PolitikaSongadim-baovaoSosialyToekarena

FANITARANA NY SERANAN-TSAMBON’I TOAMASINA : Hanampy amin’ny fampidinana ny vidin’entana

Tsy mbola hahafahan’ireo sambo lehibe miantsona ny fotodrafitrasa misy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ankehitriny. Tsy maintsy mandalo famindrana entana na « Transbordement » any amin’ny firenen-kafa hatrany ireo sambo lehibe tokony hanatitra entana mivantana aty amintsika. Izany no antony iray lehibe mampiakatra ny saran’ny fitaterana sy ny vidin’ireo entana hafarana amin’ny ankapobeny. Kihon-dalana iray lehibe hampihena ireo vidin’entana hafarana, noho izany, ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina.

Tsy nitsahatra nitombo ny habetsak’ireo entana tonga eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tafakatra hatrany amin’ny 90% izany tao anatin’ny 10 taona. Tsy maharaka ny fitomboan’ny entana miantsona eo amin’ny seranan-tsambo ny fotodrafitrasa misy eo an-toerana ka antony ny fandraisana fanapaha-kevitra hanaovana ny fanitarana. Misy ampahany amin’ny entana ihany koa no tsy afaka raisina mivantana avy hatrany eo amin’ny seranan-tsambo noho ny olana amin’ny fotodrafitrasa. Sambo ara-barotra 6 isan’andro ihany no afaka miantsona eo amin’ny seranana. Milahatra be sy mandany fotoana ny famoahana entana. Tsy maintsy mandoa vola mihoatra eo anivon’ny fadintseranana ihany koa ireo mpandraharaha rehefa tsy tafavoaka ara-potoana ny entana. 40.000 dolara isan’andro izany vola tsy maintsy aloa izany mandrapivoaka ny entana. Tsy maintsy manao « transbordement » any amin’ny firenena hafa ihany koa i Madagasikara toa an’i Mozambika, La Réunion sy Maurice amin’ny famoahana entana. Miteraka fiakaran’ny vidin’entana araka izany ny zava-misy rehetra eo amin’ny seranan-tsambo noho ny fotodrafitrasa tsy maharaka ny habetsaky ny entana tonga. Voakasik’izany manokana ireo kojakoja ilain’ ny vahoaka amin’ny fiainany andavanandro, ny simenitra sy ny siramamy. Fiakaran’ny vidin’entana izay miantraika mafy amin’ny vahoaka. Zava-dehibe, araka izany, ny fanaovana ny asa izay fanitarana sy fanajariana goavana, zato taona taty aorian’ny taonjato faha -19 nisian’ny fanavaozana farany. « Handray anjara amin’ny fampandrosoana, hampidina ny vidin’entana sy hanamora ny fivezivezen’ny entana mivoaka sy miditra eto Madagasikara ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina », araka ny lahatenin’ny Filoha Andry Rajoelina.

Dingana faharoa amin’ny fanitarana

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly 9 desambra tao Toamasina, araka izany, ny dingana faharoa amin’ny asa fanamboarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Ity dingana faharoa ity dia hikasika indrindra ny fanitarana ny môle C izay mirefy 470m ny halavany ary 16m ny halaliny. Amin’ity andiany faharoa ity ihany koa no handrakofana tara ny toerana malalaka mirefy 10ha hametrahana ny conteneurs. Ary indrindra indrindra ny fanitarana ny « brise lames » mirefy 345m sy ny fampitomboana ny halalin’ny rano amin’ny toerana fiantsonan’ny sambo. Eo ihany koa ny fametrahana ireo “jetées” miisa 5 izay ho fiarovana ny sisin-dranomasina tsy ho simba sy ho rava. Amin’ny taona 2023 dia efa hisy ampahany amin’ireo fotodrafitrasa ireo ho azo ampiasaina toy ny terre-plein lehibe mirefy 5Ha sy quai mirefy 333m mba hahafahana sahady handray sambo vaventy mpitatitra conteneurs.

Mitentina 639 tapitrisa dolara na 2390 miliara arairy ny tetibola hanaovana ny fanitarana ka ny 411 tapitrisa dolara amin’izany dia famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana japoney amin’ny alalan’ny fampindramam-bolan’ny ( prêt concenssionnel) JICA( Agende Japonaise de coopération internationale) ary vatsian’ny Fanjakana malagasy vola ny 228 tapitrisa dolara.

Fanampiana avy amin’ny Japoney

Notanterahina omaly maraina ihany koa ny lanonana ho fanaovana sonia ny fanampiana avy amin’ny fanjakana japoney an’i Madagasikara amin’ny lafiny fampitaovana ho fanamboarana ny lalana sy ny fahasalamana eo anivon’ny kaominina Ambonivohitr’i Toamasina. Mitentina 4,1 tapitrisa euros ny vola fanampiana tsy haverina, nomen’ny Fanjakana japoney ho an’ny fampitaovana sy fiara vaventy fanamboaran-dalana izay tafiditra ao anatin’ny « Fandaharan’asa ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy ». Fanamboaran-dalana sy fananganana fotodrafitrasa goavana samihafa ihany koa no efa niarahan’i Madagasikara tamin’ny Fanjakana japoney toy ny « boulevard de Tokyo » , ny fanamboarana ny Avenue de l’indépendance sy ny fanitarana ny seranan-tsambo. Tafakatra 490 tapitrisa euros izany fampiasam-bolan’i Japon iarahana miasa amin’i Madagasikara. Fanampiana mitentina 76,250 euros kosa ny fanampiana faharoa avy amin’ny fanjakana japoney natolotry ny Masoivohony izay nahafaha nanome fiara fitaterana marary miisa telo ho an’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina.

Nambaran’ny Filoham-pirenena ihany koa omaly, fa efa vita ankehitriny ny « étude de faisabilité » ny fanamboarana ny lalana migodana mampitohy Antananarivo sy Toamasina izay mandalo an’Ambatondrazaka ka hanomboka tsy ho ela izany. Mifanindran-dalana amin’izany tetikasa izany ihany koa ny fanamboarana lalam-by mirefy 370km.

Fermer