Songadim-baovaoSosialy

MIALY RAJOELINA – ADY AMIN’NY HERISETRA: « Hapetraka ny Tribonaly mitety vohitra itsarana ireo mpanao herisetra »

25 Novambra 2021, daty izay anamarihana ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy. Nandray anjara tamin’ny fanamarihana izany isika teto Madagasikara omaly, tamin’ny alalan’ny lahateny nataon’ny Vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina. Zava-baovao nambarany ny hametrahana ny fitsarana mitety vohitra hanafainganana ny fitsarana ireo trangana herisetra miseho, indrindra any amin’ny toerana lavitra sy mitoka-monina.

“Tsy hitsahatra aho ny hiahy, ny hiaro, sy ny hitondra teny an’ireo vehivavy izay iharan’ny herisetra”, hoy Ramatoa Mialy Rajoelina, Vadin’ny Filohan’ny Repoblika, omaly tao anatin’ny lahateny nanamarihana ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy. Notsindriany fa mbola mahazo vahana ny herisetra na amin’ny fihetsika, na amin’ny fiteny, ka tsy maintsy iadiana sy atrehina isan’andro izany. “Misy ny herisetra ara-nofo toy ny fanolanana, ny herisetra ara-batana toy ny fikasihan-tanana; misy ny herisetra amin’ny fihetsika na amin’ny fiteny, herisetra izay tsy mandratra ivelany fa mamela takaitra toy ny hetraketraka ara-moraly, ny fanambaniana, ny fanitsakitsahina ny mahaolona, ny fanosihosena”, hoy ny fanazavana.

Raha ny zava-misy ankehitriny, tsy vitsy amin’ireo vehivavy iharan’ny herisetra no tsy sahy miteny, maneho ny fijaliana izay mianjady aminy, ary izay indrindra, hoy ny vadin’ny Filoha, no nananganana ireo Rafitra, mba hahafahana mihaino, miahy sy manoro lalana azy ireo. Betsaka ireo Fikambanana, ny olom-pirenena manao ezaka mba hanovàna ireo tranga mamohehitra ireo. Ao ihany koa ireo rafi-panjakana sy ireo sampan-draharaha rehetra miara-mientana hamongorana ny herisetra, izay nankasitrahan-dRamatoa Mialy Rajoelina manokana.

Hatao isaky ny iray volana

Ankehitriny, mba hampifanatonana ny rafi-panjakana amin’ireo vehivavy izay niharan’ny herisetra dia misy ny tetikasa vaovao ho apetraka izay iarahana amin’ny Ministeran’ny Fitsarana, hametrahana ireo Tribonaly na “audience foraine” any amin’ireo toerana lavitra sy mitoka-monina. Izany dia mba hanafainganana ny fitsarana an’ireo izay mpanao herisetra, “ka aoka mba tsy hilefitra manoloana ny tsy rariny ny Fitsarana”, hoy ny fanambarana omaly. Endrika fitsarana mitety vohitra ity tetikasa vao apetraka ity, raha ny fanampim-panazavana nomen’ny Minisitry ny Fitsarana Imbiki Herilaza, izay ho atao isaky ny iray volana manerana ny Nosy. Izany fitsarana mitety vohitra izany dia natao manokana hitsarana ny raharaha mahakasika ny herisetra atao amin’ny vehivavy na herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy. Fanetriben’ny firenena ny mpanao herisetra, ka mila henjehina, hoy ny fanazavana.

« Viavy miavotse, lavitry ny herisetra »

Tsara ho fantatra fa raha ho an’I Madagasikara manokana, dia efa maro ireo hetsika natao, iadiana amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy. Isan’izany ny fanohanana ny asan’ny vehivavy izay manosika azy ireo any amin’ny fahavitan-tena sy fahaleovantena, ary indrindra fa ny fomba fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy. “Io no fomba tena mandaitra entina manampy azy ireo hanatsarana ny fiainany eo amin’ny tontolo ara-pianakaviana sy ara-tsosialy”, hoy ny vadin’ny Filoha. Ireny hetsika ireny izay mifandray tanteraka amin’ny lohahevitry ny “Orange Day” amin’ny fankalazana amin’ity taona ity, dia ny hoe « Viavy miavotse, lavitry ny herisetra ». Efa lany ihany koa ny lalàna momba ny ady amin’ny herisetra izay arofanina miaro ireo vehivavy sy tovovavy tsy mba nanana itarainana hatrizay.

Fermer