PolitikaSongadim-baovao

FILOHAN’NY CENI : « Voahaja tanteraka ny didy aman-dalàna momba ny fanendrena anay »

Tontosa omaly ny famindram-pitantanana teo amin'ny Filohan'ny Ceni vaovao, Dama Andrianarisedo Retaf Arsène sy ny teo aloha, Hery Rakotomanana. Nisy avy hatrany taorian'izay ny resaka nifanaovan'ny Filohan'ny Ceni vaovao tamin'ny Mpanao gazety nitondrany fanazavana mahakasika ireo resabe miely amin'ny fanendrena ireo mpikamban'ny Ceni ankehitriny. Notsindriany fa nanaraka izay voalazan'ny didy aman-dalàna tanteraka ny nanendrena azy ireo.

Tokony havela hiasa aloha ny mpikambana vaovao fa tsy vao aty am-boalohany dia efa hametrahana ahiahy sahady, hoy ny Filohan’ny Ceni vaovao, Dama Andrianarisedo Retaf Arsène, raha niresaka mahakasika ireo fanakianana samihafa manodidina ny fomba nanendrena azy ireo. Notsindriany fa nialohan’ny nandrasan’izy ireo asa dia efa nisy ny fianianana izay natao. « Saropady izany manao fianianana hanao asa amin’ny antsakany sy andavany ary hampahamendrehana izany. Nanaiky izahay fa tsy hitanila na amin’iza na amin’iza », hoy ny fanazavana.

Nambarany, fa ny fanendrena ny mpikambana ao amin’ny Ceni dia didy aman-dalàna no mamaritra azy. Ao ny tendren’ny Filoham-pirenena, ny hatolotry ny Antenimieram-pirenena, ny Antenimierandoholona, ny Fitsarana Tampony, ny fiarahamonim-pirenena, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny Holafitry ny Mpanao Gazety, Holafitry ny Mpisolovava. « Am-panetretena no itenenanay fa voahaja amin’ny antsakany sy andavany ireo fanendrena ireo » hoy izy. Misy fotoana ihany koa hafangaron’ny olona, hoy izy, ilay antsoina hoe « Régime d’incompatibilité ». Ohatra hoe, voatendry ho mpikamban’ny Ceni, kanefa manao andraikitra hafa anaty asam-panjakana, na mpikambana anaty kabinetra, na manana andraikitra hafa any amn tsy miankina ka andraisam-bola, izay tsy azo atao mihitsy. Nanizingizina, noho izany, ity Filohan’ny Ceni vaovao ity fa ara-dalàna, ary voahaja tanteraka ny didy aman-dalàna momba ny fanendrena azy ireo. Raha mahakasika ny Etika sy ny moraly kosa, dia izay no anton’ny nanaovana ny fianianana, hoy izy.

Adihevitra momba ny « Doublon »

Sarotra ny tsy hiresaka ny raharaha « Doublon » rehefa misy ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana. Nitondra ny fomba fijeriny sy ny heviny mahakasika izany indrindra ny Filohan’ny Ceni vaovao omaly. Nambarany fa taorian’ny fahavitan’ny fianianana ny herinandro teo dia efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny teknisianina tao amn Ceni. « Misy ny tsy fitovian-kevitra amin’ilay teny hoe « doublon » », hoy izy. Inona ilay antsoina hoe « doublon »? Moa ve ilay olona mitovy laharana karapanondro nefa olona roa samihafa? Sa olona mitovy anarana, fanampin’anarana, mitovy Ray aman-dReny, daty nahaterahana, ny laharan’ny karapanondrom-pirenena sy ny fotoana nanaovana, kanefa toerana samihafa no ahitana io olona io? Raha ilay voalohany no resahana, amin’ny maha olombelona mety misy latsaka tamin’ny fandikana ny karapanondrom-pirenena. “Araka ny taratasy nojerenay, ny laharana no mety mitovy, fa ireo olona ireo dia olona samihafa, izany hoe, samy nanana zo hifidy avokoa”, hoy ny fanazavany. Ilay faharoa kosa dia tsy nahitana tranga. Izany hoe, raha io tranga faharoa io izay antsoina hoe « inscription multiple » dia tsy nisy tao anatin’ny antontan-kevitra izay tonga teo am-pelantanan’ny birao vaovao.

Tsara tsindriana fa vita omaly ny famindram-pahefana teo amin’ny Filohan’ny Ceni vaovao sy ny teo aloha. Tamim-pirahalahiana tanteraka no nanaovana izany, fa na izany aza, tsy maintsy dinihina ny antontan-kevitra izay natao famindram-pahefana, hoy ny Filoha vaovao. Nisy tamin’ireny antontan-kevitra ireny no natao sonia avy hatrany. Toy ny antontan-kevitra mirakitra ny firafitry ny Ceni sy ny olombelona mandrafitra izany, eo koa ireo mikasika ny enti-manana rehetra. Eo koa anefa ireo antontan-kevitra izay tsy natao sonia teo, fa noraisina ihany, izay mahakasika ny tatitra ankapobeny, mahakasika ny fanatsarana ny Ceni, mahakasika ny fanentanana ny olom-pirenena handray anjara amin’ny fifidianana sy ny sisa.

Fermer