SamihafaSongadim-baovao
FAMBOLEN-KAZO Mitaona ireo rehetra manana olana ara-tany hanatona azy ny Minisitra
Ny hahafahan’ireo tompon-tanàna misitraka sy mikolokolo ny ala no tanjona amin’izao fanentanana amin’ny fambolen-kazo izao. Fantatra, fa olana ara-tany no mbola sedrain’ireo olona eny ifotony tsy hahafahany manatanteraka izany an-tsakany sy andavany. Nandroso vahaolana avy hatrany ny Minisitra lefitra misahana ny fandrakofana ala an’i Madagasikara, eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Hortencia Haingosoa, fa afaka manatona azy eny amin’ny birao fiasany eny Nanisana, izay manana olana ara-tany rehetra mikasika ny fambolen-kazo io, hahafahana mampiroborobo ity sehatra ity. Nomarihany fa asa tsy maintsy tanterahina ny fandrakofana ala an’i Madagasikara, ho fitsinjovana ireo taranaka any aoriana, manoloana ny fiovan’ny toetrandro. Manana andraikitra amin’ny fandrakofana ala an’i Madagasikara avokoa ny Malagasy tsirairay avy. Notsiahivin’ny Minisitra, nandritra ny fihaonana nataony amin’ireo mpisehatra rehetra tamin’ny faran’ny herinandro teo teny Ankorondrano, izany. « Tanàna iray, ala iray », io no fanamby napetraka tamin’izany izay tsy maintsy hotratrarina, raha ity Minisitera lefitra misahana ny fandrakofana ala ity. Nivoitra tamin’io fihaonana io ny fanentanana sy ny fandaminana ireo fomba fiasa iarahana amin’ireo Fitaleavam-paritra rehetra misahana ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy. Ny fomba hitarihana ny vahoaka Malagasy ho tompon’andraikitra feno amin’ny fambolenkazo no lohahevitra tamin’io, ary ny famolavolana ireo paikady hanatanterahana ny asa.


