PolitikaSongadim-baovao

FAMPIROBOROBOANA NY SERASERA : Lany ho Filoha lefitra ao amin’ny “PIDC UNESCO” i Madagasikara

Notanterahina omaly ny fifidianana ho fanavaozana ny Birao hitantana ny programa PIDC na ny “Programme Intergouvernemental pour le Developpement de la Communication” eo anivon’ny Unesco, fandaharanasa misahana ny fampiroboroboana ny Serasera eo anivon’ity sampan-draharahan’ny Firenena mikambana ity. Lany ho filoha lefitra tamin’izany i Madagasikara.

Ny Programme Intergouvernemental pour le Developpement de la Communication (PIDC UNESCO) dia fandaharanasa iray eo anivon’ny Unesco, misahana ny fampiroboroboana ny Serasera. Io irery ihany no vovonana iraisampirenena eo anivon’ny rafitry ny Firenena mikambana manana tanjona ny hanetsika ireo firaisambe iraisampirenena mba hampandrosoana ny sehatry ny haino aman-jery any amin’ireo firenena andalam-pandrosoana.  Ity fandaharanasa ity dia manome tohana amin’ireo tetikasa mifandraika amin’ny sehatry ny haino vaky jery, ankoatra izay efa antom-piasany hafa koa.

Notanterahina omaly ny fifidianana ho fanavaozana ny Birao hitantana ity programa PIDC eo anivon’ny Unesco ity. Nilatsaka hofidiana ho Filoha Lefitra amin’ny anaran’ny Vondrona Afrika Atsinanana (groupe 5A) ny firenena malagasy, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Nilatsaka ho fidiana ihany koa i Côte d’Ivoire saingy nisy ny fifampiresahana tamin’ny solotenan’izy ireo ka nanaiky hisintona ny filatsahan-kofidiany i Côte d’Ivoire. Kandida tokana araka izany i Madagasikara ka lany tsy nisy nitsipaka ho Filoha Lefitra mandritra ny 2 taona manaraka (2021-2023).

Nifidy birao vaovao

Taorian’ny fifidianana izay natao, toy izao manaraka izao ireo handrafitra ny birao vaovao ho an’ny PIDC – UNESCO mandritra ny roa taona: Filoha : Suède, Filoha Lefitra Groupe 1 : Pays-Bas, Groupe 2 : Russie, Groupe 3 : République Dominicaine, Groupe 4 : Mongolie, Groupe 5A: Madagascar, Groupe 5B: Liban, Rapporteur : Namibie.

“Manana fandaharanasa maro ho fanohanana ny Serasera amin’ireo firenena mpikambana ao anatiny ny PIDC ary ny fahalanian’i Madagasikara ho Filoha Lefitra dia mba ahafahana manamora ny fisitrahana famatsiam-bola ho an’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety malagasy”, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, omaly.

Fermer