Songadim-baovaoSosialy

TRANGA VAOVAO MAHERIN’NY ROA ARIVO: Nosokafana indray ny CTC-19 Alarobia, mila hamafisina ny fanajana fepetra

Manoloana ny firongatry ny valanaretina Covid-19, nilaza ny Filoha Andry Rajoelina fa mila miomana amin'ny fisedrana ny andiany fahatelo isika Malagasy. Raha ny antontanisa nivoaka ny Sabotsy 01 Janoary 2022 teo no jerena, dia tafiakatra 2 155 ny fitambaran’ireo tranga vaovao voamarina fa mitondra ny Coronavirus. Tranga mitaky ny fanamafisana ireo fepetra sakana rehetra hisorohana ny fiparitahan’ny tsimokaretina.

Tamin’ny fitiliana miisa 10 284, natao teo anelanelan’ny 25 ka hatramin’ny 31 Desambra 2021, tafiakatra 2 155 ny fitambaran’ireo tranga vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus teto Madagasikara. Ny 170 tamin’ireo dia vokatry ny “Tracing contact”, araka ny tatitry ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.

Teto Analamanga avokoa ny 1 620 tamin’ireo tranga vaovao ireo, raha toa ka tao Vakinankaratra ny 122. 89 kosa tao Atsimo Andrefana, Diana 81, Anosy 44, Vatovavy sy Fitovinany 43, Matsiatra Ambony 38, Atsimo Atsinanana 34, Atsinanana 32. Saika nanodidina ny 10 sy latsaky ny 10 daholo kosa ny tranga hita tany amin’ny Faritra hafa. Tao anatin’io elanelam-potoana io, niisa 1277 ireo marary sitrana. Mbola miisa 275 kosa ireo anaty tranga misy fahasarotana, raha toa ka efa 40 ireo namoy ny ainy.

Mahazaka marary 250 ny CTC-19 Alarobia

Manoloana ity antontanisa miakatra ity, nanapa-kevitra ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamana fa hanokatra indray ny “Centre de Traitement de Covid-19” CTC-19 etsy Alarobia. Ny sabotsy teo, nanomboka tamin’ny 05ora hariva io fisokafana io. Toerana izay afaka mandray marary 250 araka ny nambaran’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Zely Arivelo Randriamanantany. Vonona ny Mpiasan’ny fahasalamana, efa vonona ihany koa ireo fitaovana sy fanafody entina mitsabo, hoy ny fanazavana. Raha mikasika ny herinaratra manokana dia efa vonona ny « Groupe » manerana ieo CTC-19 sy Hôpitaly rehetra hisorohana ny mety ho fahatapahana, misy ny solika. Vonona ihany koa ny « oxygène » ary misy « concentrateurs d’oxygène » isaky ny fandrianan’ny marary araka ny nambaran’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka hatrany.

Amin’ny maha CTC-19 azy izay dia ireo mararin’ny covid-19 maneho « forme modérée » no raisina an-tanana ao amin’ny CTC- 19 Lycée Technique Alarobia. Mitohy hatrany koa ny fandraisana marary eny anivon’ireo CTC-19 hafa efa am-perinasa eto Analamanga, dia ny CTC-19 Village Voara Andohatapenaka sy ny CTC-19 Soamandrakizay. « Entanina araka izany isika, tsy hiandry harary be vao hanatona ireny Toeram-pitsaboana ireny ahafahana mitsabo mialoha ny aretina sy misoroka ny tranga misy fahasarotana izay mety hiteraka hatrany amin’ny fahamoizana aina mihitsy”, hoy ny Minisitra tomponandraikitra.

Miomana amin’ny andiany fahatelo

Nandritra ny fandaharana nataony ny faran’ny taona 2021 teo, nilaza ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina fa efa mila miomana amin’ny fiatrehana ny andiany fahatelo isika eto Madagasikara. Nambarany fa efa maro ireo firenena any Eoropa sy any ivelany rehetra any no misedra ny andiany fahefatra sy fahadimy.  Dikany, mila hamafisina ny fanajana ireo fepetra sakana rehetra mba hahatongavantsika amin’izany ihany koa. Nandritra ny fiatrehana ny fety teo, nambaran’ny Minisitry ny Fahalasamana fa maro tamin’ny olona no tsy nanaja ireo fepetra rehefa fisorohana ny valanaretina, na tsy hilaza afatsy ireo sary miparitaka any anaty tambajotran-tserasera sosialy any aza. Mila miray hina, noho izany, ny rehetra mba hahafahana mifehy ny fiparitahan’ny aretina.

Fermer