PolitikaSongadim-baovao

MPIKAMBAN’NY CENI VAOVAO VITA FIANIANANA : Hikarakara ireo raharaham-pifidianana eto Madagasikara ao anatin’ny 6 taona ho avy

Tontosa omaly 1 desambra 2021 tao amin’ny Fitsarana Tampony Anosy ny lanonana fandraisana ny fianianan’ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI. Izy ireo izay hisehatra amin’ny fikarakarana ny fifidianana rehetra handeha eto amin’ny firenena ao anatin’ny enin-taona ho avy. Nanatrika ny fotoana omaly ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina.

Tao amin’ny Fitsarana an-Tampony Anosy no notanterahina ny lanonana fandraisana ny fianianan’ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI. Nanatrika izany fandraisam-pianianana izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ireo filoha sy solontenan’ny Andrimpanjakana. Nianiana ny hanatanteraka ny andraikitra sahaniny araka ny didy aman-dalàna mifehy azy ireo sy ny lalàmpanorenena izy ireo. Eo koa ny fitandroana lalandava ny fahamarinana, tsy mitanila, ary handala ny fahamendrehana takian’ny andraikitra sahanin’izy ireo tsirairay avy.

 Mpikambana sivy mirahalahy…

Tsara ho fantatra fa araka ny didim-panjakana laharana faha 2021-1305, tamin’ny 19 novambra 2021, izay anendrena ny mpikambana voatendrin’ny Filohan’ny Repoblika sy anamarinana ny fahalanian’ny mpikambana voafidin’ny Fitsarana Tampony, dia notendrena ho mpikamban’ny Ceni Andriamatoa Dama Andrianarisedo Retaf Arsène sy Andriamatoa Randrianarivonantoanina Tiana Ifanomezantsoa.

Ny didim-panjakana laharana faha 2021-1200, izay noraisina ny Sabotsy 30 Oktobra 2021 kosa no nanendry ireo mpikambana miisa enina hafa ho ao amin’ny Ceni. Tafiditra ao anatin’izany Atoa Razafimamonjy Laza Rabary izay avy amin’ny Antenimierandoholona. Eo koa Atoa Houssene Abdallah, izay voafidin’ny Antenimieram-pirenena. Voafidin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana kosa Atoa Fidimiafy Roger Marc. Etsy ankilany, voatendry ho eo anivon’ny Ceni ihany koa Atoa Jeannot Guy Georges Razafindraibe izay voafidin’ny holafitry ny Mpisolovava. Atoa Andriamarotafikatohanambahoaka Ralaisoavamanjaka kosa indray no solontenan’ny mpanao gazety notendren’ny Filoha. Ary solontena avy amin’ireo fiarahamonim-pirenena miorina ara-dalàna ary miantsehatra ao anatin’ny fanaraha-maso ny fifidianana kosa Atoa Ravalitera Jacques Michaël sy Atoa Andriamalazaray Andoniaina. Izy rehetra ireo dia samy nanao fianianana daholo omaly.

Ho fantatra rahampitso ny Filohan’ny Ceni vaovao

Araka ny lalàna mifehy azy ireo dia hiantso fivoriana tsy ara-potoana ny zokiny indrindra amin’ny mpikambana vaovao amin’ny CENI, telo andro aorian’ny lanonam-pianianana. Araka ny fanazavana, noho izany, dia efa nivory ireto mpikambana vaovao ireto nanomboka omaly, hitohy androany, ary hifarana rahampitso. Isan’ny hodinihina amin’izany ny mahakasika izay ho endriky ny birao maharitra vaovao hitsangana eo anivon’ny Ceni. Izany hoe, hatramin’ny zoma no hahalalana indray izay ho filohan’ny Ceni vaovao. Horesahana ihany koa, raha ny fanazavana, ny mikasika ny fitsipika anatiny mifehy ny Ceni. Ary indrindra ihany koa, hojerena ao anatin’ity telo andro ity ireo asa laharam-pahamehana ho ataon’ny Ceni.

Fanatsarana ny lalàm-pifidianana

Maro ny fanehoan-kevitra nentin’ireo vahiny nasaina tamin’ity lanonana nanaovan’ireo mpikamban’ny Ceni vaovao fianianana ity. Isan’izany ny fanehoan-kevitra nentin’ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Razafitsiandraofa Jean Brunelle, izay nilaza fa anisan’ny andraindraina amin’ny mpikambana vaovao amin’ny CENI ny fanamafisana ny fitokisan’ny vahoaka sy ny fanentanana mba hiakaran’ny taham-pahazotoan’ny olom-pirenena mifidy, izay nidina ambany tokoa tao anatin’ny fifidianana maromaro nifanesy teto amin’ny firenena. Nanambara koa ny mpampaka-tenin’ny CENI teo aloha, Rakotondrazaka Fano, fa andrasana amin’ny mpikambana vaovao ny tokony hirosoana amin’ny fanatanterahana ny tolo-kevitra fanatsarana ny lalàm-pifidianana nentin’ny mpikambana teo aloha sy ny mpanara-maso ny fifidianana.

Fermer