PolitikaSongadim-baovao

FANDANIANA TSY NANARAKA FEPETRA 2018-2019 : Ny Fanjakana ankehitriny no nitaky ny hanaovana “Audit” tao amin’ny Jirama

Noho ny fitsirihana sy ny fanadihadiana lalina nataon’ny Fitondrana ankehitriny no nahafahana namoaka sy nanatsikafona ireo fitantanana tsy nety rehetra nataon’ny teo aloha, raha tsy hilaza afa-tsy ny zava-nisy teo anivon’ny orinasa Jirama, izay hitakian’ny Banky Iraisampirenena vola hatrany amin’ny 1,7 tapitrisa dolara amin’ny Fanjakana malagasy ankehitriny.

Nisy ny taratasy nalefan’ny Banky iraisampirenena tamin’ny Fanjakana malagasy ny 16 novambra 2021 teo izay mirakitra ireo fandaniam-bola tsy nanaraka fepetra teo anivon’ny Orinasa Jirama ny taom-piasana 2018-2019. Raha ny voakaritra ao anatin’izany taratasy izany dia mitentina 1,7 tapitrisa dolara ny vola tokony haverin’ny Orinasa Jirama sy ny Fanjakana malagasy noho ireo fandaniam-bola tsy nanaraka fepetra ireo. Manana hatramin’ny 3 desambra 2021 izao ny Fanjakana hamerenana io vola io, raha ny fitakiana.

Raha ny marimarina kokoa, tao anatin’ny tetikasa PAGOSE na « Projet d’Amélioration de la Gouvernance et des Opérations dans le Secteur de l’Electricité » no nisian’io fandaniam-bola tsy nanaraka fepetra io. Tetikasa izay nosoniavina ny taona 2016. Isan’ny namatsy vola tamin’ny fanatanterahana izany ny Banky Iraisampirenena, izay nanolotra vola hatramin’ny 47,1 tapitrisa DTS. Ny Alatsinainy 02 Aogositra 2021 lasa teo, dia nisy ny fivoriana mahakasika ny tetikasa PAGOSE. Nandritra izany, ny Fanjakana malagasy, izany hoe, ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo, tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneralin’ity Minisitera ity, no nangataka ny hanaovana ny “Audit” na fanadihadiana lalina sy fitsirihana ny fandehan’ity tetikasa ity. Isan’ny tena nanaovana ny fitsirihana ny taom-piasana 2018-2019. Tao anatin’izany no nahitana ireo karazana fandaniana tsy nanaraka fepetra isan-karazany. Misy ireo asa tena tsy vita mihitsy, ary misy ireo asa vita saingy tsy mifanojo tamin’izay nifanarahana tany am-boalohany, araka ny fanazavana. Raha tsiahivina, mbola niasa tamin’ny maha Tale Jeneralin’ny Jirama azy Andriamatoa Jaomiary Olivier tamin’izany, izay voatendry ho teo amin’ny toerana ny 26 Aprily 2017, ary nesorina ny 14 Aogositra 2019.

Iza no tompon’antoka?

Raha ireo zava-misy ireo fotsiny no jerena, dia mipetraka ny fanontaniana hoe iza tokoa àry no tompon’antoka tamin’izao fitantanana gaboraraka teto amin’ny firenena izao? Ny Fitondrana ankehitriny indray ve, izay miezaka manadio sy mitady ny mangaharaha amin’ireo tetikasa izay heverina fa tokony hipaka amin’ny vahoaka? Tsiahivina fa Andriamatoa Vonjy Andriamanga no Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo tamin’ny fiandohan’ny taona 2019. Mipetraka ny fanontaniana hoe inona no tsy nanoloan’ity Minisitra teo aloha ity io tomponandraikitra voalohany teo anivon’ny Jirama io tamin’ny fotoana nitantanany ny Minisitera.

Amin’izao fotoana izao, raha ny angom-baovao natao, dia efa ao anaty fifampiresahana ny Fanjakana malagasy sy Banky iraisampirenena ary ny Orinasa Jirama, manoloana ny vola tokony haverina sy ny fotoana nomen’ny Banky iraisampirenena, ka andrasana izay ho vokatr’izany.

Ny Fanoratana.

Fermer