Fanadihadiana ManokanaPolitikaSosialyToekarena

FITATERANA AN-TARIBY (TPC) : Vahaolana amin’ny fitohanana, ara-toekarena sy ara-tontolo iainana

Laharampahamehana tokoa ve ny fanatanterahana ny tetikasa « Téléphérique » ? Tsy misy tetikasa hafa maika kokoa ve mihoatra amin’izany? Saika manodidina an’ireo fanontaniana ireo avokoa no hifantohan’ny adihevitra ankehitriny manoloana ny firosoan’ny Fanjakana amin’ny tetikasa fametrahana ny fitaterana an-tariby eto an-drenivohitra. Nisy, noho izany, ny angom-baovao manokana natao mahakasika ny antony mahatonga ny Fitondram-panjakana mametraka ity tetikasa ity ho laharam-pahamehana.

Raha fintinina ny nambaran’ny Filohan’ny Repoblika, ny 31 desambra 2021 teo, mahakasika ny tetikasa fitaterana an-tariby na Transport par câble (TPC) na Téléphérique koa azo iantsoana azy, dia toy izao: “Vahaolana amin’ny fitateram-bahoaka sy ny fitohanan’ny fiarakodia eto an-drenivohitra ny fanaovana ny teleferika. Laharampahamehana noho izany izy ity, moderna, madio, azo antoka, mari-potoana, miaro ny tontolo iainana, manatsara ny tanàna. Nanaraka ny an-tanan-tohatra ny fanatanterahana azy, nanaovana “études d’impact environnemental et culturel” niaraka tamin’ny ONE sy MCC. Efa natomboka ny asa dia tsy maintsy hotanterahana”.

Tsy nahasakana ny adihevitra teny anivon’ny fiarahamonina anefa izany. Laharam-pahamehana tokoa ve? Tsy tokony ho ny sosialim-bahoaka ve no jerena aloha? Tsy aleo ve ny Kere any Atsimo no hanontonana volabe sy itrosana tahaka izao? Sao diso laharam-pahamehana ny Fitondram-panjakana? Namaly izany indrindra ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, ny faran’ny herinandro teo, izay sady famaranana ny taona ihany koa, nandritra ny fandaharana adihevitra manokana izay nivahinianany. Fotoana izay nanambarany fa tany am-piandohana dia tanàna natao hahazaka olona 300 000 ity Antananarivo ity. Nifanaraka tamin’izany ihany koa ny fotodrafitrasa ara-pitaterana rehetra nijoro. Amin’izao fotoana, efa 2 500 000 ny isan’ny mponina, na efa mihoatra mihitsy aza. Raha ampitahaina, noho izany, ny tarehimarika dia hita fa efa tsy mahazaka intsony ny mponina eto Antananarivo ny fotodrafitrasa misy. Hiaraha-mahita ny fifamoivoizana izay mitohana izay tsy izy. Io fitohanan’ny fiara io anefa dia misy fiantraikany ara-toekarena sy ara-tsosialy, hoy ny fanazavany. Isan’izany ny fiakaran’ny vidin’entana satria lasa mitombo ny vola lany amin’ny solika amin’ny fitaterana ireo entam-barotra isan-karazany. Rehefa mitombo ny vola lany amin’ny solika, mitombo mifanaraka amin’izany ihany koa ny saran’ny fitaterana ny entana. Mazava ho azy, miakatra ihany koa izany ny vidin’ilay entana rehefa amidy.

Miaro amin’ny fahalotoan’ny rivotra

Etsy ankilany, hiarahan’ny rehetra manaiky ihany koa fa ny fitohanan’ny fifamoivoizana no anisan’ny miteraka ny fahalotoan’ny rivotra sy ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny eto an-drenivohitra. Vao tsy ela isika teto Antananarivo no niaina ny fahalotoan’ny rivotra diso tafahoatra, izay anisany mahatonga izany ny  setroka avoakan’ny fiara sy ny kodiaran-droa mifamezivezy. Efa nisy mihitsy aza hetsika nataon’ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, niaraka tamin’ny foibe fitsarana fiarakodia, ny amin’ny fanentanana ireo mpampiasa fiara mba hikojakoja ny fiarany tsy hamoaka setroka mandoto ny rivotra. Eo anatrehan’izany, ny famahana ny olan’ny fitaterana eto an-drenivohitra no vahaolana amin’ny fahalotoan’ny rivotra, ka isan’izany ny TPC.

Saran-dalana 4 000ariary?

“Ho zakan’ny fahefa-mividin’ny Vahoaka ve izany saran-dalàna 4 000ariary izany? Saran-dalan’ny Taksibe 500ariary aza efa betsaka no tsy mahavita mandoa…”, hoy ny fanehoan-kevitra. Nilaza ny Mpitondra tenin’ny Governemanta fa lafo kokoa tokoa izany saran-dalana izany mihoatra amin’ny taksibe. Saingy, “ny fotoana dia vola”, hoy ny fitenenana, izay mbola nohamafisiny ihany koa. “Tsy ho voavidinao 4 000ariary mihitsy ny fotoana laninao amin’ny fitohanan’ny fiara eto an-drenivohitra”, hoy ny fanambarany. Nambarany fa mimenomenona ny olona amin’ilay saran-dalana 4 000ariary, kanefa, rehefa maika ny olona dia  mahavita mandoa frais taxi analiny ihany.

Vahaolana aroson’ny Fitondram-panjakana, noho izany, ny fitaterana an-tariby. Tsy laharam-pahamehana ve ny fanaovana izany? Nambaran’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta fa raha vahaolana hafa no aroson’ny Fanjakana, toy ny fampifandimbiasana ny fiara mifamezivezy eto an-drenivohitra, na ihany koa fanajanonana mihitsy ny fiara rehetra tsy hivoaka ny trano amin’ny andro iray voatendry, dia vao maika hiteraka olana be lavitra. Dikany, na inona na inona hevitra haroson’ny Fitondram-panjakana dia ahitan’ny olona sasany olana hatrany. Tsy nisy tetikasa lehibe natao teto Madagasikara ka tsy nisy adihevitra, hoy ny fanazavany.

Tsiahivina fa velirano nataon’ny Filoha, ary antony nahalany azy, ny fampivoarana ny tanàna. Efa niteny izany izy tamin’ny fampielezan-kevitra. Ary efa anatin’ny fanatanterahana izany isika ankehitriny, hoy hatrany ny fanazavana.

Laharam-pahamehana kokoa ny any Atsimo

Nomarihin’ity tomponandraikitra ity fa tsy hoe manao ny tetikasa teleferika ny Fitondram-panjakana malagasy, dia midika izany fa adino avokoa ny tetikasa rehetra any amin’ny Faritra hafa. Araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2022, dia ao anatin’ny tetikasa ho atao amin’ity taona ity ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha 13, lalam-pirenena faha 12 A. Nanokana volabe lavitra mihoatra nohon’ny 152 tapitrisa Euro ny Fitondram-panjakana iadiana amin’ny Kere. 332 tapitrisa dolara avy amin’ny FMI ho amin’izany ady amin’ny Kere izany. Ankoatra izay, maro ihany koa ny volan’ny Fitondram-panjakana manokana ho an’ny any Atsimo. Tsiahivina fa nisy ny NPE tamin’iny 2021 iny. Ny 80% -n’ny vola manokan’ny Fanjakana, tao anatin’ny NPE (Tetikasa vaovao ho fampandrosoana), dia natokana ho an’ny any amin’ny Faritra Atsimo avokoa, hoy hatrany ny fanazavana.

TETIKASA “TELEPHERIQUE”: Nitondra vahaolana ho fiarovana ireo Vakoka ny Minisiteran’ny Kolontsaina

Tao anatin’ny fandaharana adihevitra manokana tao amin’ny fahitalavi-pirenena, ny alin’ny 31 desambra 2021, lasa teo no nitondran’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, ny fanehoan-keviny mahakasika ny tetikasa fametrahana fitaterana an-tariby eto an-drenivohitra. Tamin’io fotoana io ihany koa nanazavany fa efa nitondra soso-kevitra hiarovana ireo vakoka mety ho voakasiky ny tetikasa ny Minisiteran’ny Kolontsaina izay mpiahy izany.

Vantany vao nampahafantarina ny besinimaro ireo toerana rehetra holalovan’ny tetikasa “Téléphérique”, nisy ireo naneho hevitra avy hatrany, ary nanohitra ny fanatanterahana izany amin’ny filazana hoe manimbazimba ireo vakoka eny amin’ny vohitra Andohalo izany. Tafiditra ao anatin’izany ny “Amis du patrimoine » izay nanambara fa manimbazimba ny vohitra masina ny fanaovana io tetikasa io. Ny faran’ny taona teo, nitondra fanazavan-tsaina ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, izay miahy ny Vakoka. Nambarany fa efa nisy ny fivoriana teknika maromaro izay nandraisan’ny Minisitera misahana ny Kolontsaina anjara, izay nanazavana sy niarovana ary nitondrana ny lalàna manan-kery mikasika an’izany harem-bakoka izany. “Nandray ny adidy aman’andraikitra ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK) nanazava ny lalàna”, hoy ny fanazavana. Isan’izany ilay hitsivolana 82-029 tamin’ny 06 novambra 1982, izay mbola manan-kery, mikasika ny fiarovana, fitahirizana, ny vakom-pirenena. Ao anatin’io no misy ny tsy maintsy atao manodidina ny harem-bakoka. Izany hoe, rehefa misy tetikasa atao dia tsy maintsy manaraka izay voalazan’io lalàna io ny mpanatanteraka ny asa. Misy koa ny didim-panjakana 83-116 izay natao hanatanterahana an’io hitsivolana io. Nandritra io fandaharana nataony ny zoma alina lasa teo io no nitondrany ireo didim-panjakana sy didim-pitondrana rehetra mifandraika amin’ny tontolon’ny vakoka sy ny fiarovana izany rehetra, manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena ankehitriny. Nentin’ny MSK daholo ireo lalàna ireo tamin’ny fivoriana niaraka tamin’ny ONE.

Tsy ny vohitra Andohalo iray manontolo no vakoka

Araka izany, nisy tokoa ireo Vakoka mety ho voakasika ka mila arovana ao anatin’ny fanatanterahana ny asa. Isan’izany ny Fiangonana Katolika Andohalo, izay kasaina hanaovana ny fiantsonan’ilay teleferika eo Andohalo. Voakasika koa ny “Gare Soarano” izay vakom-pirenena. Eo koa ny FJKM Ambatonakanga, izay mbola vakoka ihany koa. Marihina fa tsy ny vohitra Andohalo iray manontolo akory no vakoka, araka ny nambaran’ny Minisitra. “Tsy misy lalàna miteny mihitsy hoe tsy azo anaovana fotodrafitrasa eny amin’ny vohitra Andohalo”, hoy izy.

Noho izany, raha ho an’ny fiangonana katolika Andohalo manokana, isan’ny vahaolana nentin’ny Minisitera ny tsy tokony hanaovana ao anatin’ny faritry ny katedraly Andohalo ny “pylone” fa tokony hakisaka. Tsy tokony hatao manimba ny endrika maha “monument historique” ity fiangonana ity ihany koa ny fametrahana ny tetikasa. Nanao soso-kevitra koa ny Minisitera mahakasika ilay “Gare Soarano” ny amin’ny hoe atao ao ambadiky ny “Gare” ny “pylone” an’ilay Teleferika mba tsy hanimba ny endriky ny “Gare”. Ankoatra izay, vahaolana naroson’ny Minisitera ihany koa ny fanakisahana tsy ho eo amin’ny fiangonana FJKM Ambatonakanga ny Pylone an’ilay teleferika, fa hakisaka amin’ny Trottoir an’ny Jirama eo ampita izay efa tsy vakoka intsony. “Rehefa nandinika ny ekipa teknika misahana ny resaka vakoka eo anivon’ny MSK dia nitondra izay soso-kevitra izay. Dikany, tsy nanaonao foana ny Fitondram-panjakana fa nieritreritra, ary ny MSK dia tena nakan-kevitra mihitsy”, hoy ny fanazavan’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo.

Fermer