
Manokana Covid-19
COVID-19: 75 ny tranga vaovao, 788 sisa ireo manaraka fitsaboana
Raha ny antontanisa nomen’ny CCO, omaly, miisa 75 ireo tranga vaovao hita tamin’ny fitiliana farany tao anatin’ny 24ora, ary nihena ka tonga 788 ireo marary mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana. Nisy ny sitrana miisa 81, tsy nisy kosa ny lavon’ny covid, tao anatin’ny andro vitsivitsy lasa…
Midina hatrany ny tarehimarika! Mitohy hatrany ny fihenan’ny tahan’ny fitiliana miabon’ny covid-19 eto amintsika, araka ny tarehimarika omen’ny CCO. Tamin’ireo fitiliana mahatratra 420 tao anatin’ny 24ora farany, tsy nisy afa-tsy 75 sisa ireo olona nahitana io tsimokaretina coronavirus io. Manaraka izany, mihena isan’andro koa ny isan’ny marary mbola manaraka fitsaboana, izay tsy misy afa-tsy 788 izy ireo ankehitriny, rehefa nihena enina nialan’ny marary sy nodimandry. Tsy nisy koa ny lavon’ny covid teto amintsika, tao anatin’ny andro vitsivitsy izay, ary mijanona ho 178 hatrany izy ireo. Mitombo isa hatrany kosa ireo mahafeno fepetra fahasitranana, izay mahatratra 13 436 rehefa niampy 81 tao anatin’ny iray andro monja. Raha ny totalin’ireo olona efa nahitana coronavirus teto amintsika indray, dia mahatratra 14 402, hatramin’ny alahady lasa teo. Raha ireo marary mafy mbola raisin-tanana amin’izao fotoana dia miisa 74, rehefa nihena 13. Tamin’ireo fitiliana miisa 420 natao farany nahitana ireo tranga vaovao, ny 357 tamin’izany dia hitan’ny PCR, raha 63 hitan’ny GenExpert. Fitiliana PCR mahatratra 55 375 no efa vita teto, raha 5 206 ny GenExpert.

Tranga vaovao, sitrana sy marary mafy…
Faritra maromaro no nahitana ireo tranga vaovao, ka tamin’ireo tranga vaovao miisa 75, ny 29 isa tamin’izany no hita teto Analamanga. Nisy ny sitrana miisa fito. Nomarihan’ny Profesora fa nihena ny sitrana ankehitriny, noho ireo marary efa vitsy izay tsy misy raisina an-tanana afa-tsy eny amin’ireo hopitaly. Vakinankaratra, tsy nisy tranga vaovao voatily, saingy nisy sitrana miisa roa. Torak’izany ny tao Itasy tsy nahitana tranga vaovao, saingy nisy sitrana iray. Bongolava nahitana olona miisa 12 voan’ny tsimokaretina, ary nisy olona miisa enina sitrana soa aman-tsara. Alaotra mangoro tsy nahitana tranga, saingy nisy sitrana miisa roa, notsaboina tao Moramanga avokoa. Matsiatra ambony nisy tranga vaovao miisa roa, ary nisy sitrana miisa roa ihany koa. Amoron’I Mania nisy tranga vaovao iray tao Ambatofinandrahana, nisy sitrana miisa valo ihany koa. Vatovavy fitovinany tsy nahitana tranga vaovao, saingy nisy sitrana miisa 10. Ihorombe tsy nisy tranga vaovao, saingy nisy sitrana miisa efatra. Boeny tsy nahitana tranga ihany koa, saingy nisy sitrana miisa 11. Sofia nahitana tranga vaovao miisa efatra, tao Antsohihy, nisy koa ny sitrana miisa 11, notsaboina tao antsohihy ny valo, telo tao Mandritsara. Sava nisy tranga vaovao miisa roa, nisy sitrana miisa enina. Diana nisy tranga vaovao miisa 15, ka tao Antsiranana ny 11, ary efatra tao Ambilobe. Nisy koa ny sitrana tany an-toerana miisa valo, enina tao Antsiranana, roa tao Ambanja. Atsimo Andrefana nisy tranga vaovao miisa 10 tao Toliara, raha tsy nisy ny sitrana. Anosy tsy nisy tranga vaovao, nisy sitrana miisa roa. Menabe tsy nisy tranga, fa nisy sitrana iray. Ho an’ireo faritra ahitana ireo marary mafy miisa 74 indray, dia fantatra fa ny 50 amin’izany eto Analamanga, ka ny 30 ao Befelatanana, ny 13 etsy amin’ny hopitaly HJRA, ny iray eny Anosiala, ny iray raisin-tanana etsy amin’ny CTC Mahamasina, iray CTC Ivato, ny efatra raisin-tanana etsy Andohatapenaka. Any Antsirabe misy telo, Fianarantsoa misy 13, Toliara ny telo, ao Boeny ny telo, ary any Sava ny roa.
Hajaina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana
Nisy ny fanalefahana ny fihibohana amin’izao fotoana. Nambaran’ny Profesora mpitondra tenin’ny CCO, fa efa mihena ireo tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina, hatramin’ireo olona efa sitrana. Tsy latsaky ny 93% ireo sitrana tao anatin’ny andro vitsivitsy lasa izay. Mahavelom-bolo ny fahitana ireo tarehimarika ankehitriny, noho izany. Mbola misy, anefa, maha zava-dehibe ny fanajana ireo fepetra rehetra, satria mbola tsy tapitra ny ady amin’ny valanaretina. Mbola misy ireo olona manao zinona ireny arotava ireny, ary tsikaritra fa misy toerana tsy ahitana olona mitondra arotava eto an-dRenivohitra, ka nisintonany ny fandraisan’andraikitr’ireo mpitandro filaminana. Niantso fampanarahan-dalàna ny eo anivon’ny CCO, satria mbola mitombina avokoa ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra. Ankoatra ny arotava izay tokony hapetraka amin’ny toerana aleha rehetra, indrindra ny toerana be olona mifanerasera, eo ny fanadiovana tanana tsy tapaka, ny fanajana ny elanelana. “Ireo efa voan’ny tsimokaretina dia efa mahafantatra ny tenany, fa noho ity valanaretina ity mbola vaovao, eo ny tsy hamantarana izay mbola tena toetrany, isan’izany ny mety ho faharetany, ka antony hanohizana ny fiarovan-tena”, nanamafy ny Profesora Vololontiana Hanta. Ireo mbola tsy voan’izany kosa indray, indrindra ireo karazan’olona marefo, dia voaporofo ary voamarina ny tsy maintsy hametrahana ny arotava sy ireo fepetra rehetra sisa.