PolitikaSongadim-baovaoSosialy

COVID19 – FANAOVAM-BAKSINY FANAMPINY : Azo atao araka ny tolo-kevitry ny ANAMEM, tsy manery ny Fanjakana

Manoloana ny fahafahana manao Vaksiny fanampiny any amin’ny firenen-kafa, na ilay antsoina hoe “dose de rappel”, tsy vitsy ireo Malagasy eto an-toerana izay nisafidy ny hanao vaksiny no nametra-panontaniana ny amin’ny fahafahana manao izany ihany koa na tsia, amin’ireo Vaksiny efa misy eto amintsika ireo. Nanome tolokevitra ny amin’ny fahafahana manao izany ny ANAMEM. Izany anefa dia tsy an-tery, araka ny efa napetraka hatrany am-boalohany, fa an-tsitrapo tanteraka.

Tsy vitsy ireo Firenena ao Eoropa no efa miroso amin’ny fanaovana vaksiny fatra fanampiny. Toy izany ihany koa ny Etazonia. Ho an’ny any Turquie aza, efa miditra amin’ny vaksiny fanampiny, fatra fahadimy, na 5ème dose ny mpisitraka izany. Manao ahoana kosa ny antsika eto Madagasikara?, hoy ireo olona nisafidy ny hanamafy ny fiarovan-tenany tamin’ny alalan’ny Vaksiny. Manoloana ireny fanontaniana ireny, dia nangataka ny hevitry ny Akademiam-pirenen’ny mpitsabo eto Madagasikara (ANAMEM) ny Minisiteran’ny Fahasalamana. Nanome tolo-kevitra araka izany ny ANAMEM fa azo atao ny manao io vaksiny fanampiny io ho an’ireo efa nanao vaksiny voalohany, ka manomboka eo amin’ny 5 volana taorian’ny nanaovana ny vaksiny voalohany no afaka manao io « dose de rappel » na antsoina koa hoe « dose boost » io.

Araka ny tolo-kevitra avy amin’ny ANAMEM, araka izany, dia raha « Janssen » no karazana vaksiny natao dia azon’ireo nanao izany atao ny manampy « dose » fanindroany « pfizer », raha « covishield » ka efa nahavita ny « dose » indroa miantoana ihany koa dia afaka manao vaksiny fanampiny « pfizer », ary ireo nanao « pfizer » indroa miantoana dia afaka manampy « pfizer » andiany fahatelo koa. Marihana fa ireo tolokevitra rehetra nomen’ny ANAMEM ireo ihany no nodinihan’ny Vondrona Teknika mandinika momba ny vaksiny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamana ary nampahafantarina ireo fitaleavana isan-tokony any amin’ny Faritra.

Eo anatrehan’izany, ny Fanjakana, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamana dia manamafy fa safidy tanteraka fa tsy an-tery ny fanaovana vaksiny ary tsy misy olona azo terena hanao izany na aiza na aiza eto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Tsiahivina fa Vaksiny karazany efatra no nampiasaina teto Madagasikara, dia ny Astrazeneca, Janssen, Sinopharm, ary ny Pfizer. Fa ankoatra izay, efa nampiasana ary nanentanana ny besinimaro mihitsy ny fampiasana azy, dia ny CVO. Nanamafy ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka fa mifameno ireo paikady rehetra nentin’ny Fitondram-panjakana hiarovana ny vahoaka amin’izao valanaretina Covid-19 izao.

Fermer