PolitikaSongadim-baovao

OLAN’NY HERINARATRA: Mikaro-bahaolana maharitra ny Fanjakana, ho any Andekaleka ny Filoha

Lohahevitra maro no nivoitra nandritra ny fihaonana teo amin’ireo Mpisehatra eo amin’ny tontolo asa fanaovan-gazety, nahitana ireo tompona orinasa fanaovan-gazety, talen’ny famoahana, tonian-dahatsoratra, sy ny sisa, niaraka tamin’ny Filohan’ny Repoblika mivady omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Isan’ny nibahan-toerana tamin’izany ny olan’ny famatsiana herinaratra eto amintsika, indrindra mahakasika ny toby famokarana herinaratra ao Andekaleka.

Zary lasa fototr’olana maro ny Jirama ankehitriny. Olana avokoa na ny famatsiana Jiro na ny famatsiana Rano, hoy ny Filoha Andry Rajoelina omaly. Antony maro no mahatonga izany, hoy ny fanazavana. Raha ho an’ny famatsiana herinaratra manokana, izay mbola olana goavana eto amintsika, dia ny tsy fahampian’ny famokarana no antony. Ho an’Andekaleka manokana, izay napetraka tamin’ny 1978, tamin’ny Fitondrana Ratsiraka, dia “Groupe” roa no nisy tao Andekaleka. Nanampy groupe iray ny Fitondrana Tetezamita tamin’ny 2012. “Izao 2022 izao isika dia hanampy groupe fahaefatra ho atao ao Andekaleka”, hoy ny Filoha omaly. Izany izay tafiditra ao anatin’ny fijerena vahaolana maharitra ho an’ny famatsiana herinaratra.

Mahakasika ny firehetana nisy tao Andekaleka ny herinandro kosa, dia nilaza ny Filoha fa tsy mitombina velively ny tokony hisiana firehetana fotsiny tsotra izao ao anatin’iny vata mpanova herinaratra iny.  Ny 50%-n’ny fanadihadiana ankehitriny dia miteny fa firehetana niniana natao iny niseho iny, tahaka izay efa niseho tamin’ny Pylone mitondra ny herinaratry ny Jirama tany Andriampamaky. Ny vahoaka hatrany anefa no mijaly amina trangan-javatra tahaka ireny, hoy ny Filoha. Amin’izao fotoana, hamelona ny groupe faharoa ao Andekaleka ny Fanjakana. Hanafatra ny kojakoja ilaina amin’ny famelona ny groupe fahatelo ihany koa, izay tsy ho vita vetivety, araka ny voalazan’ny Filoha. Vahaolana maharitra efa naroson’ny Filoha kosa ny fananganana fotodrafitrasa tahaka an’Andekaleka hanampiana ny famokarana herinaratra eto amintsika.

Amin’ny herinandro ho avy izao, ny alatsinainy izao raha ny marimarina kokoa, dia hidina ifotony any Andekaleka ny Filoha Andry Rajoelina hijery ny zava-misy marina any an-toerana. Fidinana ifotony izay tafiditra ao anatin’ny fikaroham-bahaolana amin’ny famatsiana herinaratra avy ao Andekaleka.

Famatsiana rano

Raha ho an’ny famatsiana rano manokana, mitombo ny mponina nefa ny fotodrafitrasa tsy maharaka. Ny fantsona mitondra ny rano miakatra eny amin’ny faritra avo fotsiny ohatra dia efa tamin’ny 1928. Tsy eto Antananarivo ihany no misy tranga toy izany fa any amin’ny Faritra hafa koa. “Mitombo ny isan’ny trano, dia tsy maharaka ny famatsian-drano”, hoy izy. 190 000m³ ny famokaran-drano eto amintsika ankehitriny, kanefa 300 000m³ isan’andro no ilaintsika.

Eo anatrehan’izany, efa mitady vahaolana ny Fitondram-panjakana. Tsy vahaolana vonjimaika ihany anefa, fa vahaolana maharitra mihitsy, izay mitaky fotoana. Nambaran’ny Filoha omaly fa efa misy famatsiam-bola ho ataon’ny Vondrona Eoropeanina ao amin’ilay tetikasa Tana Water Free. Mirefy 180km ny alavan’ny fantsona havaozin’io tetikasa io. Nilaza anefa ny Filoha omaly fa rehefa miara-miasa amin’ny Vondrona Eoropeanina dia misy ny fitarazohan’ny fanombohan’ny asa. Tsy vita ao anatin’ny heritaona ny fanoloana ireo fantsona ireo. Nandritra izany koa no nanambaran’ny Filoha ny fanamboarana ny centre de traitement ana rano vaovao mamokatra 40m³ izay hotokanana tsy ho ela. Hamaha ny olan’ny famatsian-drano amin’ny ampahany betsaka ny fahavitan’io.

Fermer