PolitikaSongadim-baovaoToekarena

FIOVAN’NY TOETRANDRO ETO MADAGASIKARA : Ireo firenen-dehibe no tena tompon’antoka, manampy trotraka ny fandripahana ala

Nisy ny atrikasa fampahafantarana ny olom-pirenena sy ny mpisehatra isan-tsokajiny eto Madagasikara ny vokatry ny fivoriambe faha 26-n’ireo firenena nankatoa ny fifanarahana lasitry ny firenena mikambana momba ny fiovan’ny toetrandro, omaly teny Anosy. Nandritra izany no nanambaran’ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ny manodidina ny fiovan’ny toetrandro eto maneran-tany sy eto Madagasikara. Teo koa ny fanazavana ireo fepetra rehetra efa noraisin’ny Fitondram-panjakana iadiana sy iatrehana amin’ny fiovan’ny toetrandro.

Vokatry ny fampiasana solika vaventy sy ny fisian’ny indostria nandritra ny 300 taona no mahatonga ny fiovan’ny toetrandro ankehitriny, araka ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Baomihavotse Vahinala Raharinirina. Ny kaontinanta afrikanina dia tomponandraikitry ny 3%-n’ny famoahana entona mangeja hafanana eto amin’izao tontolo izao, izay mahatonga io fiovana io. Ny 0,001% ihany ny an’I Madagasikara. Izany hoe, tsy isan’ireo firenena tena mpandoto ny tontolo iainana i Madagasikara. Araka izany, vokatry ny zava-misy any amin’ny tany mandroso no mahatonga ny fiovaovan’ny toetrandro. Na izany aza anefa, ny famotehana ny ala dia anisany mamoaka ireny entona mangeja hafanana na ny carbone ireny koa, raha ho antsika eto Madagasikara manokana. Izany tranga izany izay mahatonga ny ala marobe izay potika . Noho izany indrindra, hoy ny Minisitra Baomihavotse Vahinala Raharinirina,  ny tokony hanafainganana ny politikan’ny angovo madio isan-tokatrano, izay tarihin’ny Filoham-pirenena ankehitriny.

Ny 92% n’ny Malagasy dia mbola mampiasa ny arina fandrehitra, izay misy fiantraikany amin’ny famoahana entona mangeja hafanana. Notsindrian’ity tomponandraikitra ity, araka izany, fa ny tsy fisian’ny orana dia avy amin’ny fiovan’ny toetrandro maneran-tany, saingy kosa hafainganin’ny famotehana ny ala eto an-toerana. Raha ny tatitra hatrany dia ireo firenen-dehibe, indrindra i Etazonia sy Chine no tena mpandoto ny tontolo iainana, ary tomponandraikitra voalohany amin’izany fiovan’ny toetrandro izany.

Fiaramanidina manokana iadiana amin’ny afo

Mahakasika ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro kosa indray, indrindra ny fanatrehan’i Madagasikara ny COP26 farany teo, dia nilaza ny Minisitra tomponandraikitra fa na misy na tsy misy ny famatsiam-bola dia tsy maintsy mandroso I Madagasikara amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro. Isan’izany ny paikady napetraka ny momba ny fambolen-kazo. Eo koa ny fametrahan’ny Filoham-pirenena ao amin’ny tetibolan’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, vola hividianana fiaramanidina iadiana amin’ny afo. Eo koa ny famatsiana ny Ceinture verte any atsimo. Voalohany amin’ny any Atsimo no misy tetikasa goavana ara-tontolo iainana tahaka io, hoy ny fanazavana.  Nivoaka tamin’ny filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny herinandro ny fisian’ny 1 miliara latsaka kely hanohizana ny asa any Atsimo, izay sady manakarama ny olona no mametraka ny vahaolana ara-tontolo iainana. Nambarany hatrany fa ny Banky iraisampirenena no rafitra voalohany namaly ny antson’ny Minisitera, indrindra amin’ilay olana ara-tontolo iainana any Atsimo, izay namoaka 25 tapitrisa dolara ao anatin’ny tetikasa Mionjo.

Zava-dehibe ho antsika ny COP26

Nandritra ny atrikasa natao omaly, nilaza ny maha zava-dehibe ny fandehanana tany amin’ny COP26 ny Minisitra tomponandraikitra. Nambarany fa tsy afaka miolonolona irery i Madagasikara amin’ny maha mpikambana ao amin’ny fifanarahana lasitry firenena mikambana momba ny fiovan’ny toetrandro antsika. Nandeha tany ihany koa isika satria isan’ny firenena miaina tanteraka ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro, ary manan-kambara. “Isika ihany koa dia ao anatin’ny vondrona izay manao adisisika eo anatrehan’ny firenem-baventy eo amin’ny fanalefahana ny fiovan’ny toetrandro, eo koa ny famatsiana ny firenena andalam-pandrosoana amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro”, hoy ny fanazavana. Nambaran’ny Minisitra fa tsy voatery ho vola no vokatra hoentina amina fifanarahana tahaka ireny. Resaka fiovan’ny toetrandro dia sady resaka ara-tsiansa no resaka ara-toekarena koa. Eo koa ny resaka Jeopôlitika. Mitovy avokoa ny vokatra nentin’ny firenen-drehetra.

Fermer