PolitikaSosialyToekarena

FAMPANDROSOANA MANERANA NY NOSY Miady mafy ho an’ny tapany Avaratra ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona Besoa Erick

Marolafy ny fangatahana nataon’ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona Besoa Erick, tamin’ireo minisitra maromaro nihaona tamin’ireo Loholon’i Madagasikara, ny herinandro lasa teo. Fampandrosoana haingana sy mipàka mivantana amin’ny vahoaka no katsahin’ity tompon’andraikitra napetraky ny Filoha ity, raha ny fantatra…

Anisan’ireo Loholon’i Madagasikara nandray fitenenana betsaka indrindra nametraka fanontaniana sy nandroso soso-kevitra tamin’ireo mpanatanteraka eo anivon’ny Governemanta, nandritra ny fihaonana teo amin’izy ireo sy ny Loholon’i Madagasikara, ny Loholona Besoa Erick, ny alakamisy 16 desambra lasa teo. Marolafy ny fampandrosoana voalazany tamin’izany, tao no efa tanteraka sy an-dalam-pantantanterahana izay nankasitrahany ny mpitondra tarihin’ny Filohan’ny Repoblika, fa tao koa ireo asa miandry ny fanatanterahan’ireo Minisitra, amin’iny faritra Avaratry ny Nosy iny no nangatahany sy nampahatsiahiviny, ary nanairany azy ireo. Eo amin’ny lafiny fanabeazana dia fantatra fa tsy ampy ny efitrano fianarana ao amin’ny Lisea Maroantsetra, izay niforona ny taona 1983. Raha mpianatra 3 000 no afaka BEPC, dia ny 350 amin’izany ihany no tafiditra Lisea, ka nangatahan’ny Loholona Besoa Erick, ny fanatanterahan’ny minisitera tompon’andraikitra fanampiana efitrano. Anisan’izany koa ny Lisea ao Anjahana Maroantsetra, izay tsy ampy efitrano fianarana. Nambaran’ny minisitra tompon’andraikitra fa maro ireo sekoly mila fanavaozana, ka anisan’izany ny ao Maroantsetra ireo, izay tafiditra anatin’ny laharam-pahamehan’ny Minisitera avokoa. Notsiahivin’ny Minisitra, fa ireo mpiandraikitra ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana no miara-miasa amin’ireo Ben’ny tanàna, ary mampahafantatra ny zava-misy amin’ny minisitera. Ankehitriny, sekoly manara-penitra 372 no efa vita hatramin’ity taona ity, ary hamafisina ny taona 2022 ny fanatsarana ny kalitaom-panabeazana. Eo amin’ny fitaterana an-dranomasina dia fantatra fa maro ireo mponina mivelona amin’izany, amin’ny tapany avaratry ny Nosy. Nambaran’ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona ity, anefa, fa misedra olana eo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin-tsolika izy ireo, izay mitarika indrindra fiakaran’ny vidim-piainan’entana tanterin’izy ireo, izay mihatra amin’ny fiainan’ny mponina any an-toerana. “Raha 3 400 Ar ny vidin’ny litatry ny gazoala eny amin’ireo station de pompage, dia vidian’izy ireo 3 660 Ar izany”. Ho fifehezana ny vidin’entana io koa, dia nandroso soso-kevitra ny tenany, mba hisian’ny fanampiana eo amin’ny minisiteran’ny fitaterana sy ny governemanta, manoloana ny fiakaran’ny gazoala. Nanentana ny Minisitry ny Fitsarana zanaky ny faritra Avaratra koa ny tenany hifarimbona aminy hiara-hientana amin’ny Minisitry ny fitaterana, mba hijerena ny tombontsoan’ireo mpitatitra an-dranomasina, izay fantatra fa anisany mitondra fampandrosoana. Manoloana ny fahalalahan’ny mpaninjara manao izay tiany amin’ny vidina gazoala, dia nambaran’ny Minisitry ny Angovo, fa tsy eken’ny fanjakana izany, antony namoahany vidiny tamin’ny marimaritra niraisana. Azo eritreretina koa ny fanampiana nangatahan’ny Loholona, saingy tsy mbola tafiditra anaty teti-bola 2022, izany, saingy azo dinihina anatin’ny Filan-kevitry ny Minisitra sy ny Governemanta.

Hopitaly manara-penitra, fanamboaran-dalana…

Nampitaraina mpandeha maro ny lalam-pirenena fahadimy hatramin’izay, ankehitriny ho voavaha izany

Taorian’ny fidinana ifotony notanterahin’ireo tompon’andraiki-panjakana tany Maroantsetra farany teo, dia fantatra fa tanterahina ao Maroantsetra, taorian’ny Filan-kevitry ny Minisitra, ny fananganana hopitaly manara-penitra iray noho ny fahanteran’ny fotodrafitrasa, ary ho fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka. Raha nampikaikaika ny vahoaka sy mpampiasa lalana maro tany aloha koa, ny RN5, izay mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Maroantsetra, dia tanterahina amin’izao fotoana ny fanamboarana izany. Nankasitrahan’ny Loholona Besoa Erick, ny Fitonram-panjakana avokoa izany rehetra izany. Nangatahany kosa, ny hanaraha-maso ny fanatanterahana ny asa mba ho lovan’ny taranaka sy reharehan’ity Fitondrana ity. Angatahany koa ny hanamboarana ny lalana 30 km mampitohy an’Anjahana sy Mahavelona. Eo amin’ny lafiny angovo ihany, dia nangatahany hisitraka ny famokarana avy amin’ny Central hydroéléctrique ny ao Ivoloina, toerana misy io famokarana io, mba tsy ho maizina ampototry ny mazava.

Toho-drano manondraka lemaka, tombontsoan’ireo mpanjono…

Mikasika ny fambolena ao Maroantsetra izay fantatra fa anisany sompitry ny vary tany aloha, dia nambara fa maty momoka ny tetikasa fitarihan-drano ao Vodiriana. Etsy an-kilan’izany, fotoana hanarenana ny tsy vita 20 taona lasa izao, hoy ny minisitry ny Fambolena. Nampanantena ny tenany fa hojerena tsikelikely ny fanatanterahana io tetikasa ao Maroantsetra io. Nomarihan’ny Filoha lefitra misahana ny tapany Avaratra, fa io tsy fisiana tohodrano io no mahatonga fahalafosan’ny vary any an-toerana. Mitaky paikady hanarenana ireo lakan-drano potika tsy afaka manondraka lemaka, araka izany, ity loholon’i Madagasikara, mba hahafahana manana ambim-bava sy ho afaka manondrana mankany ivelany. Fa anisany mamatsy hazandrano betsaka ho ana faritra maro ihany koa ny ao Maroantsetra amin’ny alalan’ny fisian’ny elodranon’Antongil, any an-toerana. Mahatsiaro ho tsy manan-jo feno sy iharan’ny fanilikilihana matetika, anefa, ireo mpanjono madinika, noho ny fisian’ireo sambo lehibe manjono manodidina. Nangatahan’ny loholona tamin’izany ny faritra hahafahan’ireo mpanjono lehibe miditra, sy ny anaran’ireo sambo, satria lasa tompony mangataka atiny ireo mpanjono any an-toerana. Nambaran’ny minisitra lefitra misahana ny Jono, fa 02 amin’ny 1,67 no hahafahan’ireo sambo mitsofoka akaiky indrindra, ary anjaran’ny fiantohana ara-jono any an-toerana no manao ny fanaraha-maso izany. Anisan’ireo sambo lehibe manao jono ao Antongil kosa, ny Somapêche avy any Mahajanga.

Samy nitondra ny hetaheta sy ny soso-keviny entina hampandroso ny toerana niaviany avy, ireo Loholon’i Madagasikara

Heverina izay hananan’i Maroantsetra kianja manara-penitra…

Anisany toerana manana ny lazany ara-panatanjahan-tena eo amin’ny lafiny baolina kitra, ny ao Maroantsetra. Indrokely anefa, ny tsy fananan’izy ireo kianja manara-penitra, toy ny amin’ny faritra maro. Nangatahan’ny Filoha lefitra Besoa Erick, ny hananany io kianja manara-penitra io, sy ny hananany mpampianatra EPS matihanina. Tsy nisalasala ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, namaly fa ireo fangatahan’ny Parlemantera dia raisiny avokoa, ary tanterahin’ny Fiadidiana ny Repoblika. “Hiady varotra ho an’i Maroantsetra aho, ary hivoaka tsy ho ela izany. Homena mpampianatra EPS matihanina koa izy, amin’ireo mpampianatra vao navoaka”…

 

Fermer