PolitikaSongadim-baovao

AHIAHY SOTASOTA POLITIKA: Nisy fipoahana izay vao nisy ny firehetana tao Andekaleka

Nanatanteraka fidinana ifotony tany Andekaleka ny Delegasiona notarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, omaly Alatsinainy 10 Janoary 2022. Nizara roa lehibe ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Repoblika taorian’ny fijerena ny zava-nisy tao Andekaleka, dia ny fironan’ny fanadihadiana mankany amin’ny fandorana niniana natao tamin’ilay firehetan’ny “transformateur” ny 02 janoary teo. Teo koa ny filazana ireo famahana olana efa ataon’ny Fanjakana hamerenana amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra avy ao Andekaleka.

“Raha ny lojika amin’ny firehetana tao Andekaleka ny 2 janoary teo dia ialohavana firehetana ny fipoahana. Tsy izay anefa no niseho fa nisy fipoahana vao nisy ny firehetana”. Hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Mahatonga ahiahy tamin’ny nisian’ny fandorana niniana natao, noho izany, ity firehetana niseho tany an-toerana ity. Tamin’izany indrindra no nampahafantaran’ny Filoha fa “tsy vao izao no nisy ny fikasana hanapoaka an’ity toerana ity”. Efa nisy andian’olona, hoy izy, nisy fotoana nanatona azy, ary nanambara mihitsy fa vonona hanapoaka an’Andekaleka, raha omena 40 tapitrisa ariary. Tsy nanaiky izany ny tenany. Mazava ho azy, fa noho ny antony ara-politika no mahatonga ny hevitra maloto tahaka izany ho miseho masoandro. Manana ahiahy, araka izany, ny mpanao fanadihadiana ny maha fandorana niniana natao ity niseho tao Andekaleka ity. Ny ho tohin’ny fanadihadiana kosa no ahafahana tena mamaritra izany.

“Tsy maintsy karohina ary tsy maintsy hosaziana izay rehetra nanao ny fanapotehana”, hoy ny Filoha. Ity farany izay nanambara fa afaka manoratra any amin’ny Fiadidiana ny Repoblika na any amin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo ireo izay manana vaovao mahakasika izay tompon’antoka tamin’iny raharaha iny, fa hahazo valisoa.

Hihena tsikelikely ny delestazy

Toerana manan-danja mamokatra 40 hatramin’ny 50% ny filàn’Antananarivo ny ao Andekaleka. Tsy mahagaga, noho izany, raha manao sesilany ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo ankehitriny noho io fahasimbana io. Manodidina ny enina hatramin’ny valo volana eo kosa no nambaran’ny Filoha fa hahavita tanteraka ireo “Groupe” miisa efatra ao Andekaleka, izay hamerina amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra eto amin’ny tambajotra iraisana Antananarivo, sy Moramanga, ary Antsirabe.  Na izany aza, mandeha miandalana ny fanamboarana ireo “Groupe” any an-toerana, ka efa hihena tsikelikely ny fahatapahan’ny herinaratra mandrahatongan’izay.

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy omaly 10 janoary nandritry ny fandalovan’ny Filohan’ny Repoblika ny ” Draisine” vaovao izay entina hanamorana ny fivezivezen’ny mpiasan’ny Jirama manatanteraka asa any an-toerana sy ny Fitondrana entana vaventy toy ny fiara sy ny sisa.

Fermer