga vaovao miisa telo, sitrana miisa enina, tsy nisy ny lavo. Ho an’i Bongolava nahitana tranga vaovao iray, tsy nisy ny sitrana sy nodimandry. Itasy tsy nahitana tranga vaovao, saingy nisy olona iray sitrana tany an-toerana. Matsiatra Ambony nisy tranga iray vaovao, roa no sitrana ary tsy nisy ny maty. Amoron’I Mania nisy tranga vaovao miisa telo, tsy nisy ny sitrana na nodimandry. Ny tao Boeny tsy nahitana tranga vaovao, saingy nisy ny sitrana iray, tsy nisy ny lavon’ny covid. Ny tao Sofia nahitana tranga vaovao miisa efatra, tsy nisy ny sitrana na koa nodimandry tany an-toerana. Any Atsimo Andrefana tsy nahitana tranga vaovao, saingy nisy kosa ireo olona telo sitrana vaovao, tsy nisy ny nodimandry. Tany Menabe nisy tranga vaovao miisa fito, nisy ny sitrana iray, tsy nisy ny maty. Anôsy tsy nahitana tranga, saingy nisy sitrana iray vaovao. Faritra Diana nisy tranga vaovao miisa valo, tsy nisy ny sitrana na ny nodimandry.
Faritra dimy misy marary mafy
Anatin’ireo marary mbola tsaboina miisa 794 ireo marary mafy ankehitriny miisa 87. Raha ny eto Analamanga dia fantatra fa ao Ny 27 ao amin’ny hopitaly Befelatanana, ny 13 ao amin’ny HJRA Ampefiloha, iray eny amin’ny Homi, Maternité Befelatanana ahitana iray, CHD Itaosy misy iray, ny iray eny Anosiala Ambohidratrimo, ny enina hita etsy amin’ny CTC Mahamasina, ny efatra etsy Andohatapenaka. Ho an’ny any amin’ny faritra hafa, Itasy Miarinarivo misy marary mafy iray, ao Vakinankaratra Antsirabe ny efatra, ao Matsiatra Ambony ny 20, Atsimo Andrefana ny telo, Diana misy roa, ary ao amin’ny faritra Boeny ny telo.