PolitikaSongadim-baovao

SEG JLY SERGE GELLE: « Fahavalom-pirenena izay tsy mamela ny rafitra demokratika hiasa »

Tsotra sady mazava ny tenin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Serge Gellé omaly. “Tsy azo ekena intsony ny hisian’ny korontana eto Madagasikara, ary izay tsy mamela ny rafitra demokratika hiasa dia sokajina ho toy ny fahavalom-pirenena, na iza izany na iza, na avy aiza na avy aiza”, hoy izy.

Isan’ireo nanatrika ny lanonana fanamarihana ny andron’ny Manamboninahitra, ny 12 Janoary omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria (Seg), ny Jeneraly Serge Gellé. Nandritra izany no nanararaotan’ny mpanao gazety nanontany azy ny mahakasika ny raharaham-pirenena, indrindra amin’izao heritaona mahery kely mialohan’ny fifidianana amin’ny taona 2023 izao.

Tsotra, hentitra, ary mazava ny fanazavana nentin’ny Seg. “Na iza na iza manakorontana, tsy mamela ny rafitra demokratika hiasa dia voasokajy ho fahavalom-pirenena ary tsy maintsy handray andraikitra ny Fitondram-panjakana”, hoy izy. Hatreto tokoa, betsaka ireo fanambarana sy hetsika miseho etsy sy eroa ataona mpanao politika izay mampametra-panontaniana ihany. Tamin’ny fiandohan’ity taona ity izao ny avy amin’ny antoko mpanohitra dia nanambara mihitsy fa ho taonan’ny fijoroana ity taona ity. Mialohan’izany dia efa nisesisesy ny fanambarana milaza fa “haka fahefana”. Etsy ankilany, mbola vaovao mitana ny sain’ny mpanara-baovao ihany koa ny mahakasika ireny fahasimbana nisy tao Andekaleka ireny, izay fanapotehana niniana natao, raha ny fanadihadiana natao tany an-toerana. Iza no manana tombontsoa amin’izany? Mbola mitohy ny fanadihadiana, fa ny zava-misy aloha dia mitondra fanakorontanana amin’ny fiainan’ny mponina ny trangan-javatra tahaka ireny. Rariny, araka izany, ny fanambarana nataon’ity tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ity, izay nametraka mihitsy ny maha fahavalom-pirenena izay mitondra fanakorontanana.

Hiaro ny vahoaka sy ny fananany

Nambaran’ny Seg fa arakaraka ny hanakorontanana ny Fitondram-panjakana no tsy hahavitany zavatra. Avy eo anefa, hoy izy, dia ireo olona ireo ihany no hitabataba fa tsy nisy na inona na inona vitan’ny Fanjakana akory. Noho izany, tokony havela hiasa malalaka ny Fanjakana. Nilaza ity tomponandraikitra ity fa araka ny lalàna mifehy ny asan’ny zandary dia natao hiaro ny Andrimpanjakana… ny vahoaka sy ny fananany izy ireo. Dikany, na iza na iza no mitondra eo dia mitoetra foana izay lalàna mifehy ny asan’izy ireo izay.

Tamin’io fotoana omaly io ihany koa no nanambaran’ny Seg fa afaka iray volana sy tapany vao afaka hiverina hiasa soa aman-tsara amin’ny fanatanterahana ny fidinana ifotony ny tenany. Nohamafisiny kosa fa salama tsara ny tenany taorian’ny fandidiana azy, ny tongotra no mbola marary kely, hoy izy, noho ny fahatapahan’ny taolana kely antsoina hoe “péroné” ao anatiny.

Fermer