PolitikaSongadim-baovao
TAONA 2022: Hitohy amin’ny fanatanterahana ireo Vina ny Fitondram-panjakana
Tao anatin’ny lahateny famaranana ny taona 2021, ny zoma 31 Desambra 2021 teo, no nanambaran’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ihany koa ireo vina hotanterahana amin’ity taona 2022 ity. Maro ireo tetikasa ho atao, ary saika mifototra amin’ireo tetikasa mamaly ny filan’ny mponina avokoa izany, araka ny fanambaran’ny Filoha. Ary mipetraka hatrany ihany koa ny amin’ny hoe “Tsy misy intsony Distrika adino manerana ny Nosy”.
Hatomboka amin’ny taona 2022 ny « autoroute » voalohany eto Madagasikara izay mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Tao anatin’ny roa taona, nijery ny fomba hametrahana ity “autoroute” ity ny Fanjakana. Mirefy 260km izany, ary ho atao ao anatin’ny adin’ny roa sy sasany rehefa vita. “Tsy maintsy atomboka amin’ny taona vaovao ihany koa ny RN13, mampitohy an’i Taolagnaro sy Ambovombe », hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny 31 desambra 2021 teo. Anisan’ny ezahina hotanterahina amin’ny taona 2022 ihany koa ny lalana mampitohy an’ Ihosy sy Betroka, izay volantsika malagasy madiodio no hanamboarana azy. Manana vina ny hanao ny lalana mampitohy ny morontsiraka Atsinanana manontolo ihany koa ny Mpitondra ankehitriny, manomboka aty Manajary ka hatrany Maroantsetra, ka « Lalan’ny Masoandro » no ho atao anaran’izany lalana izany.
Isan’ireo noresahin’ny Filoha Andry Rajoelina betsaka ihany koa ny mahakasika ny TPC (Transport Par Câble) na ny teleferika. Ity farany izay vahaolana amin’ny fitateram-bahoaka sy ny fitohanana’ny fiarakodia eto an-drenivohitra, araka ny fanambarana. Laharampahamehana noho izany izy ity, moderna, madio, azo antoka, mari-potoana, miaro ny tontolo iainana, manatsara ny tanàna, hoy ny Filoha. Nanaraka ny an-tanan-tohatra ny fanatanterahana azy, nanaovana « études d’impact environnemental et culturel » niaraka tamin’ny ONE sy Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. “Efa natomboka ny asa dia tsy maintsy hotanterahina”, hoy ny Filoha. Etsy ankilany, efa miroso lavitra koa ny fanatanterahana ny tetikasa fitaterana “train urbain”.
Lalana, Angovo, Rano, …
Ankoatra ireo, noresahan’ny Filoha manokana ihany koa ny mahakasika ny Orinasa Jirama. Nambarany fa mila ezaka manokana ny fitantanana ny Jirama. Manainga ny mpitantana ny orinasa rehetra hitondra vahaolana, hoy izy. Nandritra izany no nanambarany ny maha zava-dehibe ny tetikasa “Sahofika”, izay hampitombo ny famokarana herinaratra hatrany amin’ny 300mwt. Amin’ity taona 2022 ity ihany koa, tsy maintsy hosoloina tanteraka ny ankamaroan’ireo fantsona mpitsinjara rano eto an-drenivohitra. Miantomboka amin’ny taona 2022 izany na eto Antananarivo na amin’ireo tanàna hafa, hoy ny fanazavana. Efa hotokanana amin’ny herinandro ihany koa ny toerana fampitomboana famokarana rano ao Mandroseza.
Etsy ankilany, ity 2022 ity ihany koa no taona hanombohana ny fametrahana ny Pipeline hampidirana rano any Atsimo. Hanomboka amin’ity taona ity ihany koa ny fametrahana ny tetikasa Tanàmasoandro, sy ny lalana aingam-pandeha miainga eo amin’ny kianja makis mihazo ny tanàna vaovao, ary ny flyover izay hanamaivana ny fifamovoizana eny Anosibe, Anosizato, Itaosy. Fanajariana ny Tany, fananganana ireo biraom-panjakana rehetra no ho atao mialoha, hoy ny Filoha. Mahakasika ny Lalam-pirenena kosa, ho vita amin’ity taona ity ny RN 5A, mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar. Efa natomboka kosa ny RN6 sy ny RN 44 sy ny sisa maro hafa.




