
Fanadihadiana Manokana
Raharaha volamena 49 kg, Soanierana Ivongo, Jirama : Tsy hilefitra amin’ny fitadiavana ny marina ny Fitsarana
Nitondra fanazavana momba ireo raharaha goavana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza omaly, tetsy Faravohitra. Nahitsy izy nanambara manoloana ny mpanao gazety fa tsy avela raha tsy hita ny marina rehetra, momba ny raharaha volamena 49 kg tatsy Kaomoro, ny raharaha sambo Françia tao Soanierana Ivongo, ary anokafana fanadihadiana manokana, ny tranga fipoahan’ny vata mpanova herinaratry ny Jirama tao Andekaleka. Fanadihadiana…

Nitondra fanazavana momba ireo raharaham-pirenena goavana tato ho ato, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, ny minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza, omaly teny Faravohitra, nandritra ny valandresaka nataony tamin’ny mpanao gazety. Teboka telo no tena nasongadiny ka isan’izany ny resaka volamena tratra tatsy Kaomoro, ny Raharaha sambo rendrika Françia tao Soanierana Ivongo, ary ny tranga fipoahana vata mpanova herinaratry ny Jirama tao Andekaleka. Navoitran’ny minisitry ny Fitsarana fa miaro ny harem-pirenena ny Fitondram-panjakana malagasy, na dia misy aza ireo goragora samihafa. Tsy hanaiky mihitsy izahay, fa hamerina azy ireny eto an-tanindrazana, na ireo olona nanao ny tsy mety, na koa hamerina ny harem-pirenena izany. Momba ilay « Raharaha volamena 49 kg » tatsy Kaomoro, dia efa misy ny fanadihadiana tanterahin’ny Bianco sy ny Pac ny momba azy io. Nilaza mazava ny minisitry ny Fitsarana fa « efa isan’ireo olona notazonina am-ponja vonjimaika atsy Kaomoro afakomaly, ireo teratany malagasy roa lahy tratra tamin’io raharaha volamena 49 kilao io ». Tsy niandriandry, fa nandray ny andraikiny avy hatrany ny Fitsarana malagasy, raha vantany vao nitranga ny fisamborana. Ny 29 sy ny 30 ny volana desambra, araka izany, dia efa nandefa taratasy fangatahana ny fampodiana ireo teratany malagasy roa lahy aty Madagasikara ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Tonga tany am-pelatanan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ny Fitsarana kaomorianina soa aman-tsara ireo antontan-taratasy fangatahana rehetra ireo. Manamora ny fifampiresahana amin-dry zareo kaomorianina rahateo ny fampiasantsika ilay fifanaraham-piaraha-miasa, izay efa nisy hatry ny ela teo amin’i Madagasikara sy ny Nosy rahavavy Kaomoro. Mifandray mivantana amin’ireo tomponandraikitra ao Kaomoro ny Fitsarana malagasy. Na dia mbola somary sarotsarotra aza, dia mety hisy fanantenana ny fampodiana ireo teratany malagasy roa lahy migadra vonjimaika atsy Kaomoro. Raha izay no tanteraka, afaka mandray an-tanana mivantana ny famotorana sy ny Fitsarana ireo roa lahy ireo ny Fitsarana malagasy. Ho fantatra amin’izay ny tena marina rehetra momba ny resaka fanondranana volamena rehetra nitranga teto amintsika.

Tsiahivina mantsy, fa ireto teratany malagasy roa lahy migadra atsy Kaomoro ireto, dia isan’ireo atidoha tamin’ilay raharaha volamena 73 kg tratra tatsy Afrika Atsimo. Tsy maintsy atao eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana ny fomba rehetra hamantarana ireo rehetra niray tsikombakomba tamin’io raharaha volamena tratra atsy Kaomoro io, raha ny fanazavan’ny Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, sady minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza. Efa mandray an-tanana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity rahateo ny Bianco sy ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly eto amintsika. Ireto farany izay mifandray mivantana sy miara-miasa akaiky amin’ireo tomponandraikitra mpanao famotorana atsy Kaomoro. Miainga amin’izany ny fanadihadiana rehetra, mba hikarohana ny marina momba ity raharaha ity. Andrasana araka izany ny fivoaran’ny toe-draharaha.
Sambo rendrika tao Soanierana Ivongo…

