Fanadihadiana ManokanaSongadim-baovaoSosialy

FIAKARAN’NY RANO ETO ANTANANARIVO: Ny fanariam-pako eny rehetra eny, sy ny fanotorana tany tsy ara-dalàna no antony

Miakatra ny rano, iza no tomponandraikitra? Ekena fa fomba fiteny hatrany ny hoe tsy fotoanan’ny fifanomezan-tsiny intsony izao, saingy sarotra ny tsy hiresaka ny momba ireo olona tsy mahatsiaro tena ho tomponandraikitra amin’ny fihetsika ataony, amin’ny fanariana fako eny rehetra eny ka mahatsentsina ny fivoahan-drano. Eo koa ireo tomponandraikitra mahasahy manao kolikoly amin’ny mbola fanomezana alalana fanotofana tany eto Antananarivo.

Mafy dia mafy ny fiantraikan’ny rotsakorana nandritry ny alin’ny alatsinainy teo raha ho an’ny mponin’Antananarivo renivohitra. Fokotany maro no dibo-drano ary miisa 10 ireo olona namoy ny ainy hatreto teny Avaradrano, Ambohidempona, Manjakaray sy Nanisana, vokatry ny fihotsahan’ny tany sy ny firodanan’ny trano ipetrahan’izy ireo. Maro ihany koa ireo tokantrano, indrindra eny amin’ny Faritra iva, no tafiditry ny rano ka miteraka fahasimbana entana maro izany. Na ny faritra avo na ireo toerana sokajiana ho faritra iva dia nitondra faisana avokoa vokatry ny rotsakorana. Vao vantany nitranga ny loza dia zary lasa fahazarana ny mifanome tsiny. Maro ireo milaza fa kendan’ny vomanga nasesiky ny tanany ireo olona izay mpanary fako eny an-dalambe ka mahatonga ny fantsona fikorianan-drano ho tsentsina. Raha jerena amin’ny fo tsy miangatra dia misy fahamarinany izany satria manerana ireo fokotany maro eto andrenivohitra dia mivangongo eran’ny tanàna ny fako ka manentsina ireo dalles.

Kolontsainana « tsy tompon’andraikitra »

Nitovy fomba fijery tamin’izay mihitsy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, raha naneho hevitra tao amin’ny Pejy Facebook-ny omaly. “Manadio ny ben’ny tanàna, esoina sy ihomehezana fa lazaina misehoseho, Antsoina hanao tagnamaro hiara-hientana, lazaina hoe fanandevozana io e, Entanina mba tsy handoto fahafarahatsiny rehefa tsy hanaiky hanadio ihany, efa misy olona karamain’ny Fanjakana mpanadio ny asany ka na mandoto aza hono tsy maninona fa efa izany foana no natao teo hatrizay, Izao miakatra ny rano fa tsentsin’ny fako nariana tany daholo, mitady tompon’andraikitra omena tsiny mafy…”, hoy izy naneho hevitra.

Mbola nohamafisiny fa ilay kolontsainana « tsy tompon’andraikitra » na « culture d’irresponsabilité » tadiavina hovolena eny anivon’ny olompirenena mihitsy no mila iadiana, satria mora loatra ilay miteny hoe « tsy fotoanan’ny fifanomezantsiny » izao rehefa avy nandoto sy tsy nandray andraikitra tandrify amin’ny maha-olompirenena nandritra ny fotoana lava. “Eny, manana ny andraikiny ny tomponandraikim-panjakana isan-tokony araka ny andraikitra nomena azy avy, ary izaho manaiky hoe tsy afa-miala amin’izany izy ireo, fa kosa aza taizana amin’io kolontsaina « tsy tompon’andraikitra » io ny olompirenena fa mamotika firenena izany”, hoy hatrany izy tao amin’ny fanehoan-keviny.

Mbola tsy azo atao ny manototra tany

Etsy ankilany, tsy vitsy ihany koa ireo manome tsiny ny Fanjakana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny manoloana ny tsy fandraisana andraikitra. Voatondro ho tomponandraikitra amin’izao fiakaran’ny rano be eran’ny tanàna izao ohatra ireo izay manome alalana ny fanotofana tany na “remblayage » izay hita fa niverina nahazo vahana tato ho ato. Raha tsy hitanisa afa-tsy ireo hita etsy amin’ny sisin’ny Marais Masay sy eny amoron’ny By Pass. Na dia eo aza ny didy navoakan’ny Fitondram-panjakana izay mandrara ny fanotofana tany dia iaraha-mahita manerana ny tanàna ny fisian’ireo camions goavana mitatitra tany. Eo ihany koa ireo trano aorina eo ambony tany vao nototofana ka mahatonga fahatsetseman’ny fivoakan’ny rano, toy izay hita etsy amin’ny sisin’ny Marais Masay izay miteraka fimenomenoman’ireo mponina manodidina. Marihina etoana anefa fa misy ny didy izay navoakan’ny APIPA izay mandrara ny fanotofana tany eto Antananarivo mandritra ny fotoam-pahavaratra, izany hoe manomboka ny 1er décembre 2021 ka hatraminy 15 aprily 2022. Na dia eo aza anefa izany dia hitam-poko hitam-pirenena ny fitohizan’ireo fanotofana. Miantso ny fandraisana andraikitry ny Fanjakana, araka izany, ireo vahoaka ary mangataka fanokafana fanadihadiana hamantarana ireo manome fahazoan-dalana amin’ireny tranga ireny satria dia anisan’ny fototry ny fiakaran’ny rano manerana ny tanàna ny fanotofana tany tsy ara-dalana sy ny fananganana trano eny ambonin’ireo fantsona fivoahan-drano.

 

Fermer