PolitikaSongadim-baovao
FIAMPANGANA AO AMIN’NY HCJ : Hisy ny fanadihadiana ireo voarohirohy anio, eny amin’ny Antenimieram-pirenena
Antontan-taratasy miisa 13 no efa voarain’ny vaomiera misahana ny fiampangana eo anoloan’ny Fitsarana Avo na ny HCJ hatreto. Efa nisy hatrany ny fotoana maromaro tokony nandraisan’ny Solombavambahoaka fanapahan-kevitra mahakasika ireo dosie ireo, saingy noho ny antony maro samihafa niseho dia tsy mbola niroso tamin’izany ny fivoriana itambarambe. Anio, araka ny fantatra, dia hisy indray fanadihadiana sy fampiantsoana ny sasany amin’ireo voarohirohy amin’ity raharaha ity eny anivon’ny Antenimieram-pirenena.
Raha tsy misy ny fiovana dia anio talata 30 novambra no hampanantsoina eny amin’ny Antenimierampirenena ireo olom-panjakana ambony teo aloha izay voasaringotra amina dosie miisa 13, miaraka amin’ny vavolombelona. Izy ireo izay saika voasaringotra tamina raharaha kolikoly avo lenta, fanodinkodinam-bolam-panjakana, fivarotana tany, sy ny sisa, ary hampangaina eo anivon’ny fitsarana avo (Haute cours de justice), miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny Depiote. Araka ny angom-baovao hatrany dia ahitana minisitra teo aloha vitsivitsy ao anatin’ireo handraisan’ny Depiote fanapahan-kevitra ireo.
Nambaran’ny Depiote Tsabotokay Honoré, filohan’ ny vaomiera misahana ny fiampangana eo anoloan’ny HCJ fa saika efa vita ny ankabeazan’ny asa sy fandinihana ny antontan-taratasy avy amin’ny Birao mahaleotena miandraikitra ny ady amin’ny kolokoly (Bianco) voarain’izy ireo. Tsy mbola misy kosa, hoy hatrany ny fanazavany, ny antontan-taratasy vaovao eo am-pelatanana fa ny teo aloha ihany no nodinihina.
Parlemantera miisa roa
Araka ny fanampim-baovao azo omaly, dia mpikambana teo anivon’ny parlemanta miisa 2 no hampanantsoina eny amin’ny antenimieram-pirenena anio 30 novambra miaraka amin’ny vavolombelona momba ny raharaha iampangana azy ireo. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny vaomiera hatrany dia tsy mbola azo natao ny fanadihadiana ireo olona ireo teo aloha, noho ny mbola naha parlemantera azy ireo ka nananany ilay zo tsy azo enjehina.
Aorian’ny fanadihadiana sy fampiantsoana atao androany, araka izany, dia alefa hodinihina amin’ny fivoriana itambarambe tanterahin’ireo solombavambahoaka amin’ny fandaharam-potoana aorian’ny 6 desambra izao ny antontan-taratasy 13 voalaza ireo, araka ny voalazan’ny Depiote Tsabotokay Honoré.
Mila tonga mandray fanapahan-kevitra ireo Depiote
Raha tsiahivina, rafi-pitsarana natao handinika sy hitsara manokana ireo olona ambony voasaringotra tamina raharaha lehibe teto amin’ny firenena ny Fitsarana Avo ny “Haute cours de Justice (HCJ)”. Tafiditra ao anatin’izany ny Filohan’ny Repoblika, ny Praiminisitra, Minisitra, ireo Filohana Andrimpanjakana. Raha ny fomba fiasa kosa indray, “dia miainga avy amin’ny Bianco ny antontan-taratasy hodinihin’izy ireo, mivantana ao amin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, raisin’ny vaomiera an-tanana aorian’ izay, mandalo fanapahana eo anivon’ny fivoriana itambarambe, ary miafara eny anivon’ny fitsarana avo izay hany tokana mahefa amin’ny fitsarana ireo olom-panjakana ambony”. Niantso ireo Depiote rehetra mba ho tonga handray fanapahan-kevitra amin’izany fivoriana itambarambe izany, noho izany, ity filoham-baomiera ity. Nampahatsiahivina fa efa nisy hatrany ny fotoana tokony nandraisana fanapahan-kevitra mahasika ireo olona ambony, saingy tsy ampy ny fetrisan’ireo Depiote tonga nivory, dia tsy maintsy nahemotra. Teo ihany koa fanatanterahana ny fivoriana ampitain-davitra vokatry ny Covid-19, izay tsy nahafahana nandray fanapahan-kevitra, hoy hatrany ny fanazavana. Zava-dehibe, noho izany, ny fanatrehan’ny Depiote maro an’isa ny fivoriana itambarambe hanapahana izay olom-panjakana ambony ho alefa eny amin’ny Fitsarana Avo na tsia.



