PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FAMPANANANA ASA NY TANORA: Hapetraka isaky ny renivohi-paritany ny ivon-toeram-panofanana arakasa

Youth Connekt - Tanora mandrafitra ny ho avy. Tontosa nanomboka omaly ny tafatafa iarahan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina amin’ireo tanora Malagasy ho fampiroboroboana ny fandraharahan’ny tanora. Nandritra izany no nitondran’ny Filoha ireo tetikasan’ny Fitondram-panjakana marobe izay natao hanohanana ny tanora hioitra amin’ny fiainana, ka tsy ho vesatra ho an’ny fiarahamonina sy ho an’ny firenena fotsiny.

Tsy nisalasala ny Filoha namaly ny antson’ny mpikarakara ny hetsika Youth Connekt, izay nampitondraina ny lohahevitra hoe “Tanora mandrafitra ny ho avy”. Zava-dehibe, hoy ny Filoha, ny fanampiana ny tanora noho izy ireo mandrafitra ny 70%-n’ny Malagasy. “Ny tanora no tompon’ny anio,  ny tanora koa no ho avin’ny firenena”, hoy izy. Ary mbola notsindriany fa ny tanora tsy manana vina dia tsy afaka ny hivoatra amin’ny fiainana.

Araka izany, ankoatra ny fihainoana ny olana sy ny vahaolana avy amin’ireo tanora, nanararaotra ity fihaonana ity ihany koa ny Filoham-pirenena niresahana ireo tetikasan’ny Fitondram-panjakana, hanohanana ny tanora malagasy. Nasongadiny manokana tamin’izany ny tetikasa Fihariana izay napetraka efa ho roa taona izay. Tanjona amin’ny fametrahana io fandaharanasa io ny hahatonga ny tanora tsy ho vesatra ho an’ny fiarahamonina fotsiny, fa mba ho vahaolana ho an’ny firenena iray manontolo mihitsy.

Tsara ho fantatra fa natao indrindra hanampiana ireo olona rehetra izay misehatra eo amin’ny fambolena sy ny fiompiana, fizahantany, fitantanana, sy ny zavatra maro isan-karazany ny tetikasa Fihariana. Tao anatin’ny roa taona nisiany dia mitentina 208 miliara ariary ny vola nomena ny tanora mba hiarina amin’ny fiainana. Sambany teto amin’ny firenena no nisy an’izany, hoy ny Filoha. Niaiky izy fa tsy mbola nahazo daholo  ny tanora rehetra, saingy efa betsaka kosa ny tanora no afaka niavo-tena. Ny asa naterak’io 208 miliara ariary io ankehitriny, tao anatin’ny roa taona, dia niisa 140 000. Mirefy 7 000 ha kosa ny fambolem-bary vaovao, nateraky ny tetikasa. Izany hoe, nisy ny fanomezana tany, fitaovana, masom-boly, izay samy efa nialohavan’ny fiofanana avokoa.

Hatomboka afaka roa volana

Nambaran’ny Filoham-pirenena omaly fa manodidina ny 60 000 ny tanora afaka bakalorea isan-taona. 20 000 amin’ireo ihany no afaka mianatra miditra taona voalohany, raha toa ka ampahaefany sisa no tonga taona faharoa. Isan-taona, araka izany, dia mitombo ny tsy an’asa. Vahaolana haroson’ny Fitondram-panjakana, noho izany, ny fametrahana “Centre de formation professionnel” isaky ny renivohi-paritany rehetra. Rafitra, zaitra, electricien, sakafo, sy ny lafin-javatra maro hafa no hampiofanina ao anatin’izany. Hatomboka afaka roa volana io tetikasa io, araka ny fanazavana. Ao anatin’izany dia hisy toerana lehibe ampianarana zaitra fotsiny, ary miisa arivo isaky ny miditra ny olona mianatra ao anatin’izany. Manao “stage” avokoa ireo mpiofana rehefa vita ny fiofanana. Aorian’izay, ny Fanjakana ihany no iantoka ny fividianana ny aron’akanjon’ny mpampianatra rehetra eran’ i Madagasikara, ny mpiasan’ny fahasalamana, sy ny sisa. Ary avy hatrany dia ireo tanora ireo no hanao izany asa izany.

Nandray anjara hatrany I Madagasikara

Haharitra roa andro ity hetsika ity, raha ny fanazavana. Nilaza ny Minisitra Lefitra misahana ny Tanora omaly fa voalohany teo amin’ny tantara no nisy ny hetsika tahaka izao. Ny tenany izay nanamafy fa tena ilaina ny fampiroboroboana ny fandraharahan’ny tanora.

Nampahafantariny fa i Madagasikara dia anisan’ireo firenena 23 izay nampihatra ny fandaharanasa Youth Connekt, nanomboka ny taona 2019. Fandaharanasa izay niainga tao Rwanda, nifanankalozan’ny Filoha Paul Kagame amin’ny tanora, isaky ny misy fihaonambe. Nanomboka tamin’ny taona 2017 I Madagasikara dia nandray anjara tamin’izany fihaonambe izany. Sehatra iray ho an’ny tanora ny Youth Connekt. Hampivondronana ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fandraharahana, Fanjakana, ireo mpanao lalàna, ireo mpampiofana, ireo mpamatsy vola sy ny sisa maro. Ankehitriny, efa manatanteraka izany hetsika izany isika eto Madagasikara.

Fermer