PolitikaSongadim-baovaoToekarena

FIFANARAHANA TAMIN’NY RAVINALA AIRPORTS : Hisokatra anio ny seranam-piaramanidina vaovao eny Ivato

Notanterahina omaly 15 desambra 2021 ny fanaovan-tsonia ny fanavaozana ny fifanarahana amin'ny fitantanan'ny Ravinala Airport ireo seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy Be. Tamin’ny ankapobeny, natodika bebe kokoa nankaty amin’ny tombontsoan’ny Firenena malagasy izany, raha mitaha amin’ilay fifanarahana teo aloha. Anio, araka izany, no voafaritra fa hisokafan’ny seranam-piaramadinina vaovao eny Ivato, sy ny any Nosy Be.

Vita Sonia niaraka tamin’ny Filoha Tale Jeneralin’ny Vondrona Meridiam, Thierry Déau, omaly, ny fanavaozana ny fifanarahana amin’ny fitantanana ny seranam-piaramanidina etsy Ivato sy any Nosy Be. Ity fifanarahana nohavaozina ity, izay mitsinjo kokoa ny tombontsoan’ny Firenena malagasy raha mitaha amin’ny teo aloha. « Natao laharam-pahamehana ny fijerena ny tombontsoan’ny firenena Malagasy sy ny tombontsoan’ny kaompaniam-pitaterana Malagasy. Ary nisy ireo fivoriana natao mba hijerena izay tsy hahafaty antoka ny firenena Malagasy amin’ny fitantanana ireo seranam-piaramanidina ireo. » hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana ny hampitomboana ny isan’ny mpizahatany. Ho fanatanterahana izany dia mila hatsaraina ireo fotodrafitrasa fandraisam-bahiny sy ny toerana fitsidihan’ireo mpizahatany ary indrindra fa ny seranam-piaramanidina izay vavahady idiran’ireo vahiny eto amintsika.

Fanovana vitsivitsy

Ravinala Airport no hitantana ny seranam-piaramanidin’Ivato manomboka eto, arak’io fifanarahana io. Raha 28 taona ny hitantanan’izy ireo izany dia nahena izany fe-potoana izany ao anatin’ity fifanarahana vaovao ity. Nijanona tamin’ny vidiny teo aloha ny saran’ny hofan’ny toerana ampiasain’ny Air Madagasikara raha toa ka nampiakarina arivo folo heny izany tamin’ny fifanarahana teo aloha. Nahena 50% ihany koa ny hetra sy haba halohan’ny fiaramanidin’ny Air Madagascar. Ny « redevance fixe de concession » kosa dia nampiakarina 4 tapitrisa raha toa ka 3 tapitrisa tamin’ny fifanarahana teo aloha. Tsy maintsy tompon’antoka na actionnaire anatin’ny duty free ihany koa ny Sofitrans. Taorian’ny fandresen-dahatra nataon’ny Fitondram-panjakana dia nahena ihany koa ny Redevance de Développement des Infrastructures Aéroportuaires na RDIA izay misy fiantraikany ihany koa amin’ny fidinan’ny vidin’ny tapakila.

« Ny tombontsoan’ny Firenena Malagasy no mibaiko ahy ka tsy maintsy nitady ny marimaritra iraisana isika mba hahafahana mandroso » hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Anio 16 desambra 2021 no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ity seranam-piaramanidina Ivato ity, raha ny fanazavana hatrany.

Fermer