SosialyTrangam-piaraha-monina

HETSIKA « HENJA 2021 » TAO BONGOLAVA Tsara ny vokatra, omby maherin’ny 400 azon’ny mpitandro filaminana

Laharam-pahamehan’ny Governoran’ny faritra Bongolava ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, izay fantatra tany aloha fa faritra mena amin’izay tsy fandriam-pahalemana izay. Ho fantanterahana koa ny velirano voalohany nataon’ny Filohan’ny Repoblika, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Etamazaoron’ireo Tafika, dia notanterahina ny 21 desambra lasa teo ny lanonam-pamaranana ny « operation Henja 2021 », ka ny Talen’ny fikaroham-baovao eo anivon’ny Etamazaoron’ireo Tafika, no namarana izany tamin’ny fomba ofisialy tany an-toerana. Fantatra, fa iray volana sy tapany teo no nanombohan’ny hetsika « Henja 2021 », ary izao nofaranana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny 2èm BIA tao Tsiroanomandidy, izao. Nisy ireo omby azo teny am-pelatanan’ny olon-dratsy izay maherin’ny 400, araka ny loharanom-baovao voaray tany an-toerana, izay nanamarika indrindra ity hetsika notanterahina teo ity. Nambaran’ny Jeneraly Bearson Phillipe, Talen’ny fikaroham-baovao eo anivon’ny Etamazaoron’ireo Tafika, fa « vita hatreo amin’ny fahazoana ireo omby ny anjaran’ny Tafika malagasy, ary natolotra ireo mpanam-pahefana ao Bongolava ny fanohizana ny fanadihadiana ny raharaha sy ny fikirakirana taratasim-panjakana mikasika ireo omby azo rehetra ». Nambaran’ny Governoran’ny Faritra Bongolava, Jeneraly Ramiaramanana Joseph, ihany koa, fa mitohy hatrany ny fanatsarana ny fandriam-pahalemana izany tanterahina ao Bongolava. « Tsy afa-misaraka amin’ny mpitandro filaminana ny eto anivon’ny faritra Bongolava manoloana izany ezaka tsy maintsy tratrarina izany », raha ny nambarany. Nisaorany manokana tamin’io fotoana io ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Foloalindahy malagasy, ary indrindra ny Filoham-pirenena izay nametraka ny velirano voalohany nahatonga ny hetsika toy itony. Ny hampandry fahalemana an’i Madagasikara no tanjon’ny foloalindahy malagasy, ary manamafy ny ezaka tanterahina anatin’izany ireo tompon’andraikitra mpitandro filaminana, amin’ny fanatsarana ireo paikady hanjakan’ny fandriam-pahalemana manerana ny faritra rehetra.

Nahazo tombony ireo zaza kamboty amina fikambanana vitsivitsy ao Bongolava, tamin’ity fanomezana avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika ity

Tetsy an-kilan’izany, tonga nanatanteraka hetsika ara-tsosialy tao an-dRenivohitry ny faritra koa ny teo anivon’ny Fitalevana misahana ny asa sosialy sy ny ara-politika (DASP) eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, tamin’ny solontenan’ny Taleny. Zaza kamboty sy sahirana tao amin’ny fikambanana « ONG enfant de Tsiro » sy ny « Centre Bel’air » ary ny « ONG FAMI » no nisitraka izany. Nankasitraka izao fihetsika fanehoam-pitiavana nasehon’ny Filoham-pirenena sy ireo mpiara-miasa aminy izao, ny governoran’ny Bongolava.

Fermer