Songadim-baovao

FITSARANA MANAKAIKY VAHOAKA Nampahafantarina tao Tsiroanomandidy ireo lalàna vaovao

Notanterahina tao amin’ny Renivohitry ny faritra Bongolava ny alakamisy lasa teo, ny atrikasa fampahafantarana ireo lalàna vaovao izay nataon’ny Sampan-draharaha misahana ny fanapariahana ny lalàna ao Tsiroanomandidy. Tanjona amin’izany ny hametrahana ny fitsarana manakaiky vahoaka, ary ny hahafahan’ny rehetra mahalala ny lalàna velona misy eto amin’ny firenena. Hifarana anio izany atrikasa fampahafantarana lalàna any an-toerana izany, raha ny fantatra. Notsiahivin’ny teo anivon’ny faritra Bongolava fa tsy hisy fampandrosoana ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna, ary zava-dehibe ho an’ny faritra izao dingana lehibe tanterahin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana izao, araka ny tarigetrany “Bongolava mandroso no tanjona”. Namaly io antso nataon’ny teo anivon’ny Minisitera io moa ny teo anivon’ny Fiadidiana ny faritra Bongolava, ary nisolo tena ny Governoran’ny faritra tamin’izany ny Tale misahana ny raharaha ankapobeny eo anivon’ny Governorat-ny faritra. Niantsoana ireo Ben’ny tanàna rehetra ihany koa izany, ireo Lehiben’ny boriborintany sy Sefo fokontany.

Fermer