PolitikaSongadim-baovao

FANONDRANANA VOLAMENA AN-TSOKOSOKO: Nampodiana eto Madagasikara ireo Malagasy roa tratra tao Kaomôro

Omaly maraina tokony ho tamin’ny 08ora maraina no nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Delegasiona malagasy notarihin’ny Minisitry ny Fitsarana Imbiki Herilaza, niaraka tamin’ireo teratany malagasy roa nahatrarana ilay volamena milanja 49kg tatsy amin’ny Nosy Kaomôro, araka ny loharanom-baovao. Etsy ankilany, efa nanaiky ny handinika ny fangatahan’ny Fanjakana malagasy amin’ny fampodiana an-tanindrazana ireo volamena 73, 5kg sy ireo teratany malagasy telo nohazonina ao Afrika Atsimo ihany koa ny Fanjakana Afrikana Tatsimo.

Nanaiky hampodiana hotsaraina eto Madagasikara ireo teratany malagasy roalahy, nitondra ilay volamena 49kg, voasambotra tatsy Kaomôro, ny Fanjakana Kaomôriana. Io no vokatry ny iraka nataon’ny delegasiona malagasy notarihin’ny Minisitry ny Fitsarana Imbiki Herilaza tatsy Kaomoro momba ity raharaha volamena 49kg ity. Omaly maraina no tafaverina an-tanindrazana ny delegasiona miaraka amin’ireo roalahy ireo. Ny Fitsarana malagasy, noho izany, no hisahana ny famotorana sy ny fitsarana azy mirahalahy ireo manomboka izao.

Araka ny loharanom-baovao, afak’omaly alina no nankatoavan’ny Kaomôriana io fangatahan’ny Fanjakana malagasy io. Taorian’ny fihaonan’ny delegasiona malagasy  notarihin’ny Minisitra Imbiki Herilaza tamin’ny Minisitra tomponandraikitra Kaomôriana, nisy ny fivoriana nataon’ireo tomponandraiki-panjakana any an-toerana niaraka tamin’ny Mpitsara any an-toerana afak’omaly alina ihany ka namoahana io fankatoavana io. Ny  marainan’ny omaly ihany dia nihazo an’I Madagasikara ireo delegasiona ireo, niaraka tamin’izy roalahy, izay ahitana an’I Azaly Failaza Pacheco sy Pierre Stenny.  Tamin’ny 08ora maraina no nigadona teny Ivato ny fiaramanidina nitondra azy ireo. Eto an-tanindrazana ihany, araka izany, no hanatanterahana ny fitsarana azy roalahy ireo. Notanana teny amin’ny zandarimaria eny Fiadanana izy ireo, ary niroso avy hatrany tamin’ny fanadihadiana ny tomponandraikitra eo anivon’ny Fitsarana, raha ny loharanom-baovao hatrany. Raha ny zava-nisy dia ny avy eo anivon’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny Kolikoly na ny Pac no tombanana hisahana ny famotorana rehetra momba ity raharaha ity, noho izy, mamofompofona kolikoly avo lenta teto amin’ny firenena. Ankoatra izay, mbola giazan’ny manam-pahefana ao Kaomôro hatreto ireo volamena 49kg izay voalaza fa an’I Madagasikara, noho ny mbola fanjavozavoan’ny teny fiavian’ireo volamena ireo marina.

Raharaha volamena 73kg

Tsiahivina fa nanomboka ny 05 janoary 2022 teo no voatazona tao Moroni ireo teratany malagasy ireo. Omaly, nilaza ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Patrick Rajoelina, fa tsy azo ekena ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena. Tamin’io fihaonana tamin’ny mpanao gazety omaly io indrindra no nanambarany fa efa nanaiky ny handinika ny fangatahan’ny Fanjakana malagasy ny Filoha afrikana tatsimo mahakasika ny raharaha volamena 73,5kg. Ny fangatahan’ny Fanjakana malagasy izay miompana indrindra amin’ny fampodiana an-tanindrazana ireo telo miaralahy voasaringotra tamin’ny raharaha, ary koa ireo volamena 73,5kg, izay voalaza ihany koa fa an’I Madagasikara.

Tsara ho fantatra fa tsy manana fifanarahana ara-pitsarana amin’I Afrika Atsimo I Madagasikara, amin’ny fampodiana ireo teratany malagasy voarohirohy amina raharaha heloka be vava, tahaka ity raharaha volamena 73kg ity. Raha ho an’ny Nosy Kaomôro kosa indray, nisy ny fifanarahana ara-pitsarana teo amin’ny firenena roa tonta nanomboka ny taona 1976, ka nanamora ny fifampiraharahana.

Fermer