PolitikaSongadim-baovao

FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO: Malagasy roa sarona niaraka tamin’ny volamena 49kg tao Kaomoro

Na dia maro aza ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana hanatsarana ny seha-pihariana volamena ho tombontsoan’ny firenena dia mbola misy hatrany ireo minia mihoatra ny fefy, izay tsy manaratsy endrika ny Fitondram-panjakana fotsiny ihany, fa ny Firenena malagasy iray manontolo mihitsy. Omaly, olona telo indray no sarona tao Kaomoro, izay teratany malagasy ny roa, nikasa hiondrana an-tsokosoko niaraka tamin’ny volamena 49kg.

Araka ny fampitam-baovao navoakan’ny Pejy ofisian’ny zandarmaria ao Comores omaly tolak’andro, dia volamena “lingots d’or” milanja 49kilao no tra-tehaka tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Prince Said Ibrahim (AIMPSI) ao Comores. Olona telo no voasambotra niaraka tamin’izany, ka teratany malagasy ny roa amin’ireo, araka ny fampitam-baovao. Hatramin’ny omaly, tsy mbola nisy fanambarana na fanomezana antsipiriany mahakasika an’ity tranga ity nataon’ny Fadintseranana malagasy. Tsy mbola nanome fanampim-baovao ihany koa ny zandarimaria ao Comores fa raha ny angom-baovao natao dia volamena avy eto Madagasikara ireto sarona tao Comores ireto, ary mbola nokasaina ho alefa any amin’ny firenena tena handray izany. Efa notazomin’ny mpitandro filaminana kosa ireo telo lahy tra-tehaka ireo, omaly, araka ny fantatra hatrany.

Nisesisesy ny tranga tamin’ity taona ity

Niseholany ny trangana fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena tamin’ity taona ity. Raha tsiahivina, vao niandoha ny taona 2021 dia efa nipoaka ny raharaha volamena 73,5Kg tratra tao Afrika Atsimo. Io raharaha io izay mbola mitohy amin’ny fanadihadiana mandrak’ankehitriny. Vao tsy ela ihany koa no notaterina teto ny mahakasika ny raharaha volamena milanja 23,5kg sarona tao amin’ny Nosy Seychelles. Isan’ny nanaovana lahatsoratra manokana teto amin’ny gazety mihitsy ny amin’ny hoe ahina ho tafaporitsaka any Dubai ny tena tompon’antoka tamin’ity fanondranana an-tsokosoko volamena tao Seychelles ity. Ankehitriny, volamena 49kg indray no hita any Kaomoro. Maro ny fanontaniana azo apetraka, fa andeha ho bangoina tokana fotsiny amin’ny hoe aiza no mety misy lesoka amin’ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ireny harem-pirenena ireny? Ny zava-misy tsy azo lavina tokoa mantsy dia toa efa any amin’ny firenen-kafa hatrany ireo volamena ireo vao tratra, miaraka amin’izay everina ho olona miaraka aminy. Izany hoe, manao ny asany araka ny tokony ho izy izany ny tomponandraikitra misahana ny fiarovana ny sisintany any amin’ireny firenena ireny, raha toa ka mampametra-panontaniana izany ho antsika eto Madagasikara.

Manimba endrika an’i Madagasikara

Na tiana na tsy tiana, manimba endrika an’i Madagasikara sy ny Fitondram-panjakana ny tranga toy ireny. Toa maneho fa gaboraraka ny fitantanana ny harem-pirenena eto amintsika. Mifanohitra amin’izany anefa ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana ho fanatsarana ity seha-pihariana volamena ity, ho tombontsoan’ny firenena malagasy. Tafiditra tao anatin’ny ezaka efa natao ny famerana ny fanondranana volamena mankany ivelany nanomboka tany amin’ny telovolana faran’ny taona 2020. Teo ihany koa ny fananganana ny tahirim-bolamena ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Ary ny fanerena ireo orinasa mpanondrana volamena hamerina ny vola vahiny eto an-tanindrazana. Olom-bitsy mikatsaka ny tombontsoa manokany izany ankehitriny no lasa manaratsy endrika ny Fitondram-panjakana sy ny Firenena malagasy iray manontolo, ka tokony handraisan’ny tomponandraikitra ny fepetra hentitra mifandraika amin’izany.

Fermer