Tsy mbola nivalona, fa mbola mandeha hatrany ny famotorana sy fanadihadiana momba ilay sambo MS Françia III, rendrika tao Soanierana ivongo, izay niteraka fahafatesan’olona 80 mahery. Nasongadin’ny minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza fa « tomponandraikitra maro isan-karazany no efa vita fanadihadiana tamin’io raharaha io. Natao fanadihadiana daholo nanomboka tany amin’ny mpahandro sakafo tanatin’io sambo io, hatrany amin’ny tomponandraikitry ny APMF ». Tsy niolaka izy nanambara fa isan’ireo natao famotorana koa ny zandary sy ny tomponandraikitry ny kaominina ao Antanambe – Mananara Avaratra, toerana izay niaingan’ilay sambo. Tsy maintsy ataon’ny Fitsarana, araka izany, ny fomba rehetra hamantarana ireo tompon’antoka rehetra tamin’iny sambo rendrika iny. « Samy tomponandraikitra tamin’iny tranga nahafatesan’olona iny daholo mantsy, na ilay kapitenin-tsambo, izay sady tompon’ilay sambo, na ireo tomponandraikitra any an-toerana nahafantatra mazava tsara ny fisian’iny sambo nitatitra olona tsy ara-dalàna iny », hoy izy nanazava. Tsy mandeha amin’izao fotsiny, ny fitaterana olona an-tsokosoko tahaka ireny, fa tsy maintsy misy mpiray tsikombakomba. « Tsy maintsy ho fantatra daholo ny tomponandraikitra nahatonga iny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny sambo MS Françia III iny. Nilaza ny tsy hanaiky mora foana ny Fitsarana fa hanao ny fanadihadiana hatramin’ny farany », raha ny fanampim-panazavana. Isan’ireo mbola karohina fatratra ilay Kapitenin-tsambo, izay sady tompony. Efa nokarohina tao Mananara Avaratra sy tao Maroantsetra hatrany Antalaha izy, saingy mbola tsy hita hatramin’izao. Andrasana fatratra, araka izany, ny tohin’ity raharaha ity eny amin’ny Fitsarana.
Anokafan’ny Fitsarana fanadihadiana manokana ny Jirama…
Momba ilay resaka fipoahan’ny vata mpanova herinaratry ny Jirama tao Andekaleka, dia nahitsy ny minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza fa « anokafan’ny minisiteran’ny Fitsarana fanadihadiana manokana ny tranga fipoahan’ny vata mpanova herinaratry ny Jirama tao Andekaleka ». Nasongadiny fa ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, miaraka amin’ny zandarimariam-pirenena no misahana izany fanadihadiana izany, miaraka amin’ny Polisy siantifika sy ny teknisianin’ny Jirama. Raha ny fanazavana, fandoroana niniana natao na “incendie criminelle” no hanasokajian’ny Minisitry ny Fitsarana ity tranga ity. Efa natao fanadihadiana ny olona efatra, amin’izao fotoana izao, talohan’io tranga io, sy taorian’io tranga io. Efa misokatra ny fanadihadiana ny zava-nitranga nandritra io fipoahana niseho tany Andekaleka. Hatreto, tsy mbola misy olona noahiahina, fa fihainoana ireo heverina fa vavolombelona no natao. Hotaterina ao anatin’ny fangaharahana tanteraka ny vokatry ny fanadihadiana nosokafana eo anivon’ny Fampanoavana ambaratonga voalohany, ao Toamasina izany.
Fitaovana saro-pady, miantraika mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka malagasy maro ity nitrangana loza ity. Tsy maintsy anaovana fanadihadiana lalina, mba hamantarana ny tena zava-misy marina sy ny mety ho antony. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza, fa tsy sakana amin’ny fanaovana ny fanadihadiana ny fisian’ny petra-kevitra efa nambaran’ny teknisianin’ny Jirama hoe fifampikasohana herinaratra sy fahanteran’ny fitaovana no mety niantombohan’ny firehetana. Tiana ny mampahatsiahy, fa olona efatra no efa nanaovana fanadihadiana, dia ny mpiambina taloha sy nandritra ny firehetana.
Famerenana an-dRaoul migadra any Bénin

Mba ho fanatanterahana ny didim-pitsarana izay nivoaka tao amin’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (Pac), izay nalefa tany amin’ireo tomponandraikitra ara-pitsarana sy ny Interpôle no nahafahan’ny manampahefana beninoa nisambotra ny filohan’ny FMF Raoul Rabekoto. Manoloana ny famerenana azy aty an-toerana, dia mbola mandeha hatreto ny pitsopitsony ara-pitsarana, amin’ny fomba hamerenana azy aty Madagasikara. Raha ny fampitam-baovao, dia notazonina am-ponja vonjimaika any Benin ity filohan’ny Federasionina malagasy ny baolina kitra (FMF) ity. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza fa « efa mifandray mivantana amin’ny manampahefana eo anivon’ny Fitsarana any Bénin ny fitsarana malagasy. Mbola dingana lavabe ny famerenana io teratany malagasy naiditra am-ponja vonjimaika any io, haverina aty Madagasikara». Na izany aza, dia mifandray tsy tapaka amin’ny minisitry ny Fitsarana any Benin sy ireo manampahefana eo anivon’ny Fitsarana any an-toerana ary ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny any an-toerana, ny minisiteran’ny Fitsarana malagasy.