Songadim-baovao
Hazo sarobidy 536 isa sarona : Votsotra ireo olona roa tratra, karohina fatratra ny tompony
Manao ranolava ny fahatraran’ny zandarimaria ireo fiarabe mitondra hazo sarobidy amin’ny lalam-pirenena faharoa iny. Ny alahady lasa teo, olona roa no sarona miaraka amin’ireo hazo sarobidy voamboana miisa 536 isa. Niakatra fampanoavana ny raharaha, omaly maraina, saingy votsotra ireo olona nitondra, raha mbola karohina fatratra ny tena tompony. Fanadihadiana…

Tsy afa-bela teo anatrehan’ny Kaompanian’ny zandary Imerina centrale ireo mpitondra hazo sarobidy an-tsokosoko, saika hoentina aty Antananarivo. Ny 21 novambra lasa teo, dia nahazo angom-baovao tamin’ny olona tsara sitrapo ny kaomandin’ny kaompania Imerina centrale fa misy kamiao mitondra hazo sarobidy voamboana niainga avy any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro hihazo an’Antananarivo. Natao, araka izany, ny sakana ka ny zana-tobim-paritry ny zandarimaria ao Ambatolaona, eo amin’ny PK58, amin’ny lalam-pirenena faharoa. Tsy misy taratasy mazava teny amin’ireo olona nitondra izany hazo sarobidy izany, na teo amin’ilay mpamily na teo amin’ilay mpamily mpanampy. Raha ny fantatra, mbola voarara ny fitrandrahana voamboana amin’izao fotoana. Noho ny fandikan-dalàna maro sosona, dia voatery nogiazana ireo hazo ireo ary nampidirina am-balam-pamonjana mandritra ny folo andro. Nahatratra 536 ireo voamboana sarona ireo izay efa vita sisy. Natao fanadihadiana avy hatrany ireo roa lahy tra-tehaka nitondra ireto hazo sarobidy tsy ara-dalàna ireto.
Votsotra teny amin’ny Fitsarana ireo voarohirohy

Niakatra fampanoavana omaly maraina, ity fahatrarana hazo sarobidy ity, saingy nahazo fahafahana vonjimaika. Ny manaitra amin’izao raharaha izao, dia tafiditra ao anatin’ireo hazo sarobidy tsy mbola azo trandrahina aloha ny voamboana, saingy votsotra ireo olona voarohirohy amin’izany. Natao ho an’iza marina ny fampiharan-dalàna, raha tahaka izao hatrany no manjo ireo mpitondra hazo sarobidy ? Ny mpitandro filaminana, manao ny ainy tsy ho zavatra hamongorana ny mpanao trafikana ny harem-pirenena, saingy rehefa tonga eny amin’ny Fitsarana dia votsotra. Tiana ny manamarika fa ny fanadihadiana rehetra dia niarahan’ny zandary tamin’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana eto Analamanga. Ankoatra ireto roa lahy saron’ny zandary ireto, mbola karohin’ny zandary fatratra ny voalaza fa tompon’ireo hazo sarobidy marobe ireto. Raha voasambotra izy ireo, azo antoka ve ny mety hampidoboka am-ponja azy, satria toa fianakaviana olona manana ny toerany eny amin’ny Fitsarana ny tompony ?
Bolabolana andramena 1,5 taonina sarona….

Tiana ny manamarika fa vao ny 28 oktobra lasa teo, tratran’ireo zandary avy ao amin’ny Vondron-tobim-paritra Imerina centrale (Brigade de police de la route) ny bolabolan’andramena milanja 1,5 taonina eo ho eo, miisa 58 bolongany, izay mirefy 1 metatra ny halavany. Nandritra ny fisavana fiara mahazatra natao tamin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2), teo Ambohimalaza, PK15+400, anatin’ny Distrikan’ Antananarivo Avaradrano, raha ny fanazavan’ny Kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Centrale, ny Kapiteny Andriambeloniaina Safidiniavo Toky, no nahatrarana azy ireo. Nentin’ny taksiborosy avy ao amin’ny kaoperativam-pitaterana iray, nampitohy an’i Fenoarivo Atsinanana sy Antananarivo, ireo hazo sarobidy ireo. Nosamborina avy hatrany ilay tompon’ireo hazo ireo antsoina hoe V. Anaclet, 45 taona, ary natao andrimaso. Toa izany koa ny mpamily ilay fiara antsoina hoe Fetrarivo, 36 taona, mpamily ilay fiara. Ny fiara dia nogiazana fa tsy natao am-balam-pamonjana, araka ny andininy faha-13 amin’ny Lalàna 2015-056 ny 3 febroary 2016, mikasika ny famaizana ny fandikan-dalàna momba ny andramena. Notohizina tany Fenoarivo Atsinanana sy Vavatenina, any amin’ny Faritra Analanjirofo ny fanadihadiana. Hita fa nangalarin’i V. Anaclet sy ireo dokera namany tamina hazo efa nogiazana tao Anjahambe, Kaominina ambonivohitra Ampasimbe, Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana ireo hazo ireo. Efa nidoboka any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy moa ireo olona tra-tehaka tamin’ity raharaha ity.




