PolitikaSongadim-baovao

RAHARAHA VOLAMENA 49KG : Hihazo an’i Kaomôro ny Delegasiona malagasy anio

Amin’ity anio ity no fantatra fa hihazo an’i Kaomôro ny Delegasiona malagasy tarihin’ny Minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza, hanao ny fifampiraharaha momba ny fampodiana ireo teratany malagasy miisa roa voasaringotra tamin’ny raharaha volamena milanja 49kg tra-tehaka tao amin’ny seranam-piaramanidin’ i Moroni Prince Said Ibrahim, ao Kaomoro. Raha tsiahivina, ny 28 Desambra 2021 teo no tra-tehaka ireto teratany malagasy ireto, niaraka tamin’ny volamena. Nisesisesy kosa ny fisamborana tany an-toerana taorian’izay.

Delegasiona malagasy miisa enina tarihin’ny Minisitry ny Fitsarana Imbiki Herilaza no hihazo an’I Moroni Renivohitr’I Kaomôro amin’ity anio ity, araka ny loharanom-baovao mari-pototra voaray. Anton’io dian’izy ireo io ny fifampiraharahana mahakasika ny fampodiana ireo teratany malagasy miisa roa tra-tehaka niaraka tamin’ny volamena 49kg sy teratany kaomorianina iray tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Moroni Prince Said Ibrahim, ao Kaomoro, ny talata 28 desambra  2021 teo. Araka ny loharanom-baovao hatrany, efa ny alakamisy 06 Janoary 2022 teo no nikasa hihazo an’i Kaomoro ireo delegasiona malagasy ireo, saingy noho ny antony avy any amin’ny manam-pahefana Kaomorianina, dia tsy maintsy nahemotra izany. Ny fihaonana amin’ireo manam-pahefana ara-pitsarana any Kaomoro noho izany no tena iraka hotanterahin’ireto delegasiona ireto, ao anatin’ny fifampiraharahana amin’ny fampodiana ireo teratany malagasy mba ho tsaraina eto an-tanindrazana, ahitana i d’Azaly Failaza Pacheco sy Pierre Stenny. Ireto farany, raha tsiahivina, dia efa nokarohina ihany koa tamin’ny raharaha volamena 73kg tratra tatsy Afrika Atsimo.

Tafiditra ao anatin’ireo delegasiona hihazo an’i Kaomoro anio, araka ny loharanom-baovao hatrany, ny Minisitra Imbiki Herilaza, ny Tale misahana ny « Affaires judiciaires, des études et des réformes » Randrianarisoa Saholy Norotiana, ny tale jeneraly misahana ny raharaha politika eo anivon’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny, N’diaye Alice, ny Tale Jeneralin’ny Fadintseranana Malagasy, Lainkana Zafivanona Ernest, ny « chef du Bureau national central d’Interpol », ny commissaire divisionnaire Rabialahy Jean Rostand, ary ny lehiben’ny sampam-pikarohana ady heloka bevavan’ny zandarimariam-pirenena, ny Kolonely Ravelomanana Valona Tahina.

Zava-dehibe ny fanaovana fanadihadiana ireo teratany malagasy ireo eto an-toerana. Araka ny voalazan’ny Filohan’ny Repoblika ny herinandro teo, dia efa nanome baiko ny Praiminisitra sy ny Minisitra ny tenany ny tsy maintsy hamerenana ireo olona nanondrana volamena antsokosoko ireo eto Madagasikara. Nohamafisina fa efa manao ny ezaka rehetra ny Fitondram-panjakana hikarohana ireo mpanao ratsy, izay nambarany efa tambajotra mihitsy.

Fermer