PolitikaSongadim-baovao

SOLONTENA MAHARITRY NY FMI : « Mila hafainganina ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny sosialy eto Madagasikara »

Noraisin’ny Filoha Andry Rajoelina ny solontena maharitry ny Tahirimbola Iraisampirenena eto Madagasikara – FMI i Marc Gérard, omaly 17 janoary 2022, teny amin’ny Lapam-panjakana Ambotsirohitra;ho fanaovan’ity tomponandraikitra ambony ity ny fanaovam-beloma ny Filohampirenena nohon’ny fahataperan’ny fotoam-piasany eto Madagasikara. Niasa sy nonina teto Madagasikara nandritra ny telo taona i Marc Gérard ary izao mifarana izao ny fotoam-piasany. Afa-po tamin’ny fiarahamiasa amin’i Madagasikara ity solontena maharitry ny FMI ity. Nahazoana vokatra tsara ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara na tao anatin’ny tontolo tena sarotra aza. Miroso amin’ny fanaovana tombana ny fiantraikany ara-toekarena mifandraika amin’izany ny Tahirim-bola Iraisampirenena amin’izao fotoana izao.

Noresahan’ny solontena maharitry ny FMI tamin’ny Filoha Andry Rajoelina ihany koa ny fanamafisana ny fampifantohana ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny sosialy eto Madagsikara. « Mila hafainganina ny fampifantohana ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny sosialy izay iankinan’ny filaminan’ny firenena », hoy izy. Anisany napetraky ny solontena maharitry ny FMI ho laharampahamehana tamin’izany ny fanabeazana sy ny fahasalamana sy ny fanamafisana ny tokony ho fampiasam-bola amin’ireo sehatra roa ireo. Sokajiana ho manana mponina tanora izay hoavin’ny firenena manontolo i Madagasikara. Mila jerena manokana, araka izany, ny hoavin’ireo tanora ireo amin’ny alalan’ny fanaovana laharampahamehana ny fanabeazana. Mila jerena ihany koa ny fampiasam-bola ho an’ny fanatsarana ny sehatra hafa toy ny angovo, ny fanamboaran-dalana, ny fidiovana sy ny rano. Mifanojo amin’ny fomba fijery sy ny fandaharanasan’ny Filoha Andry Rajoelina raha teo izany izay nametraka ny taona 2022 ihany koa ho taonan’ny asa izay hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-bahoaka.

Nanamafy ny solontenan’ny FMI fa mitohy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara. Mitohy avokoa ny fandaharanasan’ny FMI, vita sonia niarahana tamin’ny Fanjakana malagasy ny volana martsa 2021. Mitohy ihany koa ny ezaky ny FMI amin’ny fanohanana an’i Madagasikara amin’ny lafiny toekarena sy sosialy. Ao anatin’ny fanaovana tombana ny tapany voalohany amin’ny fandaharanasany eto Madagasikara ihany koa ny FMI ary hirosoana tsy ho ela ny tombana tapany faharoa.

Tsara ho fantatra fa isany nitondra fanohanana ara-bola goavana ho an’i Madagasikara ny FMI tamin’ny fiatrehany ny krizy ara-pahasalamana, sosialy sy toekarena. Nanampy hatrany amin’ny 2,5 %-n’ny tahan’ny harin-karena faoben’i Madagasikara ny FMI ny taona 2020 sy 2021 nanampy niatrehana ny krizy ara-pahasalamana. Noresahan’ny solontena maharitry ny FMI tamin’ny Filoha ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fanaovana tatitra ny tetibolam-panjakana.

Fermer