Songadim-baovaoToekarena

FARITRA BONGOLAVA Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolem-bary

Ankoatra ireo fampandrosoana imasoan'ny faritra Bongolava, dia mijery ireo seha-pihariana isan-tsokajiny ihany koa izy ireo. Anisan'izany ny sepa-pamokaram-bary ao an-toerana izay anisany mampalaza azy. Anisany vaindohan-draharahana'ny faritra Bongolava ny fampiroboroboana io sehatra iray io, izay anisany foto-pampandrosoana ny faritra. Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy ny taom-pambolem-bary tany an-toerana.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao amin’ny kaominina Ankadinondry Sakay ny taom-pambolem-bary ao amin’ny faritra Bongolava, izay teo ambany fiahian’ny Govenoran’ny faritra Bongolava, Jeneraly Ramiaramanana Joseph. Nisy ny fanolorana masom-boly voafantina ho an’ireo Kaoperativa mpisehatra amin’ny fambolem-bary tamin’izany. Nisy koa ny fanolorana karatra maha mpamokatra matihanina, niampy fitaovam-pamokarana entina hanampiana ireo tantsaha, nandritra io lanonam-panokafana tany an-toerana io. Notanterahina teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana izany, ary tamin’ny alalan’ny Fiadidiam-paritr’i Bongolava, izay mitarika sy mandrindra ireo asa fampandrosoana eo anivon’ny faritra. Izany no natao dia ho fanatrarana ny « fahavitan-tena ara-bary » sy hahatonga koa io seha-pihariana iray io ho antoky ny fampandrosoana ny faritra.

Notolorana masom-boly voafantina ireo tantsaha matihanina amin’ity seha-pambolem- bary ao an-toerana ity

Tonga nanotrona sy nanome voninahitra io fotoam-panokafana ofisialy io ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, izay iraky ny Fitondram-panjakana foibe, ho fanatanterahana ny velirano fahasivy, izay napetraky ny Filohan’ny Repoblika, hahafahana mizaka tena ara-tsakafo ihany koa. Fantatra, fa efa maro ireo tantsaha no miroso amin’ny fanetsana any an-toerana. Nahavelom-bolo azy ireo koa ny fisian’ny fanampiana natao toy izao, hanampy sy hampitombo betsaka ny famokarana vary any an-toerana.

Fermer