KolontsainaSongadim-baovao

HAREMBAKOKA IRAISAN’IZAO TONTOLO IZAO: Fanavaozana maro no natao teny amin’ny Vohitr’Ambohimanga

14 Desambra 2001 - 14 Desambra 2021. Feno roapolo taona katroka ny nanoratana ny Vohitr’Ambohimanga ho ao anatin’ny Harembakoka iraisan’izao tontolo izao. Nisy ny fanamarihana izany nandritra ny roa andro, izay nifarana omaly, teny amin’ny Vohitr’Ambohimanga. Hetsika izay notarihin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina. Nandritra izany koa no nanehoana ireo fanavaozana rehetra natao tao amin’ity toerana ity.

Roapolo taona omaly no nanoratana ny Vohitr’Ambohimanga ho ao anatin’ny lisitry ny « Harembakoka iraisan’izao tontolo izao ». Notanterahina teny amin’ny Rovan’Ambohimanga ny lanonana fankalazana. Nisy ny diabe niarahana niainga teo amin’ny takelaby vaovao voalohany famantarana ny « Vohitr’Ambohimanga Harembakoka iraisan’izao tontolo izao » izay nifarana teo amin’ny Fidasiana izay nisian’ny kabary nifandimbiasana.

Taorian’izay dia nisy ny fanokafana ny takela-pahatsiarovana sy ny fitsidihana ireo fanavaozana sy fanatsarana rehetra nataon’ny Minisitera. Ny lehibe indrindra amin’izy ireny dia ny fametrahana jiro na ny « electrification » ny Rova rehefa tsy nisy nandritra ny 16 taona. Nanolotra « groupe electrogène » ihany koa ny Minisitera mba ahafahan’izany Rova izany misy jiro hatrany.

Tamin’ny ankapobeny, maro dia maro ny fanavaozana nataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina teny an-toerana. Isan’izany ny takelaby maromaro manamorona ny arabe famantarana izany toerana izany. Ao ny barrière, ny kiosque fandraisana ireo mpitsidika dieny ary am-pidirana ary, ao ihany koa ny nanavaozana sy nanadiovana ny teo Ambatondrangotina nisy ny fanandratana ny mpanjaka, ny nanamboarana sy ny nanavaozana ny Fidasiana, ny nanamboarana ny vavahady sy ny fitazomana, nanaovaozana sy nanamboarana ireo sora-pamantarana rehetra, sy ny sora-panazavana ireo atao hoe « collection » izay raha teo aloha dia taratasy natao impression, ankehitriny kosa dia mba manaraka ny fenitra. Ao ihany koa ny fanavaozana ny loko izay efa nisy fahasimbany sy ny sisa maro hafa.

Fitsidihana amin’ny alalan’ny teknolojia

Tao anatin’ireto fanavaozana natao ho fanamarihana izao faharoapolo taona izao dia nisy ampahany natao avy amin’ny fanohanana nentin’ny Masoivoho Sinoa izay notoloran-dRamatoa Minisitra fisaorana manokana.

Hahafahana mampiditra ity toerana ity ho ao anatin’ny fitsidihana manarapenitra sy maoderina dia fanambin’ny Minisitera ny hametraka “visite virtuelle”. Izany hoe, fitsidihana amin’ny alalan’ny haitao ara-kajy mirindra ny Rovan’Ambohimanga. Eo koa ny fahafahana mametraka fitahirizan-drano, satria ny toerana dia tsy misy rano. Ankoatra izay dia nambaran-dRamatoa Minisitra fa manana lanja manokana izany hoe « Harembakoka iraisan’izao tontolo izao » izany satria iombonantsika amin’izao tontolo izao ny fananana ity toerana ity. Mitaky fiarovana, mitaky fikolokoloana, mitaky fikarakarana, mitaky indrindra indrindra fitiavana izao toerana izao hoy izy. Koa nanentana ny Malagasy sy ny mponina eny an-toerana hitia, hiaro, hikolokolo itony toerana itony.

Fermer