PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FIAKARAN’NY RANO ETO ANTANANARIVO : Nomena toerana ireo traboina, nodiovina ny tatatra, naato ny fampianarana

Raha tokony ho nandeha nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2022 tany Mahanoro ny Filoha Andry Rajoelina omaly, dia nisafidy ny hijanona tamin’ny ora farany mba nahafahana nitady vahaolana manoloana ny fiakaran’ny rano amin’ny toerana maro eto an-drenivohitra. Nampiantso fivoriana maika ny Filoha hahafahana mandray fepetra. Tapaka nandritra izany, fa homena toerana ireo traboina, diovina ireo tatatra fivoahan-drano, ary naato ny fampianarana amin’ireo toerana voasokajy ho faritra mena.

« Ho firaisampo amin’ireo traboina vokatry ny rotsak’orana be dia be tao anatin’ny roa andro teto Antananarivo sy tamin’ireo Faritra sasany eto Madagasikara, dia tsy hihazo an’I Mahanoro ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina anio (naotin’ny fanoratana: omaly), hanatrika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2022…”, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny seraseran’ny Fiadidiana ny Repoblika omaly vao maraina. Tao anatin’izany ihany koa no nampahafantarana ny fisian’ny fivoriana maika izay notanterahin’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tokony, notarihin’ny Filoham-pirenena, nijerena ireo vahaolana sy fepetra rehetra horaisina, manoloana ny fiakaran’ny rano eto Antananarivo Renivohitra.

Nandritra ity fihaonana ity, nanamafy ny tokony hisian’ny fifanampiana eo amin’ny samy mpiray tanindrazana ny Filoha. Fepetra voalohany noraisin’ny Fitondram-panjakana, noho izany, ny fametrahana ireo toerana miisa 18 natokana handraisana ireo traboina efa manodidina ny 8 457. Any amin’ireny toerana ireny dia hisy fanomezana sakafo mafana, lamba firakotra sy fitaovana fiarovana amin’ny Covid 19. Hisy koa ny fametrahana rano fisotro madio sy « cliniques mobiles » ary mpitsabo hijery ny Fahasalaman’izy ireo. Hisy ihany koa ny fitaovana hahafahana manasa tanana amin’ny rano sy savony, araka ny fanazavana hatrany. Nanamafy ny Tale Jeneralin’ny Fisorohana ara-pahasalamana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, fa hisy tolotra ara-pahasalamana manokana amin’ireny toerana mandray ireo traboina ireny. Ny mpiasan’ny fahasalamana rahateo mijanona eny an-toerana, ka raha sanatria misy trangana tsy fahasalamana tampoka dia mandray an-tanana avy hatrany, eny fa ireo vehivavy bevohoka izay tokony hanaovana fizahana aza, dia efa misy ny fitaovana.

Fampiasana « Moto-pompes »

Tetsy ankilany, isan’ny fepetra noraisin’ny Fanjakana koa fampiasana « Moto-pompes » vitsivitsy izay hiasa hitroaka ireo rano mitobaka eny anivon’ireo tanana maromaro izay dibo-drano. Mitohy koa ny fanadiovana ireo tatatra maro eto Antananarivo, izay tsentsin’ny fako sy ny loto. Asa izay efa natomboky ny Fiadidiana ny Tananan’ Antananarivo. Efa nidina an-tsehatra ihany koa ny avy eo anivon’ny Tafika malagasy sy ny polisim-pirenena nifanampy tamin’ny fanalana ireo manentsina ireny lakan-drano eto Antananarivo ireny. Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Apipa, fa tsy naharaka ny fiavian’ny orana ny alatsinainy teo ny fotodrafitrasa famoahan-drano eto amintsika, ka nahatonga ireny tondra-drano ireny. Ity tomponandraikitra ity izay niantso ny eo anivon’ny Jirama mba tsy hanapahana ny jiro eny amin’ireo “station de pompage” tantanan’ny Apipa ireny, mba hanafaingana ny famoahan-drano.

Amboarina ireo lalana simba sy nihotsaka

Ankoatra izay, noraisina ireo fepetra mikasika ireo toeram-ponenana tandindonin-doza mety hirodana vokatry ny fihotsahan’ny tany. Hamboarina afaka andro vitsivitsy ireo lalana rehetra misy fahasimbana sy fihotsahana vokatry ny rotsak’orana. Farany, ho fiarovana ny ankizy sy hisorohana ny loza dia tsy mianatra ny mpianatra mandritry ny roa andro. Ho fanamafisana ny fampiharana ireo fepetra maro ireo dia omaly hariva ihany dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian, nijerena ireny toerana fandraisana traboina ireny. Isan’izany ny teny Ankorondrano.

Fermer