
Songadim-baovaoSosialy
FARITRA BONGOLAVA Nanamarika ny fanokafana ofisialy ny taom-pambolen-kazo
Nandray anjara feno tamin’ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo ofisialy niraisana teto Madagasikara, izay notanterahina tany Mahanoro, ny faritra Bongolava, izay notarihan’ny Govenoran’ny faritra, Ramiaramanana Joseph sy ireo mpiara-miasa aminy, ary ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, tao Bongolava. Nanao izany ho vaindohan-draharaha ny Governoran’ny faritra Bongolava, Jeneraly Ramiaramanana Joseph, ka nanatanteraka fambolen-kazo ho fiaraha-mientana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana tahaka ireo faritra 22 manerana an’i Madagasikara. Nambaran’ny governora, fa zava-dehibe loatra ny nametrahan’ny Filohan’ny Repoblika io velirano handrakofana ala an’i Madagasikara sy hamerenana azy ho maitso io. Fanombohana ihany ity fambolen-kazo natao tao Bongolava ity, raha ny fantatra, fa ny fanentanana ireo mponina sy vondron’olona, fikambanana, fiangonana, sekoly, Fitaleavam-paritra isan-karazany, ireo antoko politika maro, dia mitohy manomboka izao, ho fanarenana ny tontolo iainana, hamerina amin’ny laoniny ny toetrandro, ary mba hisy ho lovainjafy. Ankoatra izany, nanentana ny vahoaka Malagasy rehetra, ny Governora, hanohy hatrany ny fambolen-kazo amin’izay toerana rehetra afaka hanatanterahana izany